aretin dratsy

21. booboo ( 29/09/2009 18:45)
Miombon-kevitra @ xxx zà, na izany aza hitako hoe mafy loatra lay " matetika " nampifandraisana @ " femme au foyer "

(...)ilay rangahy no fiainany rehetra ( sady vie privée no vie sociale, sns rehetra) ka hany ka lasa saro-piaro loatra, vao misy zavatra kely dia tezitra. Lasa miaina ho an'ilay rangahy fotsiny izy sisa. Ka izay no nilazako etsy ambony etsy hoe mila vie sociale enao, namana hafa, namana vaovao, fialam-boly vaovao, fa tsy miaraka amin'ny vadinao.(...)


22. ikaretsaka ( 29/09/2009 19:47)
azo tsaboina ny aretina hoe jalousie maladive...
manantona psy
23. nathie86 ( 30/09/2009 07:16)
sendra efa tena aretina ny anao zany, fa ny fahavalonao voalohany ko anie d ny tenanao ihany eh. Ny tiako lazaina d oe ny sainao diso alefanao lavitra b d manimba ho azy anao ilay iz.
24. Djhamhal ( 30/09/2009 08:07)
volazanao we: TSY izany vao tsy eo akaikiko ny vadiko defa manana regard negative za fa sao mahita vehivavy any fa maninona ra mba positive no eritreretina toy ny we : refa lasa any zao de hitady vola hanasoavany ny fiainanay sy ny tokantranonay! sns...!! fa ny lhl ngeh na eo akaikinao izy na lavitra afaka mijery sy mahita vhv fôna é! dia mankahery anao aho! fa mila herintsaina matanjaka be hanoheranao io aretinao io !! mba manaova koa zavatra hanarianao dia f'aza de izy fôna no eritreretina be lôtra ao andoha fa manjary mamorona saina ratsy ho anao izany!!
25. fahamarinana ( 30/09/2009 11:27)
Djha:
mba manaova koa zavatra hanarianao dia f'aza de izy fôna no eritreretina be lôtra ao andoha fa manjary mamorona saina ratsy ho anao izany!!

:arrow: Djha : ka tiany kosa ary ise ka akory atao !Izao ilay hoe "je l'ai dans la peau " ve e ! Sarotra ilay manova saina aloha an ,eny na io no vaha-olana mahomby indrindra ! (l)
26. Mirananirina ( 01/10/2009 11:27)
tena sarotra anarina de eto dray eh mitady solution avy any aminareo.ATAO aona kay ny atao ba anana fahatokisana tanteraka @ vadinao. TSY izany vao tsy eo akaikiko ny vadiko defa manana regard negative za fa sao mahita vehivavy any.
mijaly @ ty fahasarotapiaro ty mitsy za.
TSY ho eo za izy demain ka alahady izy vao miverina defa marary ny foko sady efa mieritreritra ratsy sahady.TENA ARETINA LAY FAHASAROTAM PIARO BA OMEO VAHOLANA AFAKO @ IO RA MISY MAHAY
tsy ianao irery no tratran'io fahasarota-piaro io fa ny rehetra ka.Ny fahaizana manao azy no samy hafa.Raha misy zavatra tsy hita kosa tokony tsy ahiahina ilay olona.Mitombona kosa raha ohatra ka mody izy ka hahitanao zavatra hafahafa any aminy dia rariny raha saropiaro ianao.Raha tsy misy ahiana kosa tokony hijery ny lafitsarany.
27. soanja ( 01/10/2009 15:43)
Rehefa mitia aky dia ataovy toy ny mitia voronkely. Rehefa eo izy safosafoy sy karakarao fa rehefa hanidiny izy tsy misy azontsika atao, iny no mahasambatra azy dia tiavina amin'iny izy satria tadidio fa manan'elatra izy. Ny hany fantantsika dia nanome fitiavana isika ary afapo fa nanao izay vita. Mino aho fa toy izany koa ilay vadinao ho anao. Manome izay any aminy izy ho anao.

Aza dia manantena loatra na miandrandra valim-pitiavana avy any amin'ny hafa satria tsy manana control izany isika fa ny antsika ho an'ny tena sy ny hafa no atao izay hahafeno azy.

Tsy mora anefa ny manaraka an'io fa angataho amin'Andriamanitra ny fitoniam-po fa hanome Izy.

:-* :-* :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9269