kankana

1. Ratoa ( 30/09/2009 17:39)
Ahoana no fanalàna na fiadiana amin'ny kankana atao hoe kakan-pisaka? Izy dia manadady ao ambany hoditra ao. Misy dessin miolokolika eto ielany sady mangidihidy be. I Taomasina sy ny morontsiraka mandomando no be azy.
2. lako ( 02/10/2009 10:43)
Efa nahita ny fanalàna reny za!!de ôtran'zao le hitako:
Tsindromina kely @ fanjaitra ny lohany de avy eo de ingaina @ fanjaitra le hoditra manify kely mba azaona elanelany kely fotsiny mba tsy hipaika @ le kankana; avy eo de didina manaraka ny lavany ilay hoditra kely ningaina iny; tandremana mba tsy ho voadidy le kankana de sokirina hiainga moramora le kankana avy; tena atao moramora le mandidy sy manainga le kankana an!satria tsy tokony voadidy sy tapaka mitsy ono le kankana!somary ela be zay le fanalan'le ol azy fa tsy haiko na zany daôl ny fanaovana azy na tsy zany!de marary be ko on le fanaovana azy!!
3. Ratoa ( 05/10/2009 22:06)
hay!
tsy misy mahalala fomba hafa ve?
4. niryna ( 08/10/2009 16:26)
Ratoa:

Ahoana no fanalàna na fiadiana amin'ny kankana atao hoe kakan-pisaka? Izy dia manadady ao ambany hoditra ao. Misy dessin miolokolika eto ielany sady mangidihidy be. I Taomasina sy ny morontsiraka mandomando no be azy.

tsy kakam-pisaka izany angamba no anaran'ireny mandady amin'ny hoditra ireny ka toa hoe parasy l'afrika no iantsoana azy ,ahitsiho raha tsy izay ilay izy ,miholakolaka fotsifotsy toy ny kankana ilay izy.Ny fanafodiny dia alaina ny tongolo gasy ka totoina ary apetaka eo amin'ny faritra rehetra misy ilay miholakolaka,mamay kely fa mila miaritra.
andramo
5. ikaretsaka ( 08/10/2009 16:31)
kankana ve ho parasy fa ianona koa ohatran'ny tsssss
6. niryna ( 08/10/2009 16:43)
ikaretsaka:

kankana ve ho parasy fa ianona koa ohatran'ny tsssss

kakanpisika ry ika ilay ao anatin'ny tsinay a
ny description ny no nahatonga ahy iteny fa toi koa tsy maintsy mahita tenenina foana ,misaotra na izany aza
7. ikaretsaka ( 08/10/2009 17:08)
ka parasy ve ho kankana aminao na mahita tenenina aho na tsia e?.. rehefa tsy hay de aleo tsy miteny fotsiny fa manjary na ny lojika aza mivaona!
8. Papoose ( 08/10/2009 17:50)
rotskssssssssssssssssssss
9. diamondra27 ( 08/10/2009 18:24)
ny parasy kankana dia afak'io tongolo gasy totoina de apetraka eo ambonin'ilay marary
Matetika amin'ny tongotra no misy azy, mangidihidy.
Aza dia manitsaka ranompotaka fa any no tena fonenany.

Ny parasy lafrika dia ilay bouton fotsy sa mavi ohatry ny mony masaka ireny rehefa manatody , raha tsy izany dia biby mainty kely fotsiny alana amin'ny paingotra desinfectE. Miala miala tsara ny atodiny sy ny reniny raha tena efa marary be ilaay izy.

Ny parasy tsotra dia ireny any ambanibohitra ireny matetika no fahita azy, maintimainty dia misotisoty. Insecticide mahafaka azy.
Efa misy le fanafody biby kely i( parasy, kadradraka sns)reny any dago izao dia ireny ampiasaina amin'io.
10. diamondra27 ( 08/10/2009 18:25)
ny parasy kankana dia mitombo arakaraky ny hanotrorana azy ( gratter)
11. fahamarinana ( 08/10/2009 19:50)
ikaretsaka:

ka parasy ve ho kankana aminao na mahita tenenina aho na tsia e?.. rehefa tsy hay de aleo tsy miteny fotsiny fa manjary na ny lojika aza mivaona!

:arrow: ika o ! misy parasy lafrika kosa e,io lazain'ny diamondra io,ilay manatody dia mangidihidy be koa,mazana amin'ny ratsan-tongotra dia manatody dia alana amin'ny paingotra efa dorana mialoha !....
Misy karazan'olona tratra foana,tahaka ahy,misy nefa tsy mety tratra na dia handeha tongotra tsisy kiraro aza !
Ny kankana iray ilay lazain'ny diams io koa,tsy haiko fa nisy resaka petrole zay no reko fa tsy tsaroako akory ilay fanaovana azy ! (l)
12. bobone ( 09/10/2009 06:55)
tena marina daholo ny tenin'i Diamondra27 !!!
fa io parasy lafrika io dia tena mahasosotra mihitsy raha tratrany ! efa voan'io zaho nanao tafika masina tany Ambanivohitra lavitra be !!! dia misy atody marobe sady mangidihidy maharary be zany ! herefa esorina izy ka afaka ilay akalany dia lasa gôka be ilay avy nialany ! asiana petrôle dia afaka !!!
ilay parasy kankana koa efa voan'io zaho tany Moramanga , fa tena mahasosotra be , mangidihidy be tsy misy tahaka izany fa tena marina io tongolo gasy io an! , tena mahafaka azy!!!
:-* :-*
13. ni81 ( 09/10/2009 06:59)
Misy karazan'olona tratra foana,tahaka ahy,misy nefa tsy mety tratra na dia handeha tongotra tsisy kiraro aza
zà koa dia voan'ny parasy lafrika matetika tany dago. Afaka miditra foana izy ireny na dia misy kiraro aza satria mipitika dia maka izay toerana metimety aminy mora foana izy avy eo.
Tsy mbola voan'ilay parasy kankana kosa aloha hatramin'izay.
14. Ratoa ( 09/10/2009 16:32)
Izao ary é!
Ny parasy kankana dia mandady ao ambanin'ny hoditra. Manao dessin labyrinthe et ivelany. Tsy azo sokirina tsy afaky ny ody kankana.
Ny parasy lafrika dia manatody amin'ni rantsa-tongotra matetika. Dia mivaingana ho fotsifotsy toa ny kitro.Tsy fotsifotsy izy raha tsy efa akaiky ho fohy ny atodiny. Raha voatsindrona iny mivainga iny dia mihanaka ny atody.

Betsaka ny fomba itasoboana azy (ny parasy kanakana na parasy lafrika) ka ireto avy
1) maka ravina akondro ianao 5cmx5cm na 10 x 10, arakarany, asaly amin'ny afo ka rehefa mafana be mivaly ho marron, dia apetaka amin'ny faritra misy azy. Mararary be io. Na
2) hosrona pétrôle isan'alina; herinandro eo vao afaka. Na
3) asiana pansement au pétrôle alohan'ny hatory ( makà coton kely, lemana amina pétrôle, apetakao eo dia asiana bandage amina rovitra plastique). Esorina ny maraina. Indroa andro misesy dia afaka (maina dia miepaka ho azy).
momba ny parasy lafrika manokana: manao afo-borondamba apetaka eo amboniny ka izao no fanao azy: maka voron-damba kely na lahan-jiro dia dorana amin'ny afo ny lohany. Tsofina ho faty ny lela-afo. Misy braise kely dia iny braise iny no apetaka amin'ilay fotsifotsiny. Tsy marary satria efa maty ny hoditra eo ambony eo. Afaka andro vitsivtsy dia miendaka ho azy ny reniny sy ny atodiny.
4) mbola tsy reko indray io tongolo gasy io.
Ny an'ny vazaha indray, tsy mahay izany rehetra izany izy fa omena vermifuge ianao dia avy izy sy ny bistouri mamay. Anésthésie kely fotsiny satria ilaina atao marary rehefa manala ny akalana izy. Raha mbola tsy marary mantsy dia tsy mbola afaka ny nofo simban'ny kankana, maty iny nofo sy hoditra manaraka azy.
Aza mba voa ihany
15. niryna ( 17/10/2009 03:37)

tsy aiko hoy aho ny anarany fa tsy parasy lafrika ka,fantatro ilay manatody ao anatin'ny tongotra dia misy atody boribory ary esorina dia misy lavaka be ilay izy ,fa ilay teneniko dia zavatra lavalava toy ny bibilava ny bikany fa kely na toy ny kakana fotsifotsy,tsy fantatro ny anarany fa io dia tonga eny amin'ny hoditra na ety amin'ny fehy aza ilay izy,ny nihaviany dia tsy fantatro koa fa any ambany no mahazo azy io ary io no asiana tongolo gasy manodidina dia maty ho azy,mbola mipetraka eo ilay dian'ilay sary mibilabila fa elaela vao mihasitrana ny hoditra dia tsy ita intsony.Inona no anaran'ireny raha misy mahalala hianareo ?

16. mimi ( 09/01/2010 08:29)
Ary marina ve fa signe sisty rehefa misy mangidihidy ny loa dia tsapaina @ tanana dia misy mivonto dia henonao hoe mikisaka mihintsy ilay izay? sady hoatran'ny marary andoha lava sasatra mihinana fanafody efferalgan foana ?
Zay zany no matetika miseho amiko ka matahoatra koa aho dia mbola tsy sahy miteny an'izay amin'ny dokotera . Raha sisty dia inona no mba fanafodiny?
17. jarifa ( 09/01/2010 11:31)
Raha ny fazahoako ny Sisty indray dia izy aloha toa marary foana ny loha dia torana tsy mahatsiharo tena mihintsy indraindray, Raha ny fanafodiny dia tsy haiko indray fa aleo ny dokotera ihany no miteny azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.195