araho maso

1. itaramasoandro ( 19/10/2009 17:14)
... ka tondroy ireo mamdripaka ny harenan\'ny tanindrazana, ireo mpanararaotra itony krizy eto @ nosy ka manondrana tsy henatra tsy tahotra ny hazo sy zava maniry sarobidintsika, ho any ivelany mba hamenoiny ny paosiny.

ampio ny antso avo maneran-tany ataon\'ny mpiaro ny tontolo iainan\'ny gasikara fa ndrao very sy faona mandrakizay ity nosy mamy sy maitso.

harena mipetraka, fototry ny aina ny ala, hazo, zava-maniry ary biby miaina eo anivony, fototry ny fizahan-tany ihany koa, fototry ny reharehan\'ny mponina, fototry ny fidirambola, ny harena.

arovy ny nosintsika fa be ireo mpanararaotra sy tia kely.

itaramasoandro Cool






8) 8) 8) 8)
novalian'i IMR ny 17/02/2010 21:01
2. itaramasoandro ( 10/01/2010 14:01)
tsy nisy nanohy ity hevitra momban'ny fandripahana ny alan'ny nosy ity ny namana teto @ serasera. sady mahatezitra no mampalaelo ny tsy fisian'ny hevitra mitohy momba io ary indrindra manoloana ny zava miseo anivon'ny atao hoe harenan'ny madagasikara iombonan'ny izao tontolo izao @-ntsika, satria tafiditra ho reharehan'ny fikambanam-be ny unesco ny alan'ny marojejy.

moa va re tsy misy mandraharaha mihitsy ny ho avy ny tontolo iainantsika ny namana etoana? @ fomba ahoana ny hanoizana ny fiainana eto @ nosy raha ripaka tsirairay ny ala fototry ny fiainana????

meteza re mamaky ity rohy manaraka ity ary miangavy anareo hieritreritra kely momba io ka amparitaka ny vaovao, izay indrisy tsy vaovao intsony, fa andohalika ny ranombary.

http://www.youtube.com/watch?v=rHYYhhLHeQw

8)
3. IMR ( 17/02/2010 21:01)
itaramasoandro:

... ka tondroy ireo mamdripaka ny harenan'ny tanindrazana, ireo mpanararaotra itony krizy eto @ nosy ka manondrana tsy henatra tsy tahotra ny hazo sy zava maniry sarobidintsika, ho any ivelany mba hamenoiny ny paosiny.

ampio ny antso avo maneran-tany ataon'ny mpiaro ny tontolo iainan'ny gasikara fa ndrao very sy faona mandrakizay ity nosy mamy sy maitso.

harena mipetraka, fototry ny aina ny ala, hazo, zava-maniry ary biby miaina eo anivony, fototry ny fizahan-tany ihany koa, fototry ny reharehan'ny mponina, fototry ny fidirambola, ny harena.

arovy ny nosintsika fa be ireo mpanararaotra sy tia kely.

itaramasoandro Cool

8) 8) 8) 8)


izaho manokana aloha dia mahatsapa efa hatry ny ela be fa tia kely ny malagasy indrindra fa taorian'ny 1982 ireny!! asa re fa aleo ny tantara no hitsara; isika rehetra no ho tsaraina ary ny taranatsika no mpitsara, dia hohita eo izay lazainy !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3967