Ny fahafatesana no tambin'ny Ota
21. cutie
(
19/11/2009 14:06)
19. Mpandefa : rzakarivola [ Valio ] 19-11-2009 14:54:52
Lohateny : Re : Ny fahafatesana no tambin'ny Ota
cutie >>> NY dikan'iny dia hoe tandremo voafitaka, raha mbola ao anaty mémoire-nao ny fahotanao dia satria mbola ao izy izany, fa tsy mbola afaka izany.
Eritrereto fa raha ny lamba no sasana dia avy eo maloto d sasana dia avy eo maloto (ohatra), dia rovitra ny hiafarany dia tsy misy horaisina intsony.
Tsy solution éternelle ny hoe manota dia diovina, manota dia avy eo diovina, ... à la fin, mety tsy hino fanadiovana intsony ny olona.
in fotsiny aza ny antony ivavahanao raha tsy mino enao fa ho voavela ny helokao :roll: :roll: :roll:
Tsy misy fitenanana mitsy ny dikan'ny lazaiko ery ambony we tsy mpanota tsony ny oul. Samy manana fahotana daholo na za na i rz fa lay finoanao ihany no afaka hanadio anao, fa tsy eo de hanjoretra eo foana satria we mpanota de we tsy afaka hihoatra mitsy @ le fiainana fa hiandry an'zany fara andro zany :roll: :roll:
23. niryna
(
22/11/2009 22:15)
rzakarivola:
Hazavain'ireo izay mahay ?
"Tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay tian'ny Zanaka hanambarana Azy".
Izay noraisiko tamin'i Jesoa no hozaraiko aminao :
Avy aiza ny fahafatesana ?
"Ny Devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga. Izy dia mpamono olona hatramin'ny voalohany".
---> Rehefa nihinana ny lainga nafahan'ny Devoly azy ny olona dia tanteraka ny tenin' Andriamanitra hoe : "Fa amin'ny andro izay hihinananao izany, dia ho faty tokoa ianao". Izay no fahafatesana voalohany.
Fa inona io fahafatesana io ?
Fanoharana 1 : Différence de potentiels . Ny fizisiana dia nahita fa tsy ny potentiel (herin'aratra) akory no mahafaty ny olona lanin'ny courant, fa ny "DDP" na différence de potentiels, izany hoe ny habetsak'ilay elanelana misy eo @ potentiels anakiroa. Izany no mahatonga ny hoe, raha manao baoty isolante tsara ny olona anakiray dia kely ny différence de potentiels aminy sy ilay courant, ka tsy dia main'ny courant izy.
Koa ny (fahafatesana) nahazo an'i Adama sy Eva dia azo hoarina amin'ny différence de potentiels, ny potentiel ny fahamasinan' Andriamanitra dia nahery be mihoatra amin'ny azy ireo.
Fanoharana 2 : tenue correcte. Iza no olona miboridana na rovitra sy maloto fitafiana ka vory saina (conscient) ho tafapetraka ao amin'ny fanasana anakiray izay itoeran'ny olona marobe manao "tenues correctes" fa tsy ho fatin'ny henatra ka hitsoaka tsy hanatrika eo intsony? Tsy dia ny fanaovan'ireo olona hafa akanjo mendrika akory no mahafaty, fa ilay "différence" eo @ ilay tsy mitafy tsara tahaka azy ireo no miteraka henatra mafy. Izany no nahazo an'i Adama sy Eva, rehefa avy nihinana ilay voankazo voarara dia conscient hoe niboridana.
Fanazavana ny fanoharana : Ambara mazava ao amin'ny Baiboly fa ny fahafatesana dia fisarahana amin' Andriamanitra. Ny tantara dia manambara fa rehefa nahita ny tenany fa miboridana izy roa, dia nanao izay hanakonana ny tenany tsy hahitan'ny hafa izany (ravin'aviavy), kanefa ... toy ny fahamainan'ny ravin-kazo rehefa isehoan'ny masoandro, no tsy nahajanonan'izy roa teo anatrehan' Andriamanitra rehefa niseho Izy, izay masoandron'ny fahamarinana. Izay fisitrihany (tao anaty aizina fa tsy niseho mazava) izay no ilay fahafatesana, satria raha ao amin' Andriamanitra ny loharanon'ny fiainana rehetra, izy ireo tsy afa-nanatona.
IZAY NO FAHAFATESANA VOALOHANY, ary izay taranak'izy roa dia nitoetra tafasaraka sy nihananalavitra an' Andriamanitra aza. Zavatra hitantsika amin'izao fotoana izao izany fisarahana amin' Andriamanitra izany, miha mandà ny hevitra sy herin' Andriamanitra ny olombelona fa miezaka miasa mafy hamelona ny tenany. Toa fampianarana tsara sy hendry ery amin'ny olona izany hoe : mahaleo tena, tsy miankin-doha.
Ny fahafatesan'ny nofo dia tandindon'ny fahafatesan'ny fanahy efa mahazo ny taranak'i Adama sy Eva, dia fisarahana amin'ny velona, izany no ilazany hoe "tsy misy ifandraisan'ny maty amin'ny velona"
Ary ny fahafatesana faharoa ?
Rehefa maty (tafasaraka tamin' Andriamanitra) ny olona, dia nanomanan' Andriamanitra fomba hampiraisana azy ireo amin' Andriamanitra indray (hananganana azy ireo amin'ny maty). Koa na iza na iza tsy tafatsangana amin'io moyen nataon' Andriamanitra io, dia doublement mort ... izay no fahafatesana faharoa.
Ahoana ilay fomba ananganan' Andriamanitra ny maty ?
---> Amin'ny alalan'i Jesoa. Ity no teniNy :
"Izay mino ahy na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay velona ka mino ahy, dia tsy ho faty mandrakizay".
Fanoharana 1 : Cage de Faraday.La Cage de Faraday est une enceinte conductrice qui est reliée à la terre de façon à maintenir son potentiel fixe.
Izany hoe, izay rehetra mipetraka ao anatin'io cage io, dia tsy maty na dia miakatra hatramina milliers de volte aza ny courant aminy, satria mitovy tanteraka amin'ny potentieln'ilay cage ny an'ny tenany (izany hoe 0 ny différence de potentiels).
Ary ny tenan'i Jesoa Kristy no Cage de Faraday namboarin' Andriamanitra hitoeran'izay mino Azy, ka ho an'izay rehetra ao anatin'io tenani' Jesoa Kristy io, na dia mifanehitra amin'ny fahamasinan' Andriamanitra izay ambony potentiel aza, dia mandray koa izay hery izay ary tonga mitovy herim-pahamasinana aminy. "Izay rehetra nandray Azy dia nomeNy hery ho tonga Zanak' Andriamanitra"
Fanoharana 2 : Tenu correcte. Tahaka ny teo aloha, fanomezana tenue correcte an'ireo izay tsy manana, mba tsy hitsanga-menatra izy ireo eo anatrehan'ireo rehetra. "Sambatra izay mitandrina ny fitafiany, mba tsy hiseho ny fahamenarany"
Fanazavana ny fanoharana. Ny fahotan'ny olona dia tahaka ny loto mipetraka eo @ fanahin (mémoire)'ny olona :
- maha-menatra azy izany rehefa eo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka masina, mahatonga azy "tsy hahajoro eo anatrehan'ny fitsaran' Andriamanitra, fa handositra any amin'ny maizina."
- mampanenina ho an'izay nahafantatra ny tokony nataony kanefa tsy nanao, na nahafantatra izay nandraràna azy nefa mbola nanao ihany. Izany nenina izany dia tahaka ny afo mandoro mandany ny fanahin'ny olona, kanefa izy tenany hahatsapa ny tenany foana, hitady izany non-existence kanefa tsy hahita. Tahaka ny kankana mikiky sy mamotika azy.
Izay no antsoin'ny BAiboly hoe afobe.
Izay no hoe : "ny fahotanareo no efitra mampisaraka anareo amin' Andriamanitrareo", izany hoe "ny fahotanareo no mahafaty anareo". Ka ny ameloman' Andriamanitra ny olona dia ny fanafoanana tanteraka @ mémoire (fanahy) izay fahotana izay, purification hoy ny fiteny sasany ... fananganana amin'ny maty no anambaran'ny Baiboly azy. Ary izay io tenin'i Jesoa io, ny finoana Azy no moyen hananganana ireo maty rehetra, ary izay rehetra velona (izany hoe izay natsangana) dia tsy ho faty intsony mandrakizay (tsy hanota intsony).
Io finoana an'i Jesoa io no tahaka ny :
- varavaran'ilay Cage de Faraday. Izay mino an'i Jesoa dia tahaka ny miditra ao @ ilay cage, amin'ny alalan'ilay varavarana.
- fanekena ny fampanantenan' Andriamanitra hanome ny tenue correcte ho ao an-danitra. Izay mino an'i Jesoa dia tahaka ny miverina mamonjy ny lanonana avec assurance fa hiakanjo tsara ka tsy ho menatra.
Betsaka ny fanoharana azo anambarana azy, nefa hitako fa be koa ny zavatra mampite hametraka fanontaniana, kanefa tsy izaho no Mpampianatra, fa Mpianatra mampita izay noraisiko tamin'ny Mpampianatra ihany aho, fa Jesoa Kristy ihany no Mpampianatra avy amin' Andriamanitra. Azoko asiana tombokase kosa ny fahamarinan'i Jesoa Kristy sy ny teniNy.
misaotra rzaka fa mazava be ilay izay a
24. niryna
(
22/11/2009 22:42)
xxx:
cutie >>> Toa diso ihany aho ka , ity izao no version teny anglisy
"For the reward of sin is death; but what God freely gives is eternal life in Jesus Christ our Lord"
na koa @ teny frantsay
Car le salaire du péché, c'est la mort; mais le don gratuit de Dieu, c'est la vie éternelle en Jésus Christ notre Seigneur.
fa surtout tsy tokony sarahina ilay tapany anankiroa, il faut absolument lire la suite
Ho faty daholo isika satria manota, kanefa omen'Aa fiainana mandrakizay @ JC
Mitovy hevitra aminao koa aho raha ny tenin'Atra no raisiko:
Rom 3:23 Fa samy efa nanota isika rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Atra.
For we all have sinned and fall short of glory of God
Rom 6:23 Fa ny fahafatesana no tambin'ny ota ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'i Atra avy ao amin'i kristy Jesosy Tompontsika.
For the wages of sin is death but the gift of God is eternal life in Christ Jesus our Lord
Tsy misy marina na iray aza izany fa samy mpanota avokoa ary tsy manana voninahitra avy amin'Atra,noho ny ota dia ho faty isika ,ara panahy fa tsy ara-batana saingy kosa noho ny fitiavan'Atra dia nomeny antsika i kristy ka izay rehetra mino azy dia tsy ho faty intsony fa ho dioviny izany ota izany ary dia ahazo fiainana mandrakizay amin'izay,tsy atahotra hoe tsy ho voavonjy ny fanahiko satria izay rehetra mino azy dia hiaraka aminy koa ary hanana fiainana mandrakizay aorian'ilay fahafatesana izay andalovantsika rahatrizay,ny vatana no maty fa ny fanahy kosa dia miandry azy.Io ilay tapitra ny androny, maty ilay olona,ny manana an'i kristy anefa dia malahelo ny isaraka kanefa kosa tsy matahotra ny ho faty satria manana fanantenana aorian'ilay fahafatesana fa hihaona an'ilay kristy izay toriana lava eto
Ny fahotantsika :arrow: manasaraka antsika amin'Atra :arrow: maty ara-panahy
Ny fahasoavan'Atra kosa dia nomena antsika maimaimpoana ka izay rehetra mino Azy ( kristy ) dia omen'Atra fiainana mandrakizay
25. rzakarivola
(
25/11/2009 11:48)
cutie:
in fotsiny aza ny antony ivavahanao raha tsy mino enao fa ho voavela ny helokao :roll: :roll: :roll:
==> En théorie, mino aho fa \"Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy ahy, voavela ny heloko ary azoko ny famonjena\" ... Fa en pratique tsy mora tahaka ny fitenenana azy izany rehefa tena injay tokoa miseho ny fahotana.
Firifiry ny olona tsy mandray satria niady t@ vadiny ohatra ?
Tadidiko ilay anakiray izay, ny Alahady maraina izy lasa saina be hoe : \"kay ve androany fandraisana e!\", izy hono mantsy tsy niomana ka dia naleony tonga dia tsy niangona rahateo.
Izay ilay hoe, aoka tsy ho voafitaka fa rehefa tena tonga tokoa ny tokoa dia hiseho ny marina rehetra, ka izay tsy niomana dia hitsena henatra sy nenina mafy dia mafy.
cutie:
Tsy misy fitenanana mitsy ny dikan\'ny lazaiko ery ambony we tsy mpanota tsony ny oul. Samy manana fahotana daholo na za na i rz fa lay finoanao ihany no afaka hanadio anao, fa tsy eo de hanjoretra eo foana satria we mpanota de
==> izao no nolazainao teo
ie de efa nafahany ny otantsika teo @ hazofijaliana.
Tsy mpanota intsony ve ny olona mino an\'i Kristy ?
----> Aninkeho aho nanjaitra bodofotsy, dia tadidiko ity fanoharana nolazaiko tamin\'olona ity : Samy hafa ny olona mahay manjaitra sy ny mpanjaitra. Ny mahay manjaitra dia afaka manjaitra @ fotoana rehetra, ny mpanjaitra kosa dia io mihitsy ny fiainany sy fivelomany. Tahaka izany ny mpanota, fahotana mihitsy no fiainany sy fivelomany, fa izay nandray an\'i Jesoa Kristy kosa, na dia manana ota sy mety hanota ihany aza tsindraindray, dia tsy izany mihitsy ny fiainany sy fivelomany, fa \"maty noho ny ota izy, fa velona kosa noho ny Zanak\' Andriamanitra sy ho amin\'ny finoana an\'i Jesoa Kristy\"
cutie:
... we tsy afaka hihoatra mitsy @ le fiainana fa hiandry an\'zany fara andro zany :roll: :roll:
==> Hihoatra ... mila mamantatra ny fetran\'ny azo hihoarana. Fa na hihoatra ho aiza ny olona na ho aiza, misy zavatra iray tsy maintsy handalovana : ny fitsaràn\' Andriamanitra. Ary Andriamanitra dia mpitsara marina, ka tsy mba tahaka ny olona hoe lazaina fa \"masina\" ny lainga sasany, fa rehefa lainga amiNy dia lainga. Ary samy hojerena daholo ny teny navoakan\'ny tsirairay na marina na lainga.
26. cutie
(
25/11/2009 15:08)
i rz nge diso mamaky baiboly loatra de lasa tsy ao tsony le tena tiana holazaina fa de efa we tsy maintsy maka tsimpona foana refa mamaly. Tsy misy maharatsy an'zay alou satria ny finoanareo tsy maintsy we mi base @ baiboly ka ataoko ahona moa.
Ny ahy ndray efa voalazako ery ambony ny dikan'io fahafatesana tambin'ny ota io @ fahazahoako azy, samy manana ny fandraisany azy io fa tsy voatery ho samy marina daholo koa akory ny fandraisan'ny sasany azy. Za tsy mahay manao blablabla lava be fa kamo be koa za handeha hanazava azy @ rz fa efa haiko we there is no point in going there :-D

27. rzakarivola
(
30/11/2009 12:44)
Eny tokoa! samy manana ny heviny, ary Andriamanitra tsy nanakombona ny vavan'ny mpandainga hatramin'ny voalohany. Fa ny an' Andriamanitra ihany no marina!
28. rakapy
(
30/11/2009 13:18)
Ny fahafatesana no tambin'ny Ota
Hoy ny baiboly : Ary ny fahafatesana no tambin'ny ota,
Dia nanota aby izany ny biby sy ny zava-maniry, eny fa na i jesosy azy dia maty teo amin'ny hazo fijaliana koa?
29. wrath
(
10/12/2009 19:45)
« Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; » (Romana 5:12)
maty ny biby sady simba ny zaba-boary rehetra satria nyditra ny ota ary ny ota napiditra ny fahafatesana.
ny ota niapita t@ olona avy any @ adama nefa ny ota nolovaina io tsy mahafaty fa ny mahafaty dia "satria samy efa nanota izy rehetra" (nanota koa ny olona rehetra, fa tsy adama, iany dia maty dooly)
Jesosy tsy nanota fa maty teo @ toeran'ny mpanota

30. niryna
(
16/12/2009 10:55)
rzakarivola:
Hazavain'ireo izay mahay ?
"Tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay tian'ny Zanaka hanambarana Azy".
Izay noraisiko tamin'i Jesoa no hozaraiko aminao :
Avy aiza ny fahafatesana ?
"Ny Devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga. Izy dia mpamono olona hatramin'ny voalohany".
---> Rehefa nihinana ny lainga nafahan'ny Devoly azy ny olona dia tanteraka ny tenin' Andriamanitra hoe : "Fa amin'ny andro izay hihinananao izany, dia ho faty tokoa ianao". Izay no fahafatesana voalohany.
Fa inona io fahafatesana io ?
Fanoharana 1 : Différence de potentiels . Ny fizisiana dia nahita fa tsy ny potentiel (herin'aratra) akory no mahafaty ny olona lanin'ny courant, fa ny "DDP" na différence de potentiels, izany hoe ny habetsak'ilay elanelana misy eo @ potentiels anakiroa. Izany no mahatonga ny hoe, raha manao baoty isolante tsara ny olona anakiray dia kely ny différence de potentiels aminy sy ilay courant, ka tsy dia main'ny courant izy.
Koa ny (fahafatesana) nahazo an'i Adama sy Eva dia azo hoarina amin'ny différence de potentiels, ny potentiel ny fahamasinan' Andriamanitra dia nahery be mihoatra amin'ny azy ireo.
Fanoharana 2 : tenue correcte. Iza no olona miboridana na rovitra sy maloto fitafiana ka vory saina (conscient) ho tafapetraka ao amin'ny fanasana anakiray izay itoeran'ny olona marobe manao "tenues correctes" fa tsy ho fatin'ny henatra ka hitsoaka tsy hanatrika eo intsony? Tsy dia ny fanaovan'ireo olona hafa akanjo mendrika akory no mahafaty, fa ilay "différence" eo @ ilay tsy mitafy tsara tahaka azy ireo no miteraka henatra mafy. Izany no nahazo an'i Adama sy Eva, rehefa avy nihinana ilay voankazo voarara dia conscient hoe niboridana.
Fanazavana ny fanoharana : Ambara mazava ao amin'ny Baiboly fa ny fahafatesana dia fisarahana amin' Andriamanitra. Ny tantara dia manambara fa rehefa nahita ny tenany fa miboridana izy roa, dia nanao izay hanakonana ny tenany tsy hahitan'ny hafa izany (ravin'aviavy), kanefa ... toy ny fahamainan'ny ravin-kazo rehefa isehoan'ny masoandro, no tsy nahajanonan'izy roa teo anatrehan' Andriamanitra rehefa niseho Izy, izay masoandron'ny fahamarinana. Izay fisitrihany (tao anaty aizina fa tsy niseho mazava) izay no ilay fahafatesana, satria raha ao amin' Andriamanitra ny loharanon'ny fiainana rehetra, izy ireo tsy afa-nanatona.
IZAY NO FAHAFATESANA VOALOHANY, ary izay taranak'izy roa dia nitoetra tafasaraka sy nihananalavitra an' Andriamanitra aza. Zavatra hitantsika amin'izao fotoana izao izany fisarahana amin' Andriamanitra izany, miha mandà ny hevitra sy herin' Andriamanitra ny olombelona fa miezaka miasa mafy hamelona ny tenany. Toa fampianarana tsara sy hendry ery amin'ny olona izany hoe : mahaleo tena, tsy miankin-doha.
Ny fahafatesan'ny nofo dia tandindon'ny fahafatesan'ny fanahy efa mahazo ny taranak'i Adama sy Eva, dia fisarahana amin'ny velona, izany no ilazany hoe "tsy misy ifandraisan'ny maty amin'ny velona"
Ary ny fahafatesana faharoa ?
Rehefa maty (tafasaraka tamin' Andriamanitra) ny olona, dia nanomanan' Andriamanitra fomba hampiraisana azy ireo amin' Andriamanitra indray (hananganana azy ireo amin'ny maty). Koa na iza na iza tsy tafatsangana amin'io moyen nataon' Andriamanitra io, dia doublement mort ... izay no fahafatesana faharoa.
Ahoana ilay fomba ananganan' Andriamanitra ny maty ?
---> Amin'ny alalan'i Jesoa. Ity no teniNy :
"Izay mino ahy na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay velona ka mino ahy, dia tsy ho faty mandrakizay".
Fanoharana 1 : Cage de Faraday.La Cage de Faraday est une enceinte conductrice qui est reliée à la terre de façon à maintenir son potentiel fixe.
Izany hoe, izay rehetra mipetraka ao anatin'io cage io, dia tsy maty na dia miakatra hatramina milliers de volte aza ny courant aminy, satria mitovy tanteraka amin'ny potentieln'ilay cage ny an'ny tenany (izany hoe 0 ny différence de potentiels).
Ary ny tenan'i Jesoa Kristy no Cage de Faraday namboarin' Andriamanitra hitoeran'izay mino Azy, ka ho an'izay rehetra ao anatin'io tenani' Jesoa Kristy io, na dia mifanehitra amin'ny fahamasinan' Andriamanitra izay ambony potentiel aza, dia mandray koa izay hery izay ary tonga mitovy herim-pahamasinana aminy. "Izay rehetra nandray Azy dia nomeNy hery ho tonga Zanak' Andriamanitra"
Fanoharana 2 : Tenu correcte. Tahaka ny teo aloha, fanomezana tenue correcte an'ireo izay tsy manana, mba tsy hitsanga-menatra izy ireo eo anatrehan'ireo rehetra. "Sambatra izay mitandrina ny fitafiany, mba tsy hiseho ny fahamenarany"
Fanazavana ny fanoharana. Ny fahotan'ny olona dia tahaka ny loto mipetraka eo @ fanahin (mémoire)'ny olona :
- maha-menatra azy izany rehefa eo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka masina, mahatonga azy "tsy hahajoro eo anatrehan'ny fitsaran' Andriamanitra, fa handositra any amin'ny maizina."
- mampanenina ho an'izay nahafantatra ny tokony nataony kanefa tsy nanao, na nahafantatra izay nandraràna azy nefa mbola nanao ihany. Izany nenina izany dia tahaka ny afo mandoro mandany ny fanahin'ny olona, kanefa izy tenany hahatsapa ny tenany foana, hitady izany non-existence kanefa tsy hahita. Tahaka ny kankana mikiky sy mamotika azy.
Izay no antsoin'ny BAiboly hoe afobe.
Izay no hoe : "ny fahotanareo no efitra mampisaraka anareo amin' Andriamanitrareo", izany hoe "ny fahotanareo no mahafaty anareo". Ka ny ameloman' Andriamanitra ny olona dia ny fanafoanana tanteraka @ mémoire (fanahy) izay fahotana izay, purification hoy ny fiteny sasany ... fananganana amin'ny maty no anambaran'ny Baiboly azy. Ary izay io tenin'i Jesoa io, ny finoana Azy no moyen hananganana ireo maty rehetra, ary izay rehetra velona (izany hoe izay natsangana) dia tsy ho faty intsony mandrakizay (tsy hanota intsony).
Io finoana an'i Jesoa io no tahaka ny :
- varavaran'ilay Cage de Faraday. Izay mino an'i Jesoa dia tahaka ny miditra ao @ ilay cage, amin'ny alalan'ilay varavarana.
- fanekena ny fampanantenan' Andriamanitra hanome ny tenue correcte ho ao an-danitra. Izay mino an'i Jesoa dia tahaka ny miverina mamonjy ny lanonana avec assurance fa hiakanjo tsara ka tsy ho menatra.
Betsaka ny fanoharana azo anambarana azy, nefa hitako fa be koa ny zavatra mampite hametraka fanontaniana, kanefa tsy izaho no Mpampianatra, fa Mpianatra mampita izay noraisiko tamin'ny Mpampianatra ihany aho, fa Jesoa Kristy ihany no Mpampianatra avy amin' Andriamanitra. Azoko asiana tombokase kosa ny fahamarinan'i Jesoa Kristy sy ny teniNy.
misaotra rzaka fa mazava be a :D