Misy marina ave ny fahagagana?

1. andho ( 23/11/2009 05:52)

Zavatra voizin'ny finoana amin'ny ankapobeny ny mety hisian'ny zavatra tsy azo hazavaina mihitsy na ny fahagagana moa izany. Izaho aloha tsy hoe tsy tena hoe tsy mino fa izaho kosa mbola tsy tena nahita. Marina fa maro ny milaza hoe efa nisehoana fahagagana amin'ny haino aman-jery samihafa saingy iza moa no tena afaka manamarina fa tena marina ireny voalaza ireny? Misy amintsika eto ve tena misy afaka milaza Marina ohatra hoe nangataka tamin' Andriamanitra zavatra iray tena hoe " Impossible" sy tsy azo hazavaina mihitsy nefa dia tena tanteraka tokoa? Na ny ohatra izany ?
novalian'i fijo ny 24/01/2010 00:28
2. dadasy ( 23/11/2009 07:40)
Izy ity moa tsy nitranga tamiko fa temoignage ka de ampitaiko eto, asa na mety hanampy hamaly ny fanontaniana na tsia.
Tany Lourdes, France no nitranga ny "fahagagana" (na zavatra tsy voazava ara-tsiansa). Lehilahy lehibe malemy manodidina ny 35 taona any ho any no nanao fanambarana niaraka t@ dokoterany. Toy izao ny nambarany. Nalemy voan'ny lozam-pifamoivoizana izy tany @ faha 15 taonany tany ho any. Notsaboina izy nefa dia tsy nisy fahasitranana intsony satria tsy nitombo intsony ireo hozatra sy nofo mamelona ny ratsambatany ambany. Naheno fa "ho an'izay mino, dia afaka ny hahita fahasitranana ara-panahy na/sy ara-batana" ireo izay matoky" ka nandeha tany izy (any Lourdes io). Ny dokoterany, izay mahalala tsara ny toe-pahasalamany no niaraka taminy, miampy fianakaviana vitsivitsy. Nony vita ny fivahinianana masina nataony tany, dia nitsangana ralehilahy, mahazaka azy ny tongony, lasa vory nofo sy natanjaka, raha roa andro talohan'izao dia mbola tongotra "malemy maty" na en etat vegetatif" no nananany. Ho azy, sy ho an'izay mino, dia fahagagana izany, ho an'ilay dokoterany, izay nanaraka ny fahasalamany hatry ny ela dia nambarany fa "mbola tsy voazavan'ny siansa ny fitomboan'ny nofo sy ny hozatra haingana dia haingana ao anatin'ny roa andro toy izao," tsy nilaza kosa anefa izy fa fahagagana izany. De anjaran'ny tsirairay ary no mandika ny fahitany ny zava niseho.
3. fidinirina ( 23/11/2009 09:48)

Izao no azoko avaly anao : Voalohany aloha, marina fa misy ny fahagagana. Io no tena valin-teniko fa tiako ny hanohy azy.
Na misy aza ny fahagagana dia tsy voatery ianao no hitrangan'izany satria tsy hoe angatahina @ Andriamanitra akory io dia ataony foana. Misy ny olona mangataka izany ary tena mahita ilay fahagagana tokoa, fa mety ho ampisehoan'Andriamanitra indray mandeha monja koa izany eo @ fiainany, fa tsy isaky ny te-hangataka izy. Amin'ny fahagagana azy dia omen'Andriamanitra an'izay mila azy izany nefa araka ny sitrapony ihany. Ny finoana feno ao anatin'ny olona no mahatanteraka an'izany.

Ary izao koa, mila fantatra tsara ny hoe sao dia sanatria ho entina mirehareha sy ahazoana laza ny fahagagana hohitanao ; fa Andriamanitra efa niteny fa sambatra kokoa ny mino nefa tsy mahita. Raha misy olona nanehoan'Andriamanitra fahagagana teo @ fiainany dia tokony hidera an'Andriamanitra mandrakizay izy ; fa tsy hoe rehefa azo ny nilàna an'Andriamanitra dia ampy izay na miandry ny fahagagana manaraka indray.
4. diamondra27 ( 23/11/2009 12:31)
Tena misy tokoa ny fahagagana

Ny tenin'Atra dia marina ary mbola manankery hatramin'izao ka ho mandrakizay. Ny ilaina dia mila mino azy fotsiny,mankato izay lazainy ao ary mangataka ny fanahy masina mba hanampy anao sy hanazava ny soratra masina sao manao fausses idées ianao amin'izay verset vakianao nefa tsy voadinika tsara.
Betsaka ny promesses voalaza.
Hoy ny voalazan'ny SM hoe: Antsoy aho dia hovaliako ianao ka ampisehoiko zava-mahagaga izay tsy takatry ny sainao.
Mety miandry valimbavaka isika nefa zavatra tsara lavitra noho izany no omen'Atra anao.
Aza manantena fahagagana amin'izao fotsiny ianao nefa tsy hanao ny sitrapo'Atra. Misy ihany ny fahagagana rehefa mandeha eny amin'ny mpanandro sy ny namany saingy vidianao vola izany.
Raiso ka vakio ary ny baibolinao manomboka anio fa ho hitanao fa hisy fahagagana hiseho eo amian'ny fiainanao. Voasoratra ao daholo ny solutions izay mety ilainao amin'ny fiainanao. Mahandrasa fotsiny fa ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy ny Tompo.
5. ikaretsaka ( 23/11/2009 13:40)
Amiko io de miankina betsaka amin'ny finoanao sy ny fandraisanao azy!

fa ny zavatra 1 farak'izay kely aza dia raha tianao dia azo raisina @ lafiny maro samihafa, ka raha tianao hatao hoe fahagagana iny sehon-javatra iny ka na iza na iza hanisika hoe tsy fahagagana iny ao anaty sainao ao dia aminao fahagagana iny..de zay zany..
raha ny mifanohitra @ izay no ao anaty sainao ka na hisy hiteny sy handresy lahatra be aza hoe fahagagana iny.. rehefa ho'zy enao hoe tsary izy iny de tsary izy izany aminao
6. rzakarivola ( 23/11/2009 13:57)
Misy amintsika eto ve tena misy afaka milaza Marina ohatra hoe nangataka tamin' Andriamanitra zavatra iray tena hoe " Impossible" sy tsy azo hazavaina mihitsy nefa dia tena tanteraka tokoa? Na ny ohatra izany ?

==> Izaho.
- Je detestais les pasteurs ... maintenant, ce que je veux devenir c'est un bon pasteur.
- J'ai été hyper amoureux d'une personne, elle de méme, les familles ne se sont pas opposées, mes parents aimaient méme celle-là pour leur brue ... Mais j'ai épousé celle de qui je n'étais point amoureux, et que ma famille ne voulait pas que j'épouse, et elle-méme hésitait trop si elle allait m'épouser (ne serait-ce que pour son honneur).
- Je suis un homme de principes. Et un principe rigide en moi, (qui était tiré de la parole de Jesus dans Mathieu 5) refusait de faire un mariage religieux. Je ne voulais pas non plus faire de mariage civil. Mais j'ai fait ce que je detestais tellement : mariage civil, mariage religieux.
- J'ai detesté aller à l'église, je voulais tellement précher aux pauvres et les aider en méme temps. Maintenant, je vais à l'Eglise. D'ailleurs, celle que j'ai épousée est une pasteur.
- Méme en allant à l'Eglise, je n'ai plus pris la cène, car je ne suis pas convaincu que l'on puisse avoir le pardon de Dieu en pratiquant des rites. Mais je prends la cène.
Y a-t-il un miracle la-dedans ? Mais bien sûr que oui, quelqu'un qui arrive
- à abandonner tous ses principes pour obéir à un autre principe
- à se séparer de la personne qu'il aime la plus au monde , pour épouser une autre,
...
dans le but de sauver des gens, sans y étre contraint mais ayant le choix libre ... ça c'est le plus grand miracle qui puisse arriver à un homme.

Enfin, ce que je te suggère, c'est de vivre le miracle par toi-méme pour constater. Pour celà, je vais te donner un indice : entendre Jesus Christ.
En effet, les divers miracles de ma vie sont survenus depuis que j'ai entendu Jesus Christ me parler. Et je sais qu'Il veut bien se faire entendre par quiconque Le cherche de tout son coeur, comme il a dit : "Voici, je me tiens à la porte et frappe. Si quelqu'un entends ma voix et ouvre la porte, j'entrerai en lui, et dinerai avec lui, et lui avec moi"
7. rzakarivola ( 23/11/2009 14:16)
Zafady fa teny frantsay no nahafahako nanambara ny hevitra teo.

1- Izay nataon' Andriamanitra hatr@ voalohany dia mbola haiNy tanterahina mandraka ankehitriny ary ho mandrakizay.
2- i Jesoa Kristy nanao asa mahagaga, ary nanao izany noho ny sitrapon'ny Ray izay naniraka Azy, na dia fantany aza fa be tamin'ireo olona ireo no mpiatsara ivelatsihy. Fa izay nino Azy ihany no nahita Azy rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy, ary na dia ireo aza, dia sarotsarotra no nahafantarany hoe tena velona tokoa i Jesoa.
3- Izay zavatra hain'olombelona atao dia tsy mila anehoan' Andriamanitra fahagagana. Ohatra, tamin'ny nanangana an'i Lazarosy, ny olona no nasain'i Jesoa nanakodia ny vatom-pasana nialoha ny nananganana ny maty. Olona koa no nasainy namaha ny fatopatotra teny amin'ilay natsangana rehefa nivoaka avy tao am-pasana i Lazarosy.
4- Hoy i Jesoa Kristy : "Izay mino ahy, ny asa ataoko no hataony koa. Ary hanao lehibe lavitra noho izany aza izy.".
Misy ny mpino an'i Jesoa mbola manao ireny asa ireny mandraka ankehitriny (mampahiratra ny jamba, mampiteny ny moana, manangana ny maty, ...) Fa misy koa ireo mpino manao asa lehibe noho izany (fahagagana lehibe noho ireo), dia ny fanasitranana ny jamba ara-panahy, ny fananganana ny maty ara-panahy.
8. ikaretsaka ( 23/11/2009 14:24)
Rzaka: ary inona ary le asa nataon'i jesoa Kristy aloha : ny mi conscientiser ny olona tsy ho "tokam-pijery" (perception unique) momban"Atra aloha voalohany indrindra....
HOe Atra ange tsy izao ihany (araka ny nahitan'ny fariseo sy ny Testamenta taloha azy), fa izao koa e!
9. niryna ( 27/11/2009 18:02)

Misy amintsika eto ve tena misy afaka milaza Marina ohatra hoe nangataka tamin' Andriamanitra zavatra iray tena hoe " Impossible" sy tsy azo hazavaina mihitsy nefa dia tena tanteraka tokoa? Na ny ohatra izany ?

rzakarivola:
==> Izaho.

Izaho koa no faharoa
Zavatra tsy takatrin'ny saiko sy ny fanahiko no nasehony ahy ary nahatonga ahy hijoro vavolombelona eto
Araky ny tenin'ireo namana eo ambony dia tsy atao ho rehareha izany fa hiderana ny voninahiNy andro aman'alina ary ho zaraina ireo izay mbola tsy resy lahatra ny zava-tsoa azo avy aminy
Ny alakamisy teo dia nankalaza fety iray ny amerikana "Thanksgiving no ilazana izany" Mahandro voritsiloza ny olona,miaraka ny fianakaviana rehetra.
Ny alina alohan'iny kosa dia nisy fiangonana mivoha ary nanatrika izany voalohany aho ary dia fo feno fifaliana,ranomasom-pifaliana ombam-pahasoavana no niseho teo,noheveriko fa izaho irery no marivo ranomaso,hay samy nitomany avokoa izay nahenoo ny fijoroana vavolombelona noho ny fahasoavana nomen'Atra anay.Anisany nijoro vavolombelona tamin'izany koa aho. Nisy lisitra maro moa ilay izy ary teo ny mikasika ny olana ara-bola,ny aretina,ny tsy finoana,ny fisalasalana,ny olana mianjady amin'ny fiainana ka ireo izay rehetra nino ary niantso ny anarany dia nijoro vavolombelona avokoa.
Tsy hoe mitady ho sitranina aho dia miandry ilay miracle avy aminy vao mino,fa na dia ny finoana izay ao anatintsika aza dia efa fahagagana lehibe tsy takatry ny saina.
Andramo dia ahita,zahao izy fa ho tonga ao am-ponao tokoa ary aza mitsahatra mandona fa hivoa hidanadana ho anao tokoa ny varavaran'ny lanitra

10. ikaretsaka ( 27/11/2009 18:39)
de ho an'ny "mpijoro vavolombelona" sy ny mpihira "jesosy reharehako" ngamba io no tsara ampiantefana e?

tsy atao ho rehareha izany
:-D :-D mantsy


toa mifandipatra be manko le raha tarognina etoa
11. niryna ( 28/11/2009 03:54)
ikaretsaka:

de ho an'ny "mpijoro vavolombelona" sy ny mpihira "jesosy reharehako" ngamba io no tsara ampiantefana e?

tsy atao ho rehareha izany
:-D :-D mantsy


toa mifandipatra be manko le raha tarognina etoa



:roll: :D :D
12. rzakarivola ( 30/11/2009 11:53)
ikaretsaka:

Rzaka: ary inona ary le asa nataon'i jesoa Kristy aloha : ny mi conscientiser ny olona tsy ho "tokam-pijery" (perception unique) momban"Atra aloha voalohany indrindra....
HOe Atra ange tsy izao ihany (araka ny nahitan'ny fariseo sy ny Testamenta taloha azy), fa izao koa e!

==> Tsy haiko ity lazainao ity! Andriamanitra dia iray, manerana izao rehetra izao ... hors de Lui (l'Eternel) il n'y a point de Dieu. Ka tsy haiko mihitsy izany fa tenin'i Jesoa aiza no ilazanao an'izany?
13. fijo ( 24/01/2010 00:28)
misy tokoa aloha zavatra tsy mbola voazavan'ny siansa e,fa any aoriana any ,mbola ahitan afahazavana ireny fa mino aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0512