fampianarana manotra

1. latina ( 16/10/2009 07:27)
Mba saika hanontany raha misy mahafantatra hoe aiza eto Tanà no misy toerana na sekoly mampianatra manotra?
Misaotra betsaka.
novalian'i ni81 ny 22/10/2009 18:14
2. Ratoa ( 17/10/2009 17:26)
tsy azoko ny fanontaniana satria ny sekoly fanabeazana fototra rehetra mampianatra manoratra. Soratra inona no tianao ho lazaina? lahatsoratra sa inona? Olon-dehibe sa ankizy no ampianarina? Jereo fa ny fiangonana manana progamme "alphabétisation fonctionnelle".
mamanay taloha nanao tafika masina dia nampianatra ny tambanivolo hanoratra sy hamaky teny. Ka karazan'izany ve no tadiavinao?
3. ni81 ( 17/10/2009 17:53)
Ratoa! Manotra no tadiaviny fa tsy manoratra e! :D
4. fahamarinana ( 18/10/2009 09:14)
:arrow: :-D :-D Ratoa kosa tsy mamaky tsara e! hihihi !tapaka ny tsinaiko ato ! :) (l)
5. booboo ( 18/10/2009 09:45)
hihihihihihi
6. Ratoa ( 20/10/2009 00:10)
tapaka ny tsinaiko ato
atohizo faingana fa ratsy izany tapaka izany;
Ka rehefa maika na motritory dia mivadika ny soratra ka ny otra lasa soratra!!!!!
Manontania ery amin'ny services de rééducaion-ny hopital Girard et Robics, na ny école de médecine na ny faculté; ny kynésiethérapeuth mpanotra dia école d'esthéticienne koa mety ahalala;
7. latina ( 20/10/2009 12:20)
Misaotra anareo nanome soso-kevitra.

Mpampianatra manotra fotsiny no tena tadiaviko fa tsy ilay miditra resaka estetika. Nisy fampianarana mitovitovy amin'ilay tadiaviko teny Androhibe taloha (fomba fanorana asiatika, karana ary eropeana) no miaraka hianarana, na ny fianrana manotra faladia. Efa tsy manao intsony hono ry zareo. Dia sao dia mba misy mahalala ankohatra an'i HJRA sy HOMI azafady.

Misaotra mialoha
8. ni81 ( 20/10/2009 16:13)
Anontanio ao @ RIRA fa taloha toa mampianatra ry zareo (ilay ao @ faladia)
9. latina ( 21/10/2009 05:57)
Misaotra betsaka an'i ni81. Ilay eo akaikin'i librairie Mixte moa izany no andehanako e?
10. ni81 ( 22/10/2009 18:14)
Tsisy fisaorana e! Tsy tadidiko na librairie Mixte no eo akaikiny eo na tsia :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9895