Vavaka mangina

1. xxx ( 19/11/2009 16:12)
Mangataka antsika hitondra am-bavaka namana mafana fo iray eto amin'ity lohahevitra ity namoy andry niankinana.
2. rakaroka ( 19/11/2009 17:04)
:cry: :cry:
Dia misôtra Anao ry ilay Nahary nanome anay ity namana iray niara-mifanerasera eto. Misôtra nanome azy zava-tsoa tsy tambo isaina..., sarobidy avokoa ! Indrindra ny andry niankinany ! Mahatsiaro fahabangana angamba izy @ izao ora izao anefa matoky izahay fa tsy hamela azy ho irery Ianao , ary HAMPAHERY azy indrindra indrindra! . Dia misôtra Ray ô. Amena! :idea: (l)
3. ni81 ( 19/11/2009 17:38)
Mangataka antsika hitondra am-bavaka namana mafana fo iray eto amin'ity lohahevitra ity namoy andry niankinana.
Dia mirary fiononana sy fankaherezana feno tanteraka ho azy mba ahay mitraka noho ny famoizany ny andry niankinany. Andriamanitra tompon'ny hery rehetra anie mba hamafa ny ranomaso sy hanasitrana ny fo maratra ^:^
4. xxx ( 20/11/2009 05:47)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-11-2009 17:12:45
Lohateny : Vavaka mangina
Mangataka antsika hitondra am-bavaka namana mafana fo iray eto amin'ity lohahevitra ity namoy andry niankinana.

Mba azavao misimisy kely ny zava-misy sy antony anaovana vavaka ary koa aza miaifina ambadiky ny xxx raha mitady zavatra.
5. xxx ( 20/11/2009 13:35)
x3/ Tsy miafina aho sanatria ary tsy mitady zavatra ho ahy. Nataoko x satria tsy mpiditra loatra eto amin'ity lohahevitra ity aho saingy mahafantatra sy manaja ireo mpandray anjara eto. Tsy important ny fahafantarana ny pseudo-ko.
Nisy namana namoy ny papany. Tsy afaka hanonona ny anarany ny tenako satria tsy niera. Tsy manakana fitondrana azy am-bavaka araky ny efa natombok'ireo namana roa etsy ambony anefa izany.
6. xxx ( 20/11/2009 18:12)
Misaotra nanazava fa tsy nazava mihintsy ny antony tery ambony.
7. AndriambyII ( 20/11/2009 19:15)
Mamangy amin' ny fahoriana ny namana namoy ny olona akaiky , manatitra fankaherezana ho azy amin' izany fahoriana mianjady aminy izany amin' ny alalan' ny serasera .
8. tywa68 ( 20/11/2009 20:42)
Mirary fiononana feno ho anao zay malahelo mafy @zao fotoana zao :cry:
9. soanja ( 20/11/2009 23:15)
Mampalahelo tokoa izany kamboty izany. Aza misosoka alahelo ary mahareza hatrany amin'ny fiainana. Fandalovana no eto fa mbola hihaona ihany indray andro any. Mitondra ambavaka anao amin'izany fahoriana izany mba hanam-piononana ianao ary hiatrika indray ny fiainana ao anaty fanahy matanjaka sy mahery amin'Andriamanitra.

10. niryna ( 22/11/2009 21:02)
rakaroka:

:cry: :cry:
Dia misôtra Anao ry ilay Nahary nanome anay ity namana iray niara-mifanerasera eto. Misôtra nanome azy zava-tsoa tsy tambo isaina..., sarobidy avokoa ! Indrindra ny andry niankinany ! Mahatsiaro fahabangana angamba izy @ izao ora izao anefa matoky izahay fa tsy hamela azy ho irery Ianao , ary HAMPAHERY azy indrindra indrindra! . Dia misôtra Ray ô. Amena! :idea: (l)



=D> ^:^
Misaotra rakorako nisolotena anay rehetra eto an
Mirary fiononana ho an'ny namana sy ny fianakaviana koa izahay
11. niryna ( 22/11/2009 21:07)

Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-11-2009 17:12:45
Lohateny : Vavaka mangina
Mangataka antsika hitondra am-bavaka namana mafana fo iray eto amin'ity lohahevitra ity namoy andry niankinana.
xxx:

Mba azavao misimisy kely ny zava-misy sy antony anaovana vavaka ary koa aza miaifina ambadiky ny xxx raha mitady zavatra.

io efa voalaza io ambony io kosa ny antony e,sady izao koa rehefa misy olona mangataka hoe mba hivavahana dia anjarantsika no mivavaka azy ary mametraka izany ho eo ampelantanan'Atra .Eny fa na dia tsy mbola mangataka aza isika dia efa fantany,ny olona mangataka ilay vavaka no ilaina hanana finoana fa mamaly vavaka izy,indraindray tsy ho voatery ho tenenina ny detail fa rehefa mangataka vavaka dia mivavaka aminy amin'ny anaran'ilay kristy dia izay ok


12. rzakarivola ( 23/11/2009 12:04)
Jesoa Kristy nanao hoe : \"Fa raha mivavaka ianareo dia ataovy hoe :
Rainay izay any an-danitra
Hohamasinina anie ny anaranao
Ho tonga anie ny fanjakanao
Hatao anie ny sitraponao, ety an-tany, tahaka ny any an-danitra
Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay
Ary mamela ny helokay, fa izahay koa mba mamela izay meloka taminay
Ary aza mitondra anay amin\'ny fakam-panahy
Fa manafaha anay amin\'ny ratsy
Fa anao ny fanjakàna sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay
Amen\".
13. Veloo ( 23/11/2009 15:24)
Dia mamangy @ fahoriana, mafy izany lozan'ny ray izany tsapako tsara, fa izao no mba fampaherezana @ tsika- Kristiana, isika dia manana fanantenana fa mbola hiahona indray andro any @ ireo hava-malala antsika ireo ary tsy ho ela intsony satria hita maso fa tena efa akaiky Jesosy, ka mahereza an :-* :-* :-* :-*
14. rzakarivola ( 24/11/2009 13:43)
Izaho kosa mino fa mbola hifankahita daholo na ny kristiana na ny tsy kristiana. cf. Luc 16
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1952