tavela tanteraka izany izao Ingahy Monja Roindefo !

1. ravatorano ( 12/10/2009 05:54)
mahatsiaro fa tena voa mafy mihitsy amin'izao fotoana izao ingahy Monja Roindefo ary toy ny voafitaka ary voatoraka lefona avy any ivoho ny fiheverany ny tenany.
Na mbola tsy voasonia aza moa ny volavolan-kevitra noraisin'ny ankolafy teo(tsy voasonian'ireo efatra mirahalahy mianaka lehibe sy mpitarika ny ankolafiny tsi1-1) dia efa iny niainga iny ny fanendrena an'Ingahy Mangalaza Eugene izay hisolo toerana an'Ingahy Monja roindefo.
Ary naninona koa n,o tsy avy dia natao ny fandenfrena an'ingahy Rakotovahiny Emmanuel ho filoha lefitry ny tetezamita :?: sa miandry inona
http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=8192
Raha niteny ny tsy hiala ingahy Monja roindefo dia efa namaly koa ireo minisitra rehetra izay notarihiny fa tsy handray baiko avy aminy intsony ,io dia mbola felaka tehamaina hafa indray koa
http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=8184
novalian'i fijo ny 13/10/2009 22:52
2. mathla ( 12/10/2009 07:45)
Raha ny fijery maimaika tokoa aloha dia toa marina fa voahilika le Ndefo.
Kanefa toa manana ny marina ihany raha mamaly tsy mety miala. Satria mbola tsy voasonia ny maha-aradalàna ny maha-filoha an'i Rajdomelina. Araka izany dia izay fanapahan-kevitra aorian'ny fanaovan-tsonia raha toa ka hisy tokoa no tena hanan-kery. Ekena fa mety ho fombafomba sisa io satria efa hita taratra sy mazava ny fandehan-javatra ho an'ny specta ety ambony tribune, fa ho an-dry zareo mpiketrika ao anaty vilany ao no mahita ny tena izy. Fihetsika vitsivitsy no mahasarika ny saina:
- Ny fanambaran-Rajdomelina vao tonga avy ivelany farany teo fa ny fifidianana anatin'ny fotoana fohy dia fohy no lalana hivoahana amin'izao krizy izao.
- Tampotampoka teo dia niova hoe, ny fampiharana ny tany Maputo indray no tena lalana hivoahana.
- Dia nisy indray ny fanambaran'i Ndefo fa de hoe ny fifidianana no vahaolana ka izay no himasoan'ny governemanta(masaka) hotarihiny.
- Tsy anjaran-dRadjomelina ny manendry ny Praiminisitra raha tsy ara-dalana ny maha-filoha azy kanefa dia efa vitany soa aman-tsara izany.
- Ary ity no tena nanaitra: tsy azo niandrasana ny andro manaraka ve ilay conseil de ministre fa dia nantsoina tamin'ny andro alina ireo minisitra ary teo noho eo dia nanao fanambarana ny tsy fankatoavany an'i Ndefo. Nefa raha ny hita dia tsy dia tena maika io fanambarana io satria na ilay daty hanaovana sonia aza toa nahemotra indray.
Noho izany dia mbola feno mistery ihany izao toe-draharaha izao. Inona marina no tena ao ambadiky ny ridao ao? Ny hitanay ety ivlany manko toa milamina kanefa............... tena izany tokoa ve?????
3. rabaradaka ( 12/10/2009 08:02)
Dadatoa Ravatorano a, marina ny voalazanao rehetra fa izao kosa e : didoha sy loham-boto be ny nataon'ny Andry TGV nanala an'i Monja satria fantatry Andry tsara fa na ny toerany aza mbola mety ho votsotra satria aorian'ny sonian'ny 4 moouvansy ange vao valide ny accords rehetra e ! Manahy i Andry TGV fa mety ho lasan'ni Monja Roindefo ny Président Transition dia ny an'ilay Andry TGV no nalefany aloha. Mbola ady tsy vita io ry dadatoa
4. Mirananirina ( 12/10/2009 08:29)
tavela tanteraka izany izao Ingahy Monja Roindefo
ka ilainy manaraka azy Andry tgv satria niara nitolona sy nihinana gateau tao ihany kosa ve dia dakana vetivety eo...ho raharaha izy ity.
Mbola ady tsy vita io ry dadatoa
tena mbola ho ela marina ity ady toerana ity vao vita .
5. ntss ( 12/10/2009 08:51)
Izaho dia TGV hiringiriny ary raha izay Monja Roindefo no ila ady amin'i Andry dia ho tavela eo izy satria izahay dia tsy mahalala afa-tsy i Andry ihany
6. xxx ( 12/10/2009 09:00)
Sans valeur le resakao ry ntss!!! Fanompoan-tsampy tsotra zao !!! :twisted: Rehefa tsy mahita ho lazaina dia mangina !!!Marary fotsiny eo
:-D
7. ntss ( 12/10/2009 09:15)
> xxx = Hery

Izaho anie efa ela no niteny teto fa mora kokoa ny migéré conflit contre les légalistes satria tsy atahorana mihitsy fa "FAIBLE" fa sarotra kokoa ny fandehan'ny tantara rehefa conflit entre TGV e!!

Raha lazain'la tsy misy valeur ny hevitro de arosoy ny hevitra dia esory ny masque, ra8 zao efa adino tanteraka fa efa entre TGV zao ny afera.

8. terrywui ( 12/10/2009 10:04)
O ravato a! tsisy mangirifiry zany eo fa toy ny adiadin'ny mpivady fotsiny io fa vao maika mampiorina ny tokatrano !!! hon hon ! zay Vato a
9. pikatti ( 12/10/2009 12:28)
Mpivady efa en instance de divorce lesy io a,samy miandry kely tohina sisa,zany refa tsisy nanaraka ny fitsipika zao vao adin'ny mpivady adin'ny mpivady :-D :-D
10. Mirananirina ( 12/10/2009 13:45)
Mpivady efa en instance de divorce lesy io a,samy miandry kely tohina sisa,zany refa tsisy nanaraka ny fitsipika zao vao adin'ny mpivady adin'ny mpivady
fa toy ny adiadin'ny mpivady
hihihi,mpivady ahoana marina ,tsy aleo ve adin'ny iraitam-po
11. pikatti ( 12/10/2009 13:57)
stl Mirana
Hotran'izay kosa angamba no nahatonga an'i wiwi nisaraka =)) =))
12. ravatorano ( 13/10/2009 07:09)
asa aloha fa tena tsy mahita lalana haleha intsony Ingahy Monja Roindefo satria mazava koa izao fa na nametraka fitoriana eny amin'ny conseil d'etats aza ny avocat-ny dia re tamin'ny olonamahay ny lalana izoa fa tsy afaka mitsara io fitoriana io ny filan-kevim-panjakana satria resaka fanendrena politika io fa tsy resaka administratif !
d nande koa ny tsaho fa ho avy eny mahazoarivo ny fis defa raikitahotra ny teny ary efa nanamafy koa ny fiambenana !
d tena marina ilay hoe : samy mpitolona teny amin'ny 13 mai no miady dia ny tgv sy ny vadiny monima !
reefa tsy mahay mifandamina ry lerony d aleo ho jerena fotsiny eo izay fifanalana baraka ataony eo fa raha ny resaka miainga amin'ny radio viva izany aloha dia tena fanenjehana an i Monja no tena bobaka sy voizina tanteraka ao ! d tsy hay tsony eeeeeeee
13. fijo ( 13/10/2009 22:52)
ary eto vao hivoaka ny marina rehetra le.hohooooo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1284