Inona ny marina tena marina e ??

1. rabaradaka ( 30/10/2009 06:15)
Mampanontany tena mihitsy sy mampiteny irery mihitsy ity politika ity : nilaza mazava tsara i dadatoa Ablassé Ouedraogo dy dadatoa Tiébilé Dramé fa nanaiky ny zavatra rehetra notapahina tamin'ny 6 oktobra tao amin'ny Carlton ny mouvance Ravalo. Tampoka teo anefa dia notsipahin-dRavalo tanteraka izay voalaza tamin'io fotoana io. Mbola nanamafy ihany iretsy gena hoe tsy miova intsony ny tapaka tamin'ny 6 oktobra fa niarahan'ny rehetra nanapaka. Dia i Fetison sy Yves Aimé ve no mandainga sa nanaiky ihany izy ireo a nivadihan'ny Dada kosa taty aoriana ? Raha ny vaovao henoko tao amin'ny Carlton mantsy dia hoe nanaiky IHANY izy ireo fa nisy reserve dia ilay hoe tsy afaka milatsaka ho fidiana i Andry TGV. Sa inona no marina e ?
novalian'i fijo ny 30/10/2009 20:41
2. kidoropamba ( 30/10/2009 08:47)
Teny zato, kabary arivo, ny marina dia iray ihany: "Nanaiky ny zavatra tinapaka tao @ carlton t@ 6 octobre Ra8". Fa kosa, mipetraka taminy ilay fanontaniana hoe: "Ahoana no ahafahan'ny dadaniste hanelina izany fanapahankevitra izany satria tena fanatika be ireto dadaniste ireto"?

Vaha olana hitandra8 dia izao: Hampiadiana "tonton" sy "Fetison" (sarin'ady io); "Miseho vatana Ra8 milaza fa tsy manaiky velively an'io izy". Vokany: Raha mivoaka ny avy ao Addis Abeba dia any @ Fetison ny TSINY, ary Ravalo dia mbola madio eo anoloan'ny dadaniste fanatika be ireo. Miandry ny ora mirava Ra8 avy eo satria raha hitan'ny dadaniste fa tena "nofitahin'ny Fetison sy Tonton Ra8" dia ho rava maina ny eny @ Magro satria ahazo "reconnaissance TGV" ary tsy hisy Gic na communauté internationale hi-condamné an'ity TGV sy FAT ity intsony ka rava ny tsena rehefa avy eo.

Nareo ange mora fitafitahin'ny le8 fotsiny eo e. Efa be ihany izay fanazavana nomena anareo teto izay fa tena mahagaga ahy hoe nahoana no mbola tsentsina foana ny ati-dohanareo. Ilay 7 taona fanadontoana anataondra8 ve?

tssssssssss....Mifohaza amin'izay fa hangalarin'ny olona eo ny vadinareo.
3. xxx ( 30/10/2009 10:46)
ILAY fetison ange olona tsy azo antoka é! asa inona ihany ny tsy hanesorandRA8 io olona io,betsaka no tsy mahazo antoka azy asa maninona tsy soloana any io ranagahy io???
4. fijo ( 30/10/2009 20:41)
aza mihenjana fijery toa io e,dinika ny atao ,ka araka izany maha dinika azy izany,mila jerena hoe aiza no ahiatana hirika tsara kokoa,fa tsy hiziriziry be na,dia efa hanary aza,toa io ataon'i monja io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.497