prière pour la paix à Madagascar, dans le monde, et afin ...

21. ikaretsaka ( 03/10/2009 12:25)
Valio ohatra ny fanontaniana hoe
Maninona ireo no mbola ataon'Atra sy avelan'atra misy ary zava boaharin'atra no ampiasaina?
22. ni81 ( 03/10/2009 12:35)
ka azavao aloha hoe inona no lazainao fa tena zava-dehibe @ ireo joro sy sikidy ireo e?
23. rakapy ( 04/10/2009 08:50)
ka azavao aloha hoe inona no lazainao fa tena zava-dehibe @ ireo joro sy sikidy ireo e

Zava-dehibe ho an'ny mpino azy tokoa ireny zavatra ireny. Mitovy tsy misy valaka ny fitandremanao ny baiboly no fanajany azy ireny.
24. ni81 ( 04/10/2009 08:54)
Zava-dehibe ho an'ny mpino azy tokoa ireny zavatra ireny. Mitovy tsy misy valaka ny fitandremanao ny baiboly no fanajany azy ireny.
ka ho an'i Ika milaza fa kristiana no antony nanontaniako azy
25. rakapy ( 04/10/2009 09:35)
Kay ve ho an'Ika ny fanotaniana e ! azafady fa nataoko hoe ho an'ny rehetra!
26. ni81 ( 04/10/2009 10:22)
tsy olana ka! :)
27. ikaretsaka ( 04/10/2009 12:14)
ni81:

ka azavao aloha hoe inona no lazainao fa tena zava-dehibe @ ireo joro sy sikidy ireo e?

Matoa noharian'Atra ireny zava boahary ireny ho ampiasaina sy hifanasoavana de ny asan'ny zava boahary (anisan'izany ny olona) dia mifampikajy sy mifanampy @ io fifanasoavana io.
Donc raha misy zava tsoa azo raisina @ interaction an'ny zava boahary samy savaboahary ka misy mahay mi exploiter an zany ka soa ny tanjona... dia tsary tokony asiana olana sy condamnena be fahatany.
Fa kosa raha hifandrotehana sy hifandringanana de zay de tsy mety..na zavatra inona io na inona
28. soanja ( 04/10/2009 13:14)
ikaretsaka:

Namaste Ika!

29. ni81 ( 04/10/2009 17:58)

:D
Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
30. ndenn ( 04/10/2009 18:45)
Misy ny fomba fanao efa tokony havela rehefa tena dinihina lalina sy amin' ny antsipirihany ,ny mahagaga anefa dia tsy any amin' ireo fomba izay nioriranan' ny eritreritra velively no miova fa ireo izay tsy dia fantatry ny olona eo @ fiaraha- monina . Porofon' izany ny kamikaze , ny fatwa , ny fihinanana ny dépouille mortelle , ... dia mbola misy foana hatramin' izao fotoana izao.
Mahalasa saina ra olombelona .
31. ikaretsaka ( 05/10/2009 01:46)
ni81:

Matoa noharian'Atra ireny zava boahary ireny ho ampiasaina sy hifanasoavana de ny asan'ny zava boahary (anisan'izany ny olona) dia mifampikajy sy mifanampy @ io fifanasoavana io.
Donc raha misy zava tsoa azo raisina @ interaction an'ny zava boahary samy savaboahary ka misy mahay mi exploiter an zany ka soa ny tanjona... dia tsary tokony asiana olana sy condamnena be fahatany.
Fa kosa raha hifandrotehana sy hifandringanana de zay de tsy mety..na zavatra inona io na inona
:D
Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?

Ka angaha tsy mila saina @ Atra ny fampiasana ny zava boariny?sy ny olona nomeny don?

32. rzakarivola ( 06/10/2009 13:21)
ikaretsaka:

Valio ohatra ny fanontaniana hoe
Maninona ireo no mbola ataon\'Atra sy avelan\'atra misy ary zava boaharin\'atra no ampiasaina?

==> Tsy izay avelan\' Andriamanitra hisy akory dia haharitra avokoa, fa na ny tany sy ny lanitra aza dia ho foana hoy Izy, fa ny teniNy tsy mba ho levona.
Md Paoly koa nilaza fa \"nisy ny natao halàm-baràka, ary nisy no natao homem-boninahitra\", ka asakasak\'izay hisafidy ny ho afa-baràka.
33. rzakarivola ( 06/10/2009 13:38)
ikaretsaka:

Ho'zy Zahako hoe @ fomba ahoana no hialazako hoe mihinana sy mifalia sns miaraka @ tsimpona adiny 2...@ olona tsary manan-kialofana sy tsy nikaly 2 andro?

==> Hoy Md. Paoly hoe : "Ny fitiavana tsy manaonao foana" (ne fait rien d'inconvenant).
Ekeko fa tsy dia zavatra mety be daholo foana no nataoko hatrizay ninoako an'i Jesoa izay, tahaka ny zaza vao teraka tsy mahalala afa-tsy minono sy mitomany ary manao maloto, tsy mahay mandeha, tsy mahay miteny. 2 taona ny zaza mbola tsy mahalala an'izany mampirina trano izany, na dia manomboka mahita ny ataon'ny lehibe aza izy ka manisakisaka ny entana (au contraire manakorontana izy) ... Fa izao no zavatra tsara : efa tonga olombelona izy, velona izy ary tezain'ny Ray aman-dReniny ho tonga lehibe sy hendry ary manan-tsaina hahavita zavatra goavana.
Tahaka izany ny amin'ireo naterak' Andriamanitra ao @ Kristy, Andriamanitra no mamelona azy (ny fanahiny) ireo @ FanahiNY sy ny teniNy, ary ny finoana an'i Jesoa no ivelomany, ka na dia kely sy manaonao foana aza izy am-boalohany, dia taizan'ny Rainy izay any an-danitra hahay sy ho tonga lehibe araka ny ohatr'i Jesoa Kristy.
Tsy mba tahaka izany izay tsy nateraky ny rano sy ny fanahy, fa mijanona ho nofo izy, ny fisainany sy ny fony ao @ nofo, na dia mety hiresaka fanahy aza izy dia mbola nofo ihany no mibahana ao anatiny! Izay no fanazavana.

Fa iverenako valiana kely ny fanontanianao : izay noana ara-nofo dia omena sakafon'ny nofo. Mampahatsiaro ahy tantara izany, indray mandeha t@ilay olona 4mi falehako, fizarako sakafo sady itoriako sy ampianariko araka izay noheveriko fa mety sy takatry ny saiko, nilaza tamin'izy ireo aho fa hanome fitaovana azy hanamboarany trano, raha iny izahay nandeha nividy fitaovana iny dia nilaza tamiko izy ireo fa efa 3 andro tsy nisakafo, nividianako sakafo izy ... Fa eto aho vao tonga saina hoe kay t@ io aho tsy nitory teny na dia kely aza, fa nankato ny tenin'i Kristy no nanaovako izany rehetra izany.
Izingiziniko, ny olona mety hanaonao foana, fa Jesoa tsy manaonao foana. Ny olombelona mampifangaro ny zavatry ny nofo sy ny fanahy, fa Jesoa tsy mampifangaro, fa manao fanoharana @ zava-misy ara-nofo. Eto no olan'izay zatra mi-matérialiser ny doctrine biblique, ary ho menatra izy ireo raha tsy mikatsaka ny marina @ fo (mivavaka amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana).

Farany, tadidiko ilay vavak'i simplex ka nahazoany valiny hoe : ny vatanao tsy fanahinao! Marina izany, raha noana ny vatana dia vokiso, saingy aza hadino fa tsy mahavoky fanahy akory iny hanin'ny vatana iny, ary ny vatana ho levona (avy tamin'ny vovoka ka hiverina ho vovoka), fa ny fanahy kosa tsy ho levona, fa na hijaly mandrakizay, na hiadana mandrakizay, araka ny voasoratra hoe "ary amin'izany dia hitady fahafatesana ny olona, saingy tsy hahita"
34. rzakarivola ( 06/10/2009 13:48)
Mandefitra:
Lazainao ao ambony ao fa rituel fotsiny ny an'ny sasany ny Batisa/Batemy @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

==> Raha io lazainao io tokoa no nolazaiko tetsy ambony dia ahitsiko ny teniko : Betsaka ny maika amin'ny rituel ny batisa (rano atete na atsoboka na tondrahina), saingy manamaivana ilay tena Batisa mahavonjy, araka ilay hoe "izay mino sy hatao Batisa no hovonjena".

Mandefitra:
Fanontaniana:
Moa ve ny zaza zay entina hatao Batisa, tsy mendrika ny ho zanak'Andriamanitra?, handray ny famonjena vitan'i Kristy, ary ho Tempolin'ny Fanahy Masina?

==> Hoy i Jesoa hoe :
- "Raha misy tsy mandray ny fanjakàn' Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra aminy".
- "Raha tsy manetry tena ianareo ka ho tonga tahaka ity zaza ity, dia tsy hiditra ny fanjakàn'ny lanitra".
- "avelao ny zaza hanatona ahy ary aza raràna, fa an'ny toa azy ny fanjakàn'ny lanitra".
Noho ireo tenin'i JK ireo dia hoy aho hoe : ny fanjakàn' Andriamanitra dia mila raisina, mila idirana, amin'ny fanetren-tena, amin'ny "fanaovana ho taim-boraka ny zavatra rehetra mba hahazoana ny fahafantarana an'i Kristy". Ny fanjakàn' Andriamanitra dia tsy resaka fihinanana sy fisotroana, fa FAHAMARINANA sy FIADANAM-PO ary FIFALIANA AO AMIN'NY FANAHY MASINA.
Ianao indray no anontaniako, moa ve ny zaza tsy entina atao fombafomban'ny batisa tsy mendrika ny ho zanak' Andriamanitra ? Tsaroako eto fa
- "izay nandray Azy dia nomeNy hery ho tonga zanak'Andriamanitra".
- "izay mino fa i Jesoa no Kristy dia naterak' Andriamanitra".
Ny tena fehin'io teniko io dia hoe : aza mitoky @ famantarana hita maso sy ny marika @ nofo!

Mandefitra:
Ho aminao ny fiadanan'ny Tompo.

==> Ho aminao koa sy ho an'izay rehetra mandroso eto! Fa ho anao manokana, angatahiko @ Tompo mba hanananao mandrakariva ny hery hahatanteraka an'io pseudo-nao io.
35. ikaretsaka ( 06/10/2009 14:30)
Hoy Md. Paoly hoe : "Ny fitiavana tsy manaonao foana" (ne fait rien d'inconvenant).

ka izay indrindra no tiako ahatongavana heo tsy tahakan'ny manaonao foana ve le mi blabla adiny 2?
ary tadidio fa ho'zy ny gasy hoe raha noana ny vatana....
-> fahano aloha ny vatana!
36. Mandefitra ( 07/10/2009 06:04)
Razakarivola:
Ianao indray no anontaniako, moa ve ny zaza tsy entina atao fombafomban'ny batisa tsy mendrika ny ho zanak' Andriamanitra ? Tsaroako eto fa
- "izay nandray Azy dia nomeNy hery ho tonga zanak'Andriamanitra".
- "izay mino fa i Jesoa no Kristy dia naterak' Andriamanitra".
Ny tena fehin'io teniko io dia hoe : aza mitoky @ famantarana hita maso sy ny marika @ nofo!

Ka asakasak zay mandray ny Batisa ho famantarana hita maso io, fa amiko izy dia:
- @ olona, fanekena ho zanak'Andriamanitra sy finoana ny famonjena vitan'i Kristy mba hiasan'ny Fanahy Masina
- @ Andriamanitra : dia fiasam-pahasoavana omeny maimaim-poana ho an'izay mino azy, handraisany ny olona ho Zanany,ka handrakofany ny famelan-keloka ao @ Kristy.

Aza adino fa didin'Andriamanitra ny Batisa, ary rehefa Izy no mandidy, dia Izy koa no miasa hahatanteraka.

Zay mety ho fahadison-kevitra dia ny fiheverana fa mitazam-potsiny Andriamanitra @ Sakramenta n ny Batisa na fanasan'ny Tompo. Tsia, miasa Izy, noho ny Teniny, noho ny herin'ny Fanahy Masina.
Dia tahaka ny zanak Isiraely noforaina fahizany hahatanteraka ny Teny fikasana, ny ran'ny zanak ondry nahosotra teny ambaravarana fony fotoanan ny fandalovana (Paska), ilay bibilava nasaiNy nasandratry Mosesy ka zay mijery dia ho sitrana, na ilay feta nataony t@ rora ka nasaiNy nosasana teny @ farihy Siloama etc ....
37. ni81 ( 07/10/2009 06:23)
Ka angaha tsy mila saina @ Atra ny fampiasana ny zava boariny?sy ny olona nomeny don?
Tsy voatery hoe tsy maintsy Atra no nanome saina azy ireo ka! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.08