Ho sarotra ny hanalana an'Ingahy Monja Roindefo eo !

1. ravatorano ( 19/09/2009 07:38)
NIfamadibadika be ihany ny vaovao niely tetsy sy teroa nandritry ny telo andro izay ary tena niaina tao anatin'ny tsaho ny mpandini-baovao sy ny mpikirakira ny resa-politika indrindra fa ny resabe mande andalambe ary ny tena dia anisan'izany saingy tsy sahy mamaoaka teny raha tsy hita hoe maripototra ilay izy ka aleo ity voalazan'ny gazety taratra ity no apetrako eto mba ho vakiantsika rehetra :

VAOVAO MISONGADINA

FOLOALINDAHY

Hanendry Praiminisitra ao anatin’ny 72 ora

Araka ny re hatry ny omaly alina, manambana ny hametraka praiminisitra miaramila ny Foloalindahy ao anatin’ny 72 ora, raha tsy mametra-pialana Ingahy Monja Roindefo. Mandra-pahatonga izay anefa, mbola miezaka mandresy lahatra azy izy ireo. Etsy andaniny, miantso ny rehetra ho tony ny Cemgam, ny Kly Ndriarijaona André.

Mifangaro tanteraka ny vaovao mahakasika ny miaramila ankehitriny. Efa miroso miandalana any amin’ny famahana tsikelikely ny krizy izy ireo na mbola tsy misy aza ny fanambarana ofisialy mikasika izany. Araka ny fanadihadiana natao, mazava ny resaka ankehitriny fa mirona any amin’ny fanendrena praiminisitra ny Foloalindahy. Misy ireo manamboninahitra, manamboninahitra ambony, jeneraly milaza fa hametraka praiminisitra miaramila ao anatin’ny 48 hatramin’ny 72 ora. Tsy eken’izy ireo ny mbola hipetrahan’i Monja Roindefo amin’io toerana io. Heverin’ny miaramila fa tsy praiminisitry ny marimaritra iraisana izy.

Raha ny fantatra, efa nahazo toromarika avokoa ny any anaty kazerina sy ny toby miaramila mba hitandro hatrany izay tapaka tany amin’ny fifanarahan’i Maputo I, ao amin’ny andianiny fahefatra. Jeneraly iray no heverina ho eo amin’izany toerana izany ary olona lanin’ny ankolafy efatra. Manamafy ny manamboninahitra rehetra azo an-telefaonina halina, fa tsy olona iray no ho vato misakana amin’ny famahana izao krizy mianjady amin’ny firenena izao. «Marina fa anisan’ny nitolona i Monja Roindefo, ary mitombina ny fiarovan-tenany fa angady nananana ny fanovana izy saingy raha ny tena nitolona ve, misy ohatra anay miaramila. Tsy miady seza anefa izahay fa mampandefitra ny hambom-po manokana mba hahazoantsika ny fankatoavana iraisam-pirenena, hampihodinana ny raharaham-pirenena», hoy ny kolonely iray. Tsy maintsy miala amin’ny fomba rehetra ny praiminisitra araka ny vaovao voaangona ihany. Na izany aza, tsy manan-kevitra ny hanafika velively ny Lapan’i Mahazoarivo ny miaramila satria ny ankamaroan’ny olona nametraka azy teny an-toerana ihany no mitaky ny hialany ankehitriny. «Tsy ny fanafihana ihany no ahafahana manongana an’i Monja Roindefo. Namana izy dia resena lahatra fa rehefa miziriziry izy dia ho hita ny hanaovana azy», hoy ny kolonely iray hafa, nanamafy.

Tsy ho mora ny fanesorana azy

Hatramin’izao, mazava ny fitsipi-dalao eo anivon’ny fitondrana tetezamita. Misy tokoa ny tsy fitoviam-pijery raha tsy hoe manao vazaha mody miady ireo mandrafitra ny andrimpanjakana. Tsy hanaiky mora ny fanesorana azy amin’ny toerana akory Ingahy Monja Roindefo Zafitsimivalo. Izy rahateo no niaritra ny mafy nandritra ny tolona. Anisan’ireo nitarika ny vahoaka teny Ambohitsorohitra mihitsy izy nandritra ny fitifirana natao ny 7 febroary. Misy rahateo ny ankolafy miaramila miaro azy. Efa maro ny fanambarana nivoaka nataon’ny manamboninahitra avy any amin’ny faritany manohana azy.

Raha ny vaovao azo omaly hariva, misy ny vondron’olona na fikambanana sivily tsy mankasitraka izao fikasana hanala azy izao. Efa mivonona amin’izay hiseho ry zareo. Nampihoron-koditra mihitsy aza ny resabe nandeha hatry ny alina fa efa misy olona sy miaramila miisa 300 na 400 miatrana ao anaty Lapa. Saingy tsy nitombina ny vaovao rehefa nohamarinina. Ny mahavariana amin’ity toe-javatra ity, ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina no re fa miara-dalana amin’ireo miaramila mitaky ny fanovana ny lehiben’ny governemanta. Mialoha ny famoahana ilay governemanta faharoa no efa nanaiky izy saingy niova hevitra tampoka noho ny antony tsy mazava amin’ireo manamboninahitra miara-miasa aminy.

«Aoka ho tony», hoy ny Kly Ndriarijaona André

Nanatanteraka fivoriana lehibe teny Andohalo ry zareo avy ao amin’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika, omaly. Nisy ny fanambarana nataony tao amin’ny onjam-peom-pirenena omaly hariva. Nilazany fa tokony ho tony hatrany ny vahoaka. Mila malina hatrany kosa anefa ny rehetra, indrindra fa ny eo anivon’ny Foloalindahy. Iray tsy mivaky izy ireo ary diso ny fivoizana fa samy manana ny fironany.

Tetsy andanin’izay, nanao fivoriambe teny Betongolo koa omaly, ny Ombimanga, ny Tangalamena, ny Hazomanga avy amin’ny Foloalindahy malagasy. Tsy nisy nipka ny dinika izya nambaran’ireo nanatrika izany fa nafampana ny adihevitra. Nisy ny fanambarana fohy nataon’ny Jly Rakotoarimasy André Lucien, nitarika ny fivoriana, izay niompana be dia be tamin’ny fanamafisina ny fitsipika mifehy ireo Ombimanga ireo. Mitsipaka ny fampiasana ny anaran’izy ireo an-gazety ihany koa izy 31 mirahalahy tonga nivory.

Riana Raymond
gazety taratra
19/09/09



novalian'i terrywui ny 19/09/2009 17:23
2. menalamba ( 19/09/2009 07:56)
Manomboka hita sahady ny fiantefan'ilay folo miliara! Izay tsy nahazo anefa tsy hitazam-potsiny, tsy maintsy hiafara @ rà mandriaka ve izy ity vao hilamina?? 8O
3. tlay ( 19/09/2009 08:07)
Miakina @ fiziriziriny HAT @heviny no mety mapisy rá mandrika anio
4. ifiona ( 19/09/2009 08:25)
d aona letsy zany ry wiwi isany :lol:
5. ntss ( 19/09/2009 08:53)
Gazety taratra tsy mahagaga fa tendance légaliste io.

Tsy miditra am zany oa ny miaramila. Raha te hiditra teo izy de efa ela no naka fahefana.
6. lelimpi ( 19/09/2009 09:12)
ntss marina ve izany ry andrywui ?
7. terrywui ( 19/09/2009 09:33)
ntsss letsy fianakam's fa tsy za a! mahaiza mandinika fa rahalahy reo e!

--miresaka ny "ombimanga ,tangalamena ,hazomanga, jaomena ,mazavaloha ,tandroka sns.." le gazetin'ny ravato ao !

zao aloh ravato a! miresaka miaramila ianao ao !! ravato moa any M/car sa eto france ?? fantatry ravato tsara ve ny iray promotion ? manaiky aho fa mety misy iray hamarara ireo fa na le journaliste nanao an'io aza tsy mahalala zavatra!
--Tena tsy hitombina na oviana na oviana zany oe samy miaramila hiady zany fa misy rahalahy atsy amn cemgam , avy aty amin RM1 na rahalahy avy ao amin BATAC nipoitra avy ao amin BANI ! ravato toa mahalala tsara iany ny fiavin'ny promotion rehetr raha le resatsika mitokana tamin mesazy ndray mandé iry !!

--Raha ny resaka Roindefo aloh de mety ho possible ny hoe mirefotra eo lery ref tsy mety miala milamm eo ! efa nolazaina azy anie fa mila manao geste ny HAT noho ilay Maputo reny e! nef Roindefo mo somary nitokona foana io !!
--Ny tena tsy laitran'ny Fanjakana sy ny naha krizy andry lerony anie de le oe ny filohany (Andry Rajoelina ) mitsy no esory teo de ovay an'i ianona !!
-efa mandeha iany alou na zany na ts zany ny resaka sy ny fifanarahana sy fandresena lahatra an'i PM fa mety hilamm io ka !! tsisy miaramila miambina zany izy !! lainga zany !
--Ny colonel ,( General : division , brigade) no efa nampîlaza taminy fa mety ahatsara zavatr ny fialany alou zao !!

--milamina io Ravatorano aa!

8. ntss ( 19/09/2009 09:51)
Zay lesy ny problem n'ireto TIM ato am serasera ato ry Terry a! vitsy hono tsika TGV fa ry zareo no maro! fa mba manontany tena a hoe: raha tena betsaka izy manin i Pdt Andry mbola eo foana?
9. xxx ( 19/09/2009 09:52)
miteny ny CIA eto seraserasera :-D :-D :-D :-D
10. xxx ( 19/09/2009 10:20)
bandy 3lahy lisany tgv manankotaba eto tsy mba manana idée fa dia hita hoe foza iringiriny izany hoe tsy nahita fianarana tsy mihoatra ny bepc ny diplaoma
11. dadabe ( 19/09/2009 12:15)
:-D
12. xxx ( 19/09/2009 12:53)
i wiwi chef de gang ny fianakams eto hono araka ny feo mandeha :-D :-D :-D
13. diloo ( 19/09/2009 13:43)
xxx--->
bandy 3lahy lisany tgv manankotaba eto tsy mba manana idée fa dia hita hoe foza iringiriny izany hoe tsy nahita fianarana tsy mihoatra ny bepc ny diplaoma


Mba humble r'ise xxx. Raha nahita fianarana marina ianao, dia tsy io toe-tsaina manambany ny sasany no ho aseo. Un peu de diplomatie intellectuelle no tokony entina mifanakalo hevitra.
Ny demokrasia dia natao ho an'ny rehetra na nianatra na tsia. Il faut éléver un peu le débat mais pas de cette façon. :roll: :(
Hajao ny fianakam's na dia tsy mitovy hevitra aminy aza.
14. ifiona ( 19/09/2009 17:03)
diloo :-*
15. terrywui ( 19/09/2009 17:23)
Raha ten nianatra marina ve nareo ry TIM , GTT de ho azonay mora foana ny Fanjakana eo ampelatananareo a! ?? aiza ny Taktika sy ny Teknika fiarovana ny état ? toa azon'ny tsy nianatra ? ha ha ha ha !! aza afamadika ny resaka ooo!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4316