Angels and demons

1. hery ( 26/11/2009 10:29)
Izay vao hitako ilay Angels and Demons an'i Ron Howard fa tena milay. Sady eto Rome daholo ny tantara no mitranga dia araka tsara :-)

Ary tsy arakaraky ny tsikeran'ny olona ilay izy hoe manimba ny Fiangonana Katolika sns. Mampahafantatra ny olona fotsiny hoe misy rafitra tahaka izao ao amin'ny Katolika...

Tsara kokoa ity iray ity noho ilay Da Vinci Code teo aloha.
novalian'i sitlo ny 28/11/2009 02:39
2. sitlo ( 28/11/2009 02:39)
Efa hitako koa ilay izy fa saingy fopla.

Ilay Da Vinci aloha mba azo ihafiana ankoatra ny maha-frantsay azy satria zavatra tsy haiko loatra ny tantara Eoropeanina ao dia mba lasa amborona kely. Fa tafaverina eo ambony seza ihany rehefa alaina camera ilay pne. (fr)

Ny tsy tiako amin'ilay Angels and Demons, raha tsy resaka katolika, dia mampiesona ilay izy. Resaka fizika, ilay antiproton entina mandehandeha iny zavatra tsy mitombina mihitsy fa ny olona fotsiny no tsy mahalala. Amin'ny fizika, tsy afaka isolena ny antiparticule fa vao ny boaty misy an'azy iny fotsiny aza efa feno proton, (ny atome rehetra ao anatiny), nefa ireny vao mifanena dia efa "mipoaka". Sady ny fipoahany arakaraka ny vitesse entiny, raha ao anaty boaty izany ny vitesse-ny azo atao hoe zero ihany, dia raha mipoaka aza zara raha hisy. Tsy mampangidihidy akory hoy ny akamako izay.
Saingy ny olona tsy mahalala dia minomino be hoe mipoaka hatramin'ny helikoptera...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0816