Ny finoana an'Atra = fitaovana fa tsy tanjona!

1. badboy ( 17/10/2009 23:37)
Ny finoana an'Atra = fitaovana fa tsy tanjona! :^) :^) :^)
novalian'i xxx ny 23/10/2009 13:22
2. rijadolly ( 18/10/2009 03:58)
badboy:

Ny finoana an'Atra = fitaovana fa tsy tanjona! :^) :^) :^)
Slt badboy a! izay vao tena mafana ny ady hevitra fa tonga se :D

Ny hevitro voalohany amin'io hevitry se io dia marina tokoa ho an'izay manao fitaovana fotsiny ny anaran'Andriamanitra
-ahazoan-javatra,
-anakonana ny ratsy atao
-hizahozahoana
...

Ny tsy finoana an'Andriamanitra indray kosa anefa dia entiko
-hizahozahoana ihany koa
-izaho ny mahery
-izaho tena manantsaina
-izaho ihany no marina fa ny anareo tsy...; noho ny hevitro voaporofiko fa marina
-mba afaka aho na diso aza satria izaho aza tsy mino ko
-mandeha hoazy ny fiainana satria tsy misy bedy.milay e!
-izay tiako ihany io
-le finoanareo ohatra ny gandra,tsimaintsy,tsimaintsy... ahoana àry
-ny anio no fantatro fa tsy misy te ahalala izay farany any...
-Izaho no rôle ko nahoana no asiana mahery noho izaho;indrindra ao anaty ny tokatranoko?
........andraso heritrereto ny sasany fa alefako eto daholo ra misy manana moa dia mangataka ho an'izay tsy mino koa hanampy fa ilaina e!
3. LazaDaddy ( 18/10/2009 04:37)
ny tanjona = Andriamanitra (ny fiverenana any amin'ilay Paradisa)
ny lalana = Jesosy Kristy (Izy no niteny an'io fa tsy izaho an ;) )
4. rzakarivola ( 19/10/2009 13:54)
"Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny." [Jaona 6:29]
5. ikaretsaka ( 19/10/2009 15:37)
Izay nirahiny fa tsy izay mihaimbo ho irahiny sy manao bolokiny
6. ikaretsaka ( 19/10/2009 15:40)
Izay nirahiny fa tsy izay mihaimbo ho irahiny sy manao bolokiny
7. rijadolly ( 19/10/2009 15:58)
JAONA 14 :24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray Izay naniraka Ahy.
8. niryna ( 19/10/2009 16:05)
rijadolly:

JAONA 14 :24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray Izay naniraka Ahy.



=D> =D> ^:^
9. ikaretsaka ( 19/10/2009 16:15)
Mitandrina ny didy fa tsy ny teny.... ny didy rehefa tena tia marina dia tsy mila lisitra be sy conditions... ny zavatra atao am-pitahorana sy am-pitandremana amiko dia tsy voatery foana ho vokatry ny fitiavana. Ohatran'ny olona mody malina be rehefa misy polisy ohatra...dia manova ny fahazarany sy ny fanaony
Raha tena tia ianao..na misy polisy ao na tsisy de sahala...
Io le lazain'i St Augustin hoe "tiava marina tokoa de ataovy izay tianao atao"
10. badboy ( 19/10/2009 17:07)
Fitaovan'Atra :
1- Tsy ho zakan'ny fo ny fahalasanan'ny olona akaikin'ny fo raha toa ka tsy mino fa lasa any @ Atra izy
2- Tsy ho zaka ny fahorimbatana raha toa ka ianjadian'aretina ka tsy mino fa izay no asan'Atra
3- Tsy ho zaka ny fahoriantsaina raha toa ka tsy ekena fa avy @ Atra no isian'ny mahantra sy ny manana satria apetraka lalandava @ Atra ny nampahantra na nampanakarena.....

Tsy tanjona Atra :
1- Ny hirarina dia ny handehanan'ilay nandao any amparadisa
2- Ny hivavahana mafy raha toa ka marary dia ny hahasitrana ny vatana
3- Ny angatahana raha toa ka ory dia ny hazahoana harena ary raha toa ka manana dia ny hitazonana ilay harena.

Olombelona isika : tsy nataotao foana akory ny filaharan'ilay hoe vatana sy saina ary fanahy! Ny fanahy no farany satria na ilaina aza dia lavitry ny fiainana antany!




;-) ;-) ;-)
11. bobone ( 20/10/2009 08:10)
Badboy

-
Tsy ho zakan\'ny fo ny fahalasanan\'ny olona akaikin\'ny fo raha toa ka tsy mino fa lasa any @ Atra izy
2- Tsy ho zaka ny fahorimbatana raha toa ka ianjadian\'aretina ka tsy mino fa izay no asan\'Atra
3- Tsy ho zaka ny fahoriantsaina raha toa ka tsy ekena fa avy @ Atra no isian\'ny mahantra sy ny manana satria apetraka lalandava @ Atra ny nampahantra na nampanakarena.....

Tsy tanjona Atra :
1- Ny hirarina dia ny handehanan\'ilay nandao any amparadisa
2- Ny hivavahana mafy raha toa ka marary dia ny hahasitrana ny vatana
3- Ny angatahana raha toa ka ory dia ny hazahoana harena ary raha toa ka manana dia ny hitazonana ilay harena.

Olombelona isika : tsy nataotao foana akory ny filaharan\'ilay hoe vatana sy saina ary fanahy! Ny fanahy no farany satria na ilaina aza dia lavitry ny fiainana antany!

:D :D
Misaotra e! tena maianky zaho laholo! marina koragnanao (l) (l)
12. soanja ( 20/10/2009 09:12)
badboy:

Ny finoana an'Atra = fitaovana fa tsy tanjona! :^) :^) :^)


Amiko ny finoana an'Andriamanitra dia fiainana atrehana ampitiavana ara-panahy sy ara-batana.
Lalan-tsy mety vita eto an-tany ny finoana an'Andriamanitra fa mbola hisy koa fiainana hafa rehefa miala eto isika. Tsy mihatra intsony ny tanjona satria izy no arahina isanandro sady tsapa.


13. xxx ( 20/10/2009 09:34)
badboy:

Fitaovan\'Atra :
1- Tsy ho zakan\'ny fo ny fahalasanan\'ny olona akaikin\'ny fo raha toa ka tsy mino fa lasa any @ Atra izy
2- Tsy ho zaka ny fahorimbatana raha toa ka ianjadian\'aretina ka tsy mino fa izay no asan\'Atra
3- Tsy ho zaka ny fahoriantsaina raha toa ka tsy ekena fa avy @ Atra no isian\'ny mahantra sy ny manana satria apetraka lalandava @ Atra ny nampahantra na nampanakarena.....

Tsy tanjona Atra :
1- Ny hirarina dia ny handehanan\'ilay nandao any amparadisa
2- Ny hivavahana mafy raha toa ka marary dia ny hahasitrana ny vatana
3- Ny angatahana raha toa ka ory dia ny hazahoana harena ary raha toa ka manana dia ny hitazonana ilay harena.

Olombelona isika : tsy nataotao foana akory ny filaharan\'ilay hoe vatana sy saina ary fanahy! Ny fanahy no farany satria na ilaina aza dia lavitry ny fiainana antany!




;-) ;-) ;-)


Finoana=fitaovana ? hafahafa izany hevitrao izany Badboy ,raha raisina babangoana ny momba ny cerebrés manan\' aina dia misy foana ireo éléments moteurs reflectifs , ary ny emotions sy ny sentiments raha ny tena marina dia impacts avy @ fifandonana aterak\' ireny éléments ireny eo @ mpiara-monina ka mitarika fahatsapana tsy feno raha tsy manao évaluations lalina avy @ asan\' ireo éléments ireo .
Raha misy ny aretina , ny fahalasanan\' ny mpiray tampo ,ny fahoriana ,ny fahantrana , dia azo dinihina akaiky ny anton-javatra mahatonga ireny tranga ireny rehefa hita miharihary ny fisehony .
Vokatry ny fandraisan\' ny olona ireny tranga ireny mantsy no tena hipoiran\' ny fitondran- tena sy fieritreretana tsy dia voadinika matetika .
Raha miteny ianao hoe \"finoana\" an\' \"A/tra\" =\"fitaovana \";

finoana:tsy ho vita velively ny mahalala tanteraka ny asan\' ny éléments moteurs reflectifs-n\'ireo zava-manan\'aina eto ambonin\' ny tany ( premièrement) sy izay mety ho vokatr\' izany rehetra izany eo @ tontolo .
Andriamanitra : Definition Inatteingnable de l\' Eternellement Universelle . (Mythe )
Fitaovana : fitaovana hanaovana inona en fait ?
raha toa A/tra no namorona izao rehetra izao araka ny Dogmes maro eran\' izao tontolo izao .









:?:
14. rakapy ( 20/10/2009 14:08)
Ity resaka ity dia tonga @ ilay hoe : matin'ny accident t@ fanaovana piont i ranamana ka hoy i pasitera raha nitory teny teo antokotanim-pasana hoe"
"Nohon'ny sitrapon'A/tra dia nalainy hody any aminy i ... ka hipetraka eo ankavanany ary honina any am-paradisa hiaraka @ tompo mandrakizay"

Nefa i lery matin'ny adalany, :-D :-D :-D Dia ilay pasitera koa dia mbola mamafy lainga be mba hampionona ilay mana manjo.
Eto dia fitaovana ilay A/tra ary natao fampiononana.
15. ikaretsaka ( 21/10/2009 03:57)
ny finoana koa dia toe-panahy=etat d'esprit... toy ny tahotra sy fanantenana
Fitaovana ve ny etat d'esprit?

Raha midi mpidinana ianao no tapaka frein hoe mitsatsaka ka manao hoe maty ahako, na manao hoe vonjeo, na hoe za lalany lalany... na izay mety ho ataonao eo, dia fitaovana ve no "fiantso" izay reaction anao eo?
16. rakapy ( 21/10/2009 05:24)
Ika> aza afangaro ny reaction sy ny etat d'esprit fa samihafa.
17. ikaretsaka ( 21/10/2009 14:53)
fototra 1 ihany izany ka ... fa fisehony ivelany sy anatiny fotsiny
18. badboy ( 22/10/2009 05:43)
Fitaovan'Atra :

1- Ho @ tsara : afaka bacc, vita mariazy, sitrana, nahazo asa, teraka ....... tsy nyisy nijery hoe inona no nisy sy nitranga fa dia apetraka hoe tahian'Atra izany hoe satria aho nivavaka sy nino an'Atra dia izao no vokatra azoko,

2- Ho @ ratsy : raha nisy nanao ratsy t@ tena ka lasa nigadra nohon'ny zvtr hafa nataony na koa hoe maty dia lazaina eo fa "tsy ny lohasaha mangina no jerena fa Atra antampon'ny loha" izany hoe namaly faty Atra, na koa ireo nanapoaka ny tenany dia satria sitrapon'Atra..... natao hanamarinana ny valifaty an'eritreritra sy tena atao Atra.


Ireo rehetra ireo dia mbola manamafy ilay hoe tsy tanjona Atra fa ny hahatanterahan'ny sitrapon'ny tsirairay no tena antony hivavahana sy inoana an'Atra.

;-) ;-) ;-)
19. AndriambyII ( 23/10/2009 10:44)
Ny fianarana , ny fahaizana , ny fahantrana , ny fananan-karena , ny loza mianjady , ny fahasambarana ,raha ohatra ka ankinina @ Lanitra foana ny hamahana ireo olana madinika aterak'ireo zavatra maro ireo eo @ fiainan-draolombelona ary hanantenana valiny avy @ finoana dia ataoko fa efa paradisa ity tany ity hatry ny ela .
Eto no maha samy hafa ny fandraisan' ny tsi 11 ny finoana ; amiko ny finoana dia zavatra farany hianteheran' ny fanahy ( le salut de l' âme devant l' éternité ) rehefa tapitra ny antom-pisiany eo @ erana misy azy , ka hiandrandrainy ny fisiana tsy fantatra any ankoatra any .
"Ny finoana an'Atra = fitaovana " : dia mbola mipetraka miandany ihany ny fanontaniana @ petra-kevitrao Badboy hoe ,A/tra izany no namorona tsy sazoka ireo zavatra voatanisako teo ambony ireo , sa ny tsy fahafantarana sy tsy fahaizana sadasada mbola raiki-tampisaka @ natioran-draolombelona no nahatonga izany rehetra izany noho ny tsy maha tonga lafatra azy ireo eo @ ny fisiany eto @ ity fiainana mandalo n' ny ts 11 eto ity ? :?: :?:
20. xxx ( 23/10/2009 13:22)
Tsara raha ny FINOANA no faritana tsara ahazoana marina izay lazaina.

Ny FINOANA dia fanantenana ny zavatra tsy hita saingy voalaza fa MISY ary mety ho TANTERAKA. Ohatra: Misy vary ao ambadika ao hoy i Lita, dia raha mino ny lazain'i Lita aho dia tsy hisalasala fa tena misy vary tokoa izany ao ambadika ao. Rehefa manao vérification aho avy eo ka mandeha ao dia hahita fa misy ao ary mivadika ho FAHALALANA FENO izy amin'izay fotoana izay. Toy izany koa ny Baiboly, raha lazaintsika fa misy Andriamanitra ary manambara Azy ny Baiboly sady Teniny rahateo dia inoantsika IZY. Rehefa mandalina tsara isika dia MAHALALA AZY. Eo isika vao hiteny hoe : Fantatro IZAY INOAKO.
Rehefa tonga eo amin'io FAHALALANA io indray ny olona tsirairay, dia MPINO izy amin'izay fotoana izay ka manjary afaka mahafantatra fa izay angatahiny amin'ny alalan'ny Jesoa izay fantany dia hovalian'Andriamanitra ary koa mahafantatra fa izay voasoratra ao anaty Baiboly dia manamarina izay rehetra fiainana lalovan'ny zanak'olombelona mandrak'ankehitriny ary mandrakizay. Rehefa tena feno ny fahalalany dia miaraka aminy ny FANAHY MASINA ka manjary mahavita izay fahagagana voalaza ao amin'ny Teny inoany izy.
Raha atao hoe fitaovana ny finoana dia manamavo azy isika satria toy ny atao hoe fananantsika fiara ohatra ilay izy dia raha tsy isika no mamily azy dia tsy mandroso. Izany hoe mamolaka azy isika. Koa iza ary no mamolaka ny finoany?
Raha ity farany no zohina dia lasa ny hahatanterahan'ny sitrapon'ny tsirairay tokoa no antony inoana ka very ny hasiny raha mandeha amin'ny lalana diso ireo sitrapo ireo (manararaotra eo ilay ratsy satria fantany fa raha vao manana fisainana maninana an'Andriamanitra dia efa lavony izay). Raha fitaovam-pampihetsika kosa indray ny finoana ka mandeha amin'ny lalana mahitsy mankany amin'ny FIAINANA MANDRAKIZAY voalazan'Andriamanitra dia mifamaly tsara ny Tia (Andriamanitra) sy ny manina (olombelona) dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra ka ny FANAHY MASINA amin'izay dia lasa mitondra fa tsy isika no mampihetsika AZY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2481