afro-basket women 2009 madagascar

21. Ratoa ( 16/10/2009 19:11)
Ahitsiko kely
taorian'ny 1970 dia very amin'ny pôlitika ny lohan'ny tompon'andraikitra, sady manaonao foana;
22. ravatorano ( 17/10/2009 08:10)
Ratoa < zany tokoa ve :?:
dia ooooza

fa toy izao ny momba ilay fihaonana tamin'ny Malianina omaly iny sy ny fandaharan-dalao samihafa e :

http://www.lexpressmada.com/display.php?p=display&id=30378
23. endrika01 ( 17/10/2009 11:39)
Tokony harahamaso hatrany @SFF NY GEG -Lycée ngé ny mpandray anjara aminy Sports toy ireny e! Zah kalou tsy midoka tena,na we malaeloelo,raha nijery ireny mpanao fanatanjahan-tena malaza ireny,fa angamba raha nisy fanohanana na fanaraha-maso ny mpianatra @Gymn atao any an-tsekoly ,dia mety mba nisoratra tany ho any ny anaran i endrika01 we nahazo medaille volamena.Tsy midoka tena wa an,fa mba fanairana ireo misahana io sehatra iray io ,taminy mbola fahatanorana tadidiko tsara ireo prof de Gymn nifandimby nilaza we nahavita 10\" enao t@ 100m,t@zany ny tao an-doha de ny we mahazo salan isa ambony fa tsy nisy resaka hafa akoatrizay!!!Sa dia we fanazaran-tena fotsiny iany izy io,fa zay mahitahita no mahazo toerana! Mba tsetsatsetsa tsy haritra e! :D
24. ravatorano ( 19/10/2009 05:23)
Afro Basket Women 2009

Norombahan’i Senegal ny amboara

Noporofoin’ny senegaley ny tsy naharesy azy mihitsy, nandritra ny lalao fifanintsanana sy ny ampahefa-dàlana ary ny manasa-dàlana, izay mbola notohizany tamin’ny lalao famaranana, nandavoany ny tompondakan’i Afrika 2007 tany Dakar (Sénégal), dia ny ekipam-pirenena malianina izany tamin’ny isa 72 sy 57. Teo amin’ny ampaham-potoana voalohany dia efa nanantombo tamin’ny 28 no ho 9 ry Traore Aya (N°5 / ailière / meilleure joueuse) sy ry Dieng Fatou (N°7 / meilleure meneuse), ary mbola notohizany tamin’ny ampaham-potoana faharoa izany (19/14). Taorian’ny fialan-tsasatra (8/14 – 17/20), izay vao mba nitarika tamin’ny isa ry Coulibaly Nagmouna (N°10 / meilleure pivot) sy ry Diawara Djene (N°11 / meilleure rebondeuse) fa saingy efa tsy tana intsony ny liombavin’i Terranga, raha tsy nibata ny amboara sy ny medaly volamena, niadiana tamin’ity Afro Basket Women 2009 ity. Any Mali indray no hifampitady amin’ny taona 2011. Na dia nitana ny laharana faha-8 tamin’ny ekipa 12 aza i Madagasikara, dia norombahiny ny amboaran’ny « fair play », ary dia mbola tsy nitsanga-menatra ihany koa fa azon’i Prisca Razananirina ny amboaran’ny mpitifi-davitra « tri-pointeuse » ary ny « révelation » dia lasan’i Maïwenn Andriamilandy. Nisalotra ny medaly volafotsy i Mali ary nahazo alimo i Angola.
a.r
gazetiko
19/10/2009
25. endrika01 ( 19/10/2009 07:55)
Dia fisaorana izany no atolotra hoan'ny rehetra e! Dia antenaina fa ho azony ekipam-pirenena Malagasy ny medaille volamena @zany 2011 zany,farafaharatsiny volafotsy. :P
26. Ratoa ( 19/10/2009 23:29)
Tena marina fa nigagàna ny gasy taloha, amin'ny spaoro rehetra an!
Izany ny filazan'ny olona hoe, "mitsipitsipika ny gasy kely (fohy sy madinika)". Tamin'ny andronay dia nisy ny "interscolaires" rehefa alarobia hariva, eny Mahamasina ny fotoana. Izany fifaninanana izany no nifidianana ireo athlètes solo-tenan'i Madagasikara. Rehefa asabotsy kosa izay vaofantinana no miomana. Nisy koa ny mpilalao baolina kitra mahay sy nalaza ary nandresy hatrany, nisy ny mpitaingi-tsôvaly ary tao ny mpanao tennis. Nisy ny hand-ball. Fa ankehitriny dia atody faona no raofina satria atao an-kila-bao ny fanomanana. Aiza izany rugby gasy izany teny Antanimena!!!!Equipe Cheminots....Ary rehefa natao ankila-bao ny interscolaires sy ny spaoro rehetra dia olona mahitahita no mameno toerana na equipe tsy ampy fanomanana.
Tsy ampy tosika koa: tsisy vatsy na fitaovana mba omena azy. Ny an'ny olona misy panier de basquet sy filet de volley isaky ny vodi-mototra. Beach volley tsy lazaina intsony; ary na lehibe na kely manao spaoro isan'andro daholo.
Ny antsika rehefa hifaninana ihany vao mba manao kely.
27. ravatorano ( 20/10/2009 06:21)
marina voalazan 'i Ratoa io ary ekena koa ny tenin' i endrika01 fa tena nisy tokoa ny fitiliana niaraka tamin'ny fanomanana taloha.
amizao efa mivoatra be ny fanatanjahantena ary tsy haharaka ny any ivelany mihitsy isika raha tsy tena misy politika maripototra hahafahana manarina ny tontolo manodidina ny fantanjahantena izany !
amizao aloha dia mbola variana amin'ny resa politika ny rehetra ary ny fanatanjahantena dia natao fotsiny hanaovana fampielezan-kevitra na koa fakana fon'ny tanora ka hanomezana andry zareo fanampiana ankamehana fa tsy haharitra akory !
atao ahona fa izany aloha no mbola misy eeeeeeeee !
28. kotobekibo ( 20/10/2009 22:00)
Henoko fa toa voa daholo ny ankabeazan'ny mpilalao malagasy ( Maywen , Fostina ...) ka izany no nampilatsaka b ny farimpahaizany mihoatra ny hafa ,
Marina fa nisy ny tsy fifandanjana teo @ toebatana , vaventy ry zareo senegalaise ...ohatra , fa na d izany aza tsy tokony ho tataka b ny score , raha toa ka en forme ny ankamaroan'ny sipa gasy .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6286