Very

1. xxx ( 20/09/2009 23:48)
Miisy lehilahy zay niaraka tamiko fa nisaraka zay avieo, izy tonga de niverina niaraka t'@sipani taloha,za no nisaraka fa vo naheno aho oe miaraka @olokafa izy de tena nakarary ana!t'@volohany aloha niteny aho oe hiverina fa efa milaza amiko izy oe tena hiaraka @le vehivavy ray! de nekeko ilay situation sy ny décisioni ka nionona aho tsy nanelingelina an'azy mintsy! za mo niataka satria tsy mety mijanona namana normal anay ka mapijaly no sady izy niteny ko oe aleo tsy de mifaneratsera tsony! tsy nifapiresaka zay elaela!
Vo tsy ela anay no vo ni-reprendre contact ndrèki, de milaza izy fa tianà, isakiny mifakahita anay de otrany olona miaraka reny ( tena miaraka), nefa refa samy lasa de samy tsy fapanome vao2!Iao mbola tian'azy izy ko milaza fa tiana nefa izy miraka @olonkafa,no sady mi-sous enttendr izy oe misy blèm @sipany !mahatsapa aho oe ataony kilalao ary nolazaiko t'@oe okzay! fa izy miteny @ko fona oe tsy iz mintsy hono no hanao an-zany amiko fa misy zvtr mbola réglény zany de mila patiente hona iaho!de tena hitako oe sincère izy miteny an-zany! nefa ny zava-bita hono no hifampitsarana!irien à changer!
de tena very , mila hatokisako ve izy sa tonga de havadika ny pejy fa mapanatena zvtr tsy ho hisy mintsy?tianà ve izy sa resaka,sy ataony kilalalao ftsn marina, na oe fakana rivotra fa leoleo an-sipany any iz!? f'efa fombany bandy ve le oe efa miarka @olona nefa mbola mahita tia olon-kafa ihany?mba ameo torohevitra e fa very tokoa
novalian'i soanja ny 23/09/2009 13:34
2. soanja ( 21/09/2009 00:39)
xxx:

Miisy lehilahy zay niaraka tamiko fa nisaraka zay avieo, izy tonga de niverina niaraka t'@sipani taloha,za no nisaraka fa vo naheno aho oe miaraka @olokafa izy de tena nakarary ana!t'@volohany aloha niteny aho oe hiverina fa efa milaza amiko izy oe tena hiaraka @le vehivavy ray! de nekeko ilay situation sy ny décisioni ka nionona aho tsy nanelingelina an'azy mintsy! za mo niataka satria tsy mety mijanona namana normal anay ka mapijaly no sady izy niteny ko oe aleo tsy de mifaneratsera tsony! tsy nifapiresaka zay elaela!
Vo tsy ela anay no vo ni-reprendre contact ndrèki, de milaza izy fa tianà, isakiny mifakahita anay de otrany olona miaraka reny ( tena miaraka), nefa refa samy lasa de samy tsy fapanome vao2!Iao mbola tian'azy izy ko milaza fa tiana nefa izy miraka @olonkafa,no sady mi-sous enttendr izy oe misy blèm @sipany !mahatsapa aho oe ataony kilalao ary nolazaiko t'@oe okzay! fa izy miteny @ko fona oe tsy iz mintsy hono no hanao an-zany amiko fa misy zvtr mbola réglény zany de mila patiente hona iaho!de tena hitako oe sincère izy miteny an-zany! nefa ny zava-bita hono no hifampitsarana!irien à changer!
de tena very , mila hatokisako ve izy sa tonga de havadika ny pejy fa mapanatena zvtr tsy ho hisy mintsy?tianà ve izy sa resaka,sy ataony kilalalao ftsn marina, na oe fakana rivotra fa leoleo an-sipany any iz!? f'efa fombany bandy ve le oe efa miarka @olona nefa mbola mahita tia olon-kafa ihany?mba ameo torohevitra e fa very tokoa


Raha mahatsapa ianao lalina any anatinao fa tsy matoky azy dia ialao izy fa tsy hahasoa anao na dia mbola tianao azy izy. Aleo misaraka dieny mbola tsy misy raorao. Mba anjarandry indray amin'ity mitondra ny baolina dia miteny hoe " AOKA IZAY. AMPY IZAY"
Ny teny dia powerful be mihitsy na mahery tokoa. Io dia toy ny fiadiana eo imason'ny olona malemilemy ara-tsaina. Fahatanjahan-tsaina no hitako tokony ananandry. Fanontaniana apetraho voalohany hoe:
- "tiako ve ny nataony ahy tamin'ny izy nanao ny sitrapony hisaraka amiko ka maika hiaraka amin'izany olona izany? Inona no valiny? Tokony ho TSIA ny valin'io ho an'olona normal raha tsy hoe ianao no nanao fahadisoana tao anaty fiarahanareo dia voatery niala izy. Fa raha tsy nisy ny fahadisoanao tamin'izany fiarahana izany ka nangataka hisaraka izy dia ny hiaraka amin'izany sipa izany no nahamaika azy. Efa azony ny mamy avy any dia mitady hiverina haka mamy aty amindry indray izy. Ny lehilahy mpanao an'io anefa tsy lehilahy tsy mety hafapo. Mety hilamina izy androany fa ny ampitso mbola baraingo satria efa nisy ny traikefa nivalana.

Io " Aoka Izay. Ampy Izay " io dia tsy tokony arahana fanazavana akory. Raha mi-insiste ny te hahafantatra izy dia tsotra fotsiny ny valiny hoe " Tsy manam-baliny ho anao aho." Jereo moa raha tsy mila hivadika adala izy maheno izany. Satria lasa nivadika any aminao ny baolina. Tsy manana control izy ary mety fanina mihitsy.

Rehefa AOKA IZAY anefa dia aoka izay tokoa. aza asiana kesikilia sns fa dia maka coin na mifindra lasy tanteraka. Io fivezivezen'ny fiarahana miaraka sy tsy miaraka io dia manimba olona tokoa ary tsy manampy n'iza n'iza.

Aza avela hampirafesina ny tenanao ary manan-kasina ianao matoa izy mbola te hiaraka aminao. Aza avela hozimbazimbainy ny momba anao. Kajio izay ho an'izay fitiavanao manaraka. Alao izy hianatra lesona hoe ny " Valala tsy indroa mandry ambavahady"

Mahereza fa tsy indray mandeha ny fipoakan'ny fitiavana fa na dia vehivavy dimapolo, enimpolo, fitopolo taona aza dia mbola mahita mahiratra amin'izany hamamin'ny fiainana izany!



3. rhina ( 21/09/2009 05:57)
fa i xxx ve lo lehilahy sa vehivavy e?
:?:
4. ni81 ( 21/09/2009 06:22)
fa i xxx ve lo lehilahy sa vehivavy e?
dia ity no nolazainy teo ambony teo hoe:
Miisy lehilahy zay niaraka tamiko fa nisaraka zay avieo,
vehivavy izy izany raha ny firesany eo io
5. nathie86 ( 21/09/2009 11:05)
hermaphrodite ki izy ry ni an :-P
6. ni81 ( 21/09/2009 11:22)
hermaphrodite ki izy ry ni an
kay moa! :)
7. xxx ( 21/09/2009 11:33)
ni81:
kay moa!

Ahitsiko kely ilay tenin'i ni81.
Kay moa efa hitanao no tiany ho tenenina fa adinony fotsiny. :)
8. xxx ( 21/09/2009 12:30)
Ny tena marina za no nisaraka de tena refa niaraka t'@olonkafa 2 jrs aprés nisarahanay izy vo oe "nakaiza ny tanteliko teto", tsy niverina iz, ary tena determiné be izy @valiteniny oe tena io vehivavy io no tiany hiaraka @ni !ny tenako mo de Nahazo an-le lesona oe "ny valala tsy indroa mandry ambavahady" lol ka tonga de niataka otrani tsy teo, nisrespecté an-décisioni sy ni'assume ny zvtr nataoko!
Nefa iz ihany no mbola tonga ati amiko avieo oe tia e makatsimakaro...initiative'any no niverenanay niresaka!Za mo nanaiki an-le situation satria mbola tian'azy aho, no sady nanenina be za oe nisarka t'@ donc zany oe mba occasion hirattrapéko ny hadisoko le izy! fa otrany mivadika zvtr hafa le iz!

Maisaotra an'i Soanja, tena marina zany manimba le fivezivezena miaraka,nefa za efa mba nanomboka nanadino an'azy ihany! sarotra ny mi-appliqué an-lé oe "aokzay ampizay " satria ça suppose oe veriko tatenraka izy
=>fa ho amboarina zany le saina hanidry an-le fo!!! (tsy mora)

rhina> vahivavy aho lol :wink:
9. Mirananirina ( 21/09/2009 13:03)
fa vo naheno aho oe miaraka @olokafa izy de tena nakarary ana
tena hiaraka @le vehivavy ray! de nekeko ilay situation sy ny décisioni ka nionona aho tsy nanelingelina an'azy mintsy! z
efa hita ve fa zavatra mankararay ilay izy.Inona moa no hiaretana amin'izany.Ny hiafaranao izany dia ataony kilalao fotsiny satria manaiky miaraka aminy ,nefa izy miaraka amin'olona hafa.Mazava be anie izany fa ilay 1 no tiany fa tsy ianao eh.Raha tiany ianao farafaharatsiny nafeniny anao ilay raika.
10. soanja ( 21/09/2009 13:55)
xxx:

, izy tonga de niverina niaraka t'@sipani taloha,



Ilay hoe 2 andro fotsiny tonga dia niverina niaraka atmin'ny sipany taloha aloha dia mampametraka ahy fanontaniana tokoa. Roa andro ve dia hahavita hahatsangana fitiavana sy fiarahana. Mihevitra aho fa mety efa nisy relation tao fa nony nisaraka ianareo dia tonga dia nabaribariny amin'izay ilay fiarahana. Moa izy raha niteny io mihitsy ny vehivavy tiany iarahana dia tsy resaka androany sy omaly izany fa tena efa nisy base elaela tao niorina. Koa diniho tsara.

xxx:

!Iao mbola tian'azy izy ko milaza fa tiana nefa izy miraka @olonkafa,no sady mi-sous enttendr izy oe misy blèm @sipany !mahatsapa aho oe ataony kilalao ary nolazaiko t'@oe okzay! fa izy miteny @ko fona oe tsy iz mintsy hono no hanao an-zany amiko fa misy zvtr mbola réglény zany de mila patiente hona iaho!de tena hitako oe sincère izy miteny an-zany! nefa ny zava-bita hono no hifampitsarana!irien à changer!



Na sipa io na vady dia tsy tokony hisy zavatra miafina izany fa raha mananjavatra ho regleny izy dia mila teneniny aminao hoe inona hono io zavatra io. Ianao ve dia manantena hanambady olona manana secret hafa any ambadika any. Sanatria aloha izany amin'ny vehivavy toa ahy fa asa izay indry. Izay zava-mitranga any ambadika any dia mila fantarinao amin'ny alalany. Anontanio izy hoe inona no tokony hiandrasana tsy isarahany izany sipa izany raha tia anao izy. Maninona ianao no asainy miandry (patience). Sa ve bevohoka le sipa dia miandry fanalana zaza sa fiterahany? Inona no mahalaitsa azy any? Ny atao olona sincere dia ny milaza ny antony rehetra tsy ahafahana mifankatia amin-kahalalahana.

Isika vehivavy hoy aho aza manaiky ambakain'ireto lehilahy ireto. Samy manana ny hasiny io. Amiko tsy misy itomanizana fitiavana tsy lavorary. Fijaliana no ambadiky ny tsy fahalavorariana fa tadidio tsara. Tsy misy lehilahy na vehivavy tsy misy kilema fa raha ny fiarahana no mandanginina dia tsy tokony ho fiarahana intsony izany fa ajanona ho mpinamana fotsiny na mifindra lasy tanteraka. Io vatana tsara tarehy io dia hisy hitia foana fa aza mampijaly saina sy hanimba ny ho avy amin'izay lehilahy tsy hamokatra.



xxx:

mila hatokisako ve izy sa tonga de havadika ny pejy fa mapanatena zvtr tsy ho hisy mintsy?tianà ve izy sa resaka,sy ataony kilalalao ftsn marina, na oe fakana rivotra fa leoleo an-sipany any iz!? f'efa fombany bandy ve le oe efa miarka @olona nefa mbola mahita tia olon-kafa ihany?mba ameo torohevitra e fa very tokoa


Mino aho fa tiany indry raha ny fandinihako ny resaka omendry eto. Saingy hoe lehilahy manana ny mahaizy azy ve izy raha fitiavana, dia hoy aho hoe mampisalasala ny momba azy. Indry anefa no miresaka eto fa izy mbola tsy nanome ny sikajiny teto.

Ie, fomban'ny bandy ny mihinandroa ho an'izay tia manafangaro sakafo. Misy resaka fitiavana io indraindray ary indraindray dia resaka filana fotsiny. Miankina amindry irery ny hanaiky hampirafesina na tsia. Matoa izy mampirafy izao dia tsy hidika mihitsy hoe tsy hampirafy izy any anaty tokatrano. Indrindra rehefa avy miteraka iny indry. Any ny bandy vao miseho ny tandrony. Tandremo ihany.

Raha tsy mahasaraka izany vehivavy izany izy dia ataoko fa misy zavatra tsy ariny amin'izany vehivavy izany. Mety hampisy raorao ny ho avy ny zavatra toy izany.

Marina fa tia indry. Be tamin'ny vehivavy no nanaiky nambakaina sy nosimbaina ary nandevozina nefa dia milaza fa tia azy ireo avokoa ireo olona manao izany amin'izy ireo. Anjarandry ny maka fanapahan-kevitra na mety amindry io na tsia. Tsy hisy hanome tsiny andry velively akory satria fiainandry io ary samy manana ny fiainany olona. Fa dieny mbola misy ny safidy azo atao dia raiso ny andraikitra. Fidio izay hahasoa ny taranakao!

Rehefa miteraka isika olombelona dia mihena ny safidin'ny fo satria efa misy zaza itambaran'ny fiainan'olondroa. Zavadehibe mila atrehana io anefa satria aina vaovao no resahina fa tsy resaka hafa. Izay no sikajin'i Soanja. Mahereza indrindra.




:-* :-* :-*
11. xxx ( 21/09/2009 14:14)
fomban'ny bandy io milaza hoe misy pbm izy sy ilay iray io rehefa te hahazo ilay zavatra any aminao izy an ... Acta non verba retsy a, rehefa ny vava no miteny fa tia nefa mbola miaraka aman'olona any dia ialao fa lolo
12. simplex ( 21/09/2009 15:01)

ary tsy mety nga ra mba ataonao kilalao kou izy :)
otran'ny azo atao reciproque manko izay kozy izay :P

Ny fahendrena alou dia miala dieny tsisy maratra ee... sady mba tokony manana ambo-po koa anie ee. Aiza koa no dia hoe iarahana dia sarahina dia iarahana indray. En plus, sady manana sipa hafa officielle koa izy 8O

miala tsiny fa tsy maintsy hanoratra an'ity indray ah:
cet homme est un hero :^)

^:^
13. xxx ( 21/09/2009 16:30)
Simplex "[...]sady mba tokony manana ambo-po koa anie ee.Aiza koa no dia hoe iarahana dia sarahina dia iarahana indray. En plus, sady manana sipa hafa officielle koa izy... "

sur alo fa rah tsy asina sentiment le izy fa jerena otranizao tonga de mapite hitsoka!
14. fasha ( 21/09/2009 17:12)
FAHITAKO An io bandy io matahotra ny ho voso droa izy . atao ny pneu de secours FOTSINY dry sao tsy raikitra ny azy sy lay sipa ray;NY bandy rehefa tia tsy misalasala zany fa tonga de fantan dry zany zvt karakaraina zany an de tsy inona fa miandry izy ra ho raikitra ny azy roa de avelan dry.
ANJARAN DRY NO MISAINA FANTAKO FA MAFY NY mahazo an dry olon tina zany ka sarotra ny manadino ka torohevitra roa ny omeko an dri
voalohany: na tonga de misaraka @ lay bandy dry de vita atreo ny fijalian dry
faharoa; ra toa mo dry tsy te hisaraka fa zay maharitra vadin andriana de ampisehoy koa fa vehivavy dry zany oe hitan dry ny lehilahy rehefa hitan loatra fa potika @miny dry de io no ataony ka izao teneno mazavy izy fa tsy afaka ny hizara fitiavana @ lehilahy tian olon dro ka ra miteny izy oe samy tiko nareo tsisy azany fa ho tsofoko rano enao na marary aza dry ereto mandritra ny ray volana ka ao anaty zay aza mifandray tel @miny tsony na miansto izy aza raisina.RA MANASA andry hiara hitsangatsangana aza mandeha mandritra an io ray volana io aza mifanerasera aminy na dia mararay aza dry fa ra tena tia an dry izy avelan lay ray ra tsy izay mahaiza miomana fa tsy anjaranao.MAHEREZA
15. simplex ( 21/09/2009 17:17)

lol
zafady ary eee :)

marihiko eto fa efa nahavita an'ity enao taloha:
toi:
t'@volohany aloha niteny aho oe hiverina fa efa milaza amiko izy oe tena hiaraka @le vehivavy ray! de nekeko ilay situation sy ny décisioni ka nionona aho tsy nanelingelina an'azy mintsy! za mo niataka satria tsy mety mijanona namana normal anay ka mapijaly no sady izy niteny ko oe aleo tsy de mifaneratsera tsony! tsy nifapiresaka zay elaela!
:)

sao dia tokony asiana re- kely io :P

Sinon, tsy manin koa raha ohatra ka hitanao fa mety ny miaraka aminy @ izao ee. Bedabe ny ol otran'zany hoe tsy tiako ny hataony kanefa tsy foiko izy satria tiako.
Ny tiako tenenina fotsiny dia ny hoe mbola tsy mpivady nareo, tokony ho automatika ny hoe refa manalika dia bye bye no dikan'zany... asa, hevitro manokana fa izay mahasoa atao :)

;-)
16. soanja ( 22/09/2009 02:47)
simplex:



Ny tiako tenenina fotsiny dia ny hoe mbola tsy mpivady nareo, tokony ho automatika ny hoe refa manalika dia bye bye no dikan'zany... asa, hevitro manokana fa izay mahasoa atao :)

;-)


Ka moa ka tsy izany va!


:)
17. fasha ( 22/09/2009 11:11)
Soanja marina ny teninao rehefa manadala dia bye bye mora ny miteny an izany ra aty ivelany anao fa sarotra ny manantanteraka ra tena tianao lay olona .ZAVATRA niainako lay izy ka azoko joroina vavolombelona eto fa niaritra ny mafy za zay vao vita mariage zay sy ny vadiko ary vao tsy ela tsy akory natahotra ihany ny tenako nefa mafy ny fitiavana ary inona no zava miseho ankehitriny mifankatia bé izahay roa.TSY MISY ZAVATRA MIAFINA ZANY TSONY EO AMINAY;ary ny tena nambabo ny foko dia nolazainy agna daholo reo zavatra zay tokony ho fantako toy n ireo sipa niaraka taminy.
KA IZAO ZAY MAHARITRA IHANY NO VADIN ANDRIANA NEFA MITANDRAEMA IHANY SAO MIARITRA EO KA HO VERY ANJARA SATRIA MISY LEHILAHY TIA MILAALAO FITIAVANA;
18. soanja ( 22/09/2009 15:29)
fasha:

mora ny miteny an izany ra aty ivelany anao fa sarotra ny manantanteraka ra tena tianao lay olona .ZAVATRA niainako lay izy ka azoko joroina vavolombelona eto fa niaritra ny mafy za zay vao vita mariage zay sy ny vadiko ary vao tsy ela tsy akory natahotra ihany ny tenako nefa mafy ny fitiavana ary inona no zava miseho ankehitriny mifankatia bé izahay roa.TSY MISY ZAVATRA MIAFINA ZANY TSONY EO AMINAY;ary ny tena nambabo ny foko dia nolazainy agna daholo reo zavatra zay tokony ho fantako toy n ireo sipa niaraka taminy.
KA IZAO ZAY MAHARITRA IHANY NO VADIN ANDRIANA NEFA MITANDRAEMA IHANY SAO MIARITRA EO KA HO VERY ANJARA SATRIA MISY LEHILAHY TIA MILAALAO FITIAVANA;


Arabaina i Fasha izany nahazo tokatrano sady hanoka ara-pitiavana. Izay no faniriantsika rehetra ka izay no ivavahantsika ho an\'i xxx dia ny mba ho tody amin\'izany koa izy.

Isika raha eto no mametraka lohahevitra mikasika ny tena dia ny mba hifankaherezantsika sy hifanohanantsika ara-kevitra. Anjarantsika tsirairay kosa ny manao ny safidy satria ianao ihany no manoritra ny lalanao raha ny fahitako ny fiainana aloha. Fa isika mpisera kosa manome izay hirika mety manamora izany.

Ny tena votoatin-kevitro, Fasha, eto dia ny fananana fahatanjahana ara-tsaina. Ny fananana fahatokisan-tena matanjaka ao anaty ary ny fananana finoana sy fanantenana fa misy mahiratra lalandava ny ho avintsika na dia matroka aza ny zavatra hita izao.

Marina ny andry fa sarotra ny miala rehefa tia mora kosa ny miteny ho an\'izay tsy mahatsapa izany. Miankina tokoa amin\'ny tsirairay ny matanjaka ara- tsaina. Miankina amin\'ny tsirairay ny fahatantesana fangirifiriana sy fijaliana ary ny finoana fa ho tody amin\'ny tany marina sy mahavokatra. Ny fanantenana amin\'ny fiainana dia isan\'ny ampiodina antsika lalandava. Milalao eo koa \"ny vintana\" (antony tsy miankina aminao nefa miantraika aminao) amin\'ilay lalanao tianao soritana ho anao. Zany hoe rehefa tsoriko dia izay rehetra safidin\'i xxx dia mety avokoa saingy mila manana finoana izy fa ho tafita any aoriana noho izany.

Traikefa iray tena mateti=pitranga anefa na dia mahatanty fangirifiriana aza ny olona iray ao anaty tokatrano dia ny ankizy kosa tsy mba mahatanty izany na dia tsy mahay mamoaka izany ny tenany amin\'ny alalan\'ny saina sy ny vatany satria mbola kely izy ireo. Betsaka ny RAD manao mody tsy mahita mahita zany olana izany ary na hitany aza dia hoy izy hoe akory atao. Io ny ahy no handrefesako ny fahendren\'ny olona amin\'ny tokatrano miaina amin\'izany. Hatraiza ny fitiavan-tenan\'ny tsirairay ka tsy hanimba ny hafa tsy manantsiny. Fa ny ankoatr\'izay kosa dia izay mahatanty mahatanty ary izay tsy mahatanty mahazo miala hoy ny malagasy tsy mpivaky latety. C\'est la vie io!
Izay maharitra vadin\'Andriana io aloha miala tsiny fa somary efa nilaozan\'ny toetrandro ihany amiko. Iza no andriana dia iza no andevo? ara-tsary no tiako lazaina eto. Iza moa aho no hiandry anao hanantanteraka izay sitraponao amin\'ny antsakany sy andavany no hiaritra ny mantsina eo , indrindra hanimba ny taranako eo? Moa va tsy manana ny hasiko aho no hiandry anao izay mihevitra fa mpandahatra? Ahoana no ahafantarako fa raha hiova ianao androany dia toy izany foana mandrakizay nefa zah efa mahalala fa efa nivalana ny traikefa niainanao ary amin\'ny safidinao izany?

Eto amin\'ny cas xxx aloha dia tsy afaka hanaratsy lalandava ilay lehilahy isika satria izy koa aza mba voan\'ilay hoe ndao hisaraka ka izay niainany mety manana fahamarinana koa.

Mila faharetana ny fiainana saingy ilana lalandva fanasiana fetra izany faharetana izany. Indray mandeha ihany isika no miaina eto an-tany raha tsy hoe mino ny re-incarnation. Na izany aza mbola resaka hafa koa no hiseho.

Afaka mijoro vavolombelona koa aho Fasha fa ny sipako voalohany dia gaigy tokoa raha lehilahy. Tsy nihevitra ahita bandy mihoatra an\'izany aho. Any aminy daholo ny mamiratra rehetra. 8 taona be izao nomeny fitiavana tsy azoko hazavaina ny tenako nefa tsy sambatra. Tsy nampijaly izy fa zah no nijaly satria tsy nahatoky tena. Tsy nahatoky ny fahatanjahako sy ny fahiratako aho. Niaina tao anaty tahotra. Mihevitra aho fa misy zava-dratsy ao ambadik\'ity na dia tsara be aza. Na dia tia adala aza aho dia matahotra ny ho aviko taminy. Tsy fantatro io nahoana? Indraipa fotsiny anefa dia tapa-kevitra fa vitaiko ny aminay. Tsy mendrika ny hiaina tsy ao anaty fahasambarana aho sy ny taranako. Io no nibahana. Tampoka no nahalalako io fieriteretako io. Iny aho lasa. 4 taona tao anaty fahanginana sy filaminan-tsaina. Miandry izay anjara. Nandondona ny anjara. Inona hoy ianao tsy azoko vinaniana akory ny hatsarany sy hamaminy. Isaorana Andriamanitra!

Koa dia mivavaka ho an\'ny xxx isika. Enga anie hanana fitoniana izy ary hatanjaka lalandava amin\'izay soritra tiany arahina fa tsy hiafy sy hijaly foana.

Soanja

19. fasha ( 22/09/2009 18:07)
soanja marina ny voalazano ary ra mamaky ny volazako eo ambony ianao dia izao torohevitra nomeko azy aza mifandray aminy ianao mandritra ny ray volana farafakeliny ba hatsapana ra ti azy lay bandy fa ra ao anatiny ray volana izy tsy manome vaovao dia ialao.
ZAO kia ry soanja mafy tokoa rehefa tafiditra ao @ fitiavana io ary deraiko mitsy ianao t@ decision noraisinao t@ lay sipanao voalohany tsika vehivavy manko malemy fo nefa tokony ho toherin io ra matanjaka ka ra mety @ xxx dia manao toy ny nataoano zay mahatonga ana miteny eo ambony eo sao ho very anjara ka aleo hajanona ny fiarana ra hita fa tsy hiova lay rangahy.
NY hany ba teneniko any XXX dia ataovy mazava tsara ny resaka @ lay bandy ka ra mbola misalasala izy dia avelao fa tsy anjara
20. soanja ( 23/09/2009 13:34)
fasha:

. aza mifandray aminy ianao mandritra ny ray volana farafakeliny ba hatsapana ra ti azy lay bandy fa ra ao anatiny ray volana izy tsy manome vaovao dia ialao.
. sao ho very anjara ka aleo hajanona ny fiarana ra hita fa tsy hiova lay rangahy.
NY hany ba teneniko any XXX dia ataovy mazava tsara ny resaka @ lay bandy ka ra mbola misalasala izy dia avelao fa tsy anjara


Ok Fasha, marina mihitsy ireo hevitrao ireo.


:-* :-* (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7092