Ny tsara sy ny ratsy no ilaintsika.

1. soanja ( 12/10/2009 19:36)
"Ao anatin'ny tsara no ahitana koa ny ratsy ary ao anatin'i ratsy no ahitana koa ny tsara. Mifanila ny ratsy sy ny tsara ary mifaningotra ihany koa. Ilaintsika ny ratsy sy ny tsara."

Mety hitombina ve io fihevitro io? :D
2. sipagasy ( 13/10/2009 20:36)
mmhhh atao sahala @ voankazo an'ala izany e! ny hitanao fa tsara raiso ary ny hitanao fa ratsy ariana veh,????
3. xxx ( 14/10/2009 09:01)
Koa raha tsy misy ny ratsy ve ho fantatrao fa tsara ity iray itsy ?
4. jhouhlambout ( 14/10/2009 17:19)
Zay mihintsy, ilaina ny tsara mba ahazoana manao ny ratsy (et vice-versa)
5. bobone ( 15/10/2009 06:39)
sipagasy
mmhhh atao sahala @ voankazo an'ala izany e! ny hitanao fa tsara raiso ary ny hitanao fa ratsy ariana veh,????
tena marina iny ! miavaka tsara ny ratsy raha io ohatra io no entina hanamarinana azy ! fa izao arakaraky ny hisian'ny tsara no hanaovan'ny olona rasty ! fefa hita fa maizina , na efa hita fa lavaka io dia mbola andehanana ihany!!! izany hoe efa fantatra fa ratsy io dia mbola handramana sy hatao ihany!!!
dia mapihomehy ahy hoe raha mihinana voankazo enao tsara ery ny fijery azy nefa rehefa hohanina dia marikivy na mangidy be dia misy mamoaka izany any am-bava ary manary azy ! misy indray anefa haniny ihany ! ka arakaraky ilay olona io ! misy tia manao ratsy foana ! na misy koa aza anefa te hiala @ izay ratsy fanaony izay nefa tsy afaka!!! raharaha ihany izy ty an!
6. soanja ( 15/10/2009 12:07)
bobone:

Haindry tsara ny manazava azy. Io dia samy manana ny handraisany ny tsara sy ny ratsy saingy rehefa manao azy isika dia manao azy ihany amin'ny mahatsara sy maharatsy azy ao anaty safidy na tsia. Raha fantantsika fa misy mangidy tokoa amin'io voankazo miantona ambony hazo io dia hisy hilaza fa tsy hihinana intsony sao tojo ny mangidy. TSIA anefa satria fantantsika tena misy ny mamy amin'ireo voankazo miraviravy ireo dia maka isika hanandrana. Tsy misy mangidy tsy andramana indray ny filaza azy eto raha ny Ntaolo no hakana fahendrena.
Ny fitiavana dia isan'io tsara sy ratsy io. Be ny mandrangiraingy nefa dia manandrana azy ihany satria ao anatin'io no heverina fa ahitana ny fahasambarana.

Tsy lala-mora ny fiainana saingy halalana zavatra tokoa ary ny fahalalana dia mitondra amin'ny hazavana.

7. Mirananirina ( 15/10/2009 13:01)
tena marina io satria izany foana ny zavatra mitranga izao.Ratsy sy tsara...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1489