Nahazo fanasana tamin'ny ONU hono ny mpitondra TGV eh

1. klitika ( 18/09/2009 18:45)
Ry havana,

Fotoana fohifohy na volana vitsivitsy lasa izay dia nisy ireo minisitra TGV tonga tany NY, nankalazaina fa hoe voahasa tamin'ny fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny toekarena. Ka nefa dia olona tonga niraoziraozy fotsiny ho fampandriana adrisa ny tany an-tanana.

Dia tonga indray ity ny fivorian'ny ONU, dia milaza fa nahazo fanasana ry zalahy. Dia hoy aho hoe nahazo fanasana hatory any NY indray angaha ry zareo. Tsara tokoa ilay Imperial Hotel ka tsy mahagaga raha tonga matetika ry zalahy. Amin'ny maha mpikambana an'i Mada ao amin'ny ONU dia manan-jo hanatrika ny fivoriam-be tahaka itony i Mada, izay soloin'ny Filoha tena sy ny minisitry ny raharaham-bahiny. Noho ny tsy fisian'ny mpitondra mazava eto Mada anefa dia ny masoivoho eo anivon'ny firenena mikambana no hisolontena antsika amin'ity fivoriana manaraka ity. Heno ary efa voaomana fa ho tonga eto ny TGV sy ny minisiny, saingy hijanona hiandry tatitra avy amin'ingahy Masoivoho. Ka dia hianokanona eto NY herinandro ry zareo ho fampandriana adrisa ireo mpanaraka ny TGV.
novalian'i ntss ny 19/09/2009 08:21
2. Noue ( 18/09/2009 19:08)
ary ilay fika oe nahazo fanasana t@ ilay fetim-pirenena US ? kay tsaho fotsiny eee ! :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
3. Papoose ( 18/09/2009 19:16)
fa eto mada ve i klitika sa any new york sa eto new york eee!!! za mantsy mba saika hiteny hoe tonga dia alaivo ny sary sy audio hojeren'ny pokona!

nga koa misy imperial hotel any kle!!! ny ahy any bira ihany no mba fantatro!
4. fijo ( 18/09/2009 20:15)
le fanasana koa anie raha misy aza,tsy midika mihintsy hoe fanekena e,zavatra roa samy hafa izany
5. Papoose ( 18/09/2009 20:42)
fijo: efa voalaza mialoha zay ka! jereo ange ao @ topmada e!
6. klitika ( 18/09/2009 20:43)
Papoose:

fa eto mada ve i klitika sa any new york sa eto new york eee!!!


Za eto amin'ilay Madan'i New York eh, nga tsy fantatrao.... Bronx zoo
7. Papoose ( 18/09/2009 21:12)
non tsy fantatro, zay no anton'ny nanontaniko...dia mba omeo vaovao zany ny gasy e! :D
8. fijo ( 18/09/2009 21:12)
vao hijery vaovao avy eto ko
9. Papoose ( 18/09/2009 21:14)
googleo koa fa misy communique milaza an'izay :D fa mbola tsary hitako le izy
10. fijo ( 18/09/2009 21:17)
she ateo aho hijery ka
11. Papoose ( 18/09/2009 21:21)
oki :wink:
12. ntss ( 19/09/2009 08:21)
Be fialonana njay an!!!! efa akiky ry zalahy ny Victoire par K.O a!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0328