Mino izany izaho,asa raha hianao?

21. niryna ( 09/12/2009 04:44)
rakapy:

Hoy i rakapy:

Eto dia fahaizana mandanjalanja ny finoana no vahaolana.

Hoy Niryna

ahoana no andalanjanao azy ? mba azavao hoe azafady ?

:-D :-D :-D Aiza re izany e!!!

:roll: aiza amin'ny ahoana rakapy a ,mba zarao ilay finoanao woa ! :D
22. niryna ( 09/12/2009 05:14)
ravonjison:

Ny malagasy kristianina toa efa nanafaza foa izay , hatramin' ny 1896, ka hatramin 'izao , fa toa mbola tsy vanona foana.
izao mizara amin'ny sera izao ny voa efa nafafy ho anay koa tsy misy vanona ahoana e,ary raha indray mande ve no manta vary dia andevin-tsotrobe?
ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy ny Tompo
isika mihevitra fa tsy namoa ilay voa kanefa jereo fa na ny tenin'Atra aza dia a faka mizara izany erak'izao tontolo izao ny gasy rehetra izay mba afaka mandray anjara ary santionany fotsiny io fa efa tonga miely eran-tany ny mpizara ny tenin'Atra ary mamafy voa ho an'izay mandray izany
Izay mandray anareo hoy ny teny ao amin'ny Marka 6 dia mandray Ahy koa ary dia midira ao an-tranony fa raha toa ka tsy mandray kosa izy dia ahitsano ny vovoka amin'ny kapanareo ary dia mandehana any an-kafa indray oops,izany hoe omena ny teny fa hisy andray ary hisy hitsipaka sy anda foana
Ny Toa ny voa ( izay mba ananana ) ho entina mamafy aza no mihalany tsikelikely.
marina izany satria raha olon'Atra no mitondra dia tsy ho toa izao ny firenena ary tsy ny antsika ihany fa maro,saingy isaorana ny Tompo fa tsy mitsahatra manome hery ireo oloNy izy hamafy ny voa (dia ny tenin'Atra izany),mety misy tsy mahita tombontsoa angamba ny hafa saingy andramo ka zahao fa tsara izy,izaho no vavolombelona sahy mijoro amin'izay ary tsy izaho irery fa maro tokoa izahay ato. Atra tsy amela ny zanany ho irery

Ny afrikanina koa , toa mamafaza foana, ohatra , Congo, fa e e e e, toa tsy mety vanona foana.
ka voa tsara sa ratsy no nafafin'ny olona? raha tsara mantsy tsy maintsy misy tany lemaka foana,sao kosa tany amin'ny tsilo no nafafy ny voa ka ny tsilo no nangeja azy ?na nafafy teny amoron-dalana ka tonga ny vorona nifaoka azy ..na manda fotsiny izao e fombam-piainana koa mantsy io na niroborobo dia maty ho azy satria tsy tsara tondraka sy tsy nokolokoloina tsara :D

Ka rahoviana ihany ilay izy vao vanona ? .......Hay moa ilay izy tsy mbola fantatra akory na ho vanona na tsia !

hianao tenanao irery ihany dia efa mahafantatra hoe namafazana voa ve hianao ary vanona ve sa nalazo ary nizara izay voa vanona koa ve hianao sa notahirizina ao am-bata fotsiny?
dia miverina amin'ilay hira nalefan'i bobone indray aho hoeo^o mamafaza voa ka aza mba malaina fa tsy fantatrao izay ho vanona o^o :-*
Andriamanitra dia (l) ka izay (l) azy dia mizara izany (l) izany ny hafa ihany koa.
Mitsangana aza mamafy ny voa dieny mbola malaina fa sao tsy afaka intsony rehefa tonga ny fahazotoana na tsy misy intsony ny fotoana avy eo na mahita zavatra hiodirana dia tsy nahavita namafy ilay voa intsony :roll: Dieny mbola misy ny fotoana araraoty ny andro anaovan-tsoa :-*
23. todisoa2 ( 16/12/2009 12:54)
niryna:

Mety miatrika fahoriana tsy vitan’ny heriko atrehina aho anio, mety koa mandalo sedra mafy mila tsy hozakan’ny aiko, mety aza mita ranom-pijaliana mila hampamoy fo anefa handresy. Mino aho fa handresy satria hotampitra rahariva ny anio, hivadika ho ampitso ihany ny anio, ary dia hivalona izay ho fijaliako, izay ho fahoriako, izay ho alaheloko. Hivalona izany rehetra izany fa ny ampitsoko mamirapiratra sy feno fifaliana tsy hotapitra, tsy hety hivalona. Ny ampitsoko miaraka @ Jesosy dia hahafinaritra, ary hotondraka sy ho henika fahasoavana an-tapitrisany, fifaliana tsy hovoaisa omban’ireo fiderana sy fisaorana ary fifonana an’alitrisa. Mino izany izaho. Asa raha hianao?

Andriamanitra dia manana hevitra iheverana tsara lavitra noho ny zavatra iheverako ny amiko. Manana projet iray na roa izay heveriko fa tena tsara izaho fa ny Tompo kosa manana projets arivo, aman’alina, aman’hetsiny, aman-taptrisany amiko izay tsara lavitra noho ny ahy. Ny tiako tsy nety tanteraka iny tsy mampaninona, ny faniriako tsy tanterka iny tsy mampanahy satria lehibe lavitra noho izany ny zavatra tiany hotanterahana amiko. Misy aza fotoana te-hanao surprise amiko Jesosy mba hahafahako matoky azy tanterka @ lalana izay itondrany ahy. «Calme fotsiny toi», hoy Jesosy amiko. Calme fotsiny hanaovany Azy. Mino izany izaho. Asa raha hianao?

Tia ahy mihoatra noho ny itiavako ny tenako Andriamanitra. TIako loatra ity tenako ity.Andriamanitra izay namorona ahy anefa dia tia lavitra noho izany itiavako ny tenako izany. Ahoana ny fahatanterahan’izany? Izaho matetika dia manambany sy manao tsinotsinona ny tenantsika. Fanambaniana izay tsy midika ho fanetren-tena akory indraindray. Sanatria Aminy anefa ny hanambany sy hanao tsinotsinona ahy satria Izy tia ahy mihoatra noho ny itiavako ny tenako. Misy fotoana izaho manadino ny amiko. Andriamanitra tsy hanadino ny tenako velively satria izy tia ahy lavitra noho ny itiavako ny tenako. Mino izany izaho. Asa raha hianao?

Zaraiko ho anareo ity fa nomen'ilay zandrikeliko ho ahy e

Indraindray isika dia toa mihevitra fa lavitra antsika Atra,misy aza fotoana manontany tena hoe aiza hianao Atra o? Tsia ,tsy lavitra antsika izy fa isika no manalavitra azy indraindray

Eny,mino izany koa aho ,fa asa raha hianao ?
(l) niryna

Manao ny ahy io!!!

:lol:
24. niryna ( 17/12/2009 06:17)

todisoa2:

Manao ny ahy io!!!

:lol:

tanteraka,ilay kenjy anie

:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008