FITEZANA ANKIZY VAO MATY RENY

1. NDINDY ( 14/09/2009 15:26)
:D INONA NO AZO ATAO AMIN'IRENY ANKIZY MBOLA KELY NEFA EFA NILAOZAN'NY RENINY SAHADY NOHO NY FAHAFATESANA TAMPOKA, KA NY RAINY SISA NO MITAIZA AZY IREO ? TOKONY HAKA VADY VE ILAY RAY NILAOZAM-BADY SA INONA NO METY ? INDRANDRAY MANTSY NY RENY KELY MANAHIRANKIRANA IHANY NY MAHITA AZY. LOHA HEVITRA TIAKO MBA HO FAKAFAKAINA ITY RAHA METY.
2. Ratoa ( 14/09/2009 18:15)
Mampalahelo
mila reny ny ankizy. Ny vehivavy rehetra dia mahatsapa ny ngidin'izany. Misy anefa tsy mahazaka ny zanaky ikalaha hafa na dia tao aza ny fahavononana teny amboalohany . Ny zaza koa mahatsapa tsara fa tsy reniny ity akaikin-drainy ity. Dia hainy tsara ny manilika ilay reny kely, eny na dia vao mena vava aza ilay zaza.
Fanontaniana sarotra dia sarotra ity apetrakao noho ireo antony ireo.
Nahita zaza aho, vao 6 volana, maty reniny dia mijojo ny ranomason'ilay zaza. Tsy hay ampanginina. Tsy mifendrofendro izy na mikiaka fa ny ranomaso fotsiny no mijohy maraina paha hariva ny andro. Niditry ny trano vehivavy lehibe iray, efa dima-polo taona mahery, tsy nisy rohi-mpihavanana mihitsy izy mianaka. Noraisiny ny zaza ka nangina sy namikotra mafy. Ento ho anao hoy ny fianakaviana fa ianao no reny nandrasany. ramatoa tsy mba niteraka ity vehivavy. Efa maty izy izao ary ilay zaza (lahy kely) tafita soamantsara, manam-bady amanjanaka.
Nahita koa lehilahy maty vady vao tanora. Iray ny zanany, vavy. raha narary mafy ny vadiny dia nivoady izy fa tsy hahalala izany hoe taizan-drenikely ny zanany. Dia izay tokoa ny nataony. Ny raibe sy reniben'ilay zaza , ny nenitoa sy dadatoa rehetra ary ny cousins sy cousines no nitaiza azy. Efa lehibe ny zaza (Etudiante) vao naka vady izy ..

Iza no haharitra izany? Asa... Fa ianareo , na lahy na vavy mandova zaza kamboty amin'ny alalan'ny fanambadiana, aza ny maha zaza tsy maharo tena azy no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon'ny loha.
3. rhina ( 15/09/2009 15:05)
azafady lo ry NdiNdy an tsy oe tsy te hamaly ilay hevitra napetrakao za fa vao namaky ilay nolazain'i Ratoa za dia misy fanontanina manitikitika ahy
misy cas ray zay itako : tsy maty ilay ramatoa reniny le zaza an fa mbola velona mirijarija tsara any
any @ reniny izy ireo no mipetraka fa misy fotoana manao vacancy any @ dadany fa ny dadany efa manambady dia aona no mety ho fipetraky ny fiainan'izy ireo
ra araka ny hevitrareo fa tena betsaka loatra ny fitsaranay manodidina mahita azy ireo. zany oe @ ilay vadin'ilay dadany zany sy ny fifandraisana @ ireo ankizy ?
4. soanja ( 15/09/2009 23:35)
NDINDY:

:D INONA NO AZO ATAO AMIN'IRENY ANKIZY MBOLA KELY NEFA EFA NILAOZAN'NY RENINY SAHADY NOHO NY FAHAFATESANA TAMPOKA, KA NY RAINY SISA NO MITAIZA AZY IREO ? TOKONY HAKA VADY VE ILAY RAY NILAOZAM-BADY SA INONA NO METY ? INDRANDRAY MANTSY NY RENY KELY MANAHIRANKIRANA IHANY NY MAHITA AZY. LOHA HEVITRA TIAKO MBA HO FAKAFAKAINA ITY RAHA METY.

Ny hevitro azoko hanampiana angamba dia firy taona avy ny ankizy mba hahafahako manome torohevitra anao hoe ahoana ny fomba fitaizana zaza mifanaraka amin'ny taonany.

Amiko tsy mipetraka ny hevitra hoe tokony hanambady mba hanana solondreny ry zareo. Raha hanambady ianao dia ataovy foana fa noho ny Fitiavana no hanambadianao olona iray. Ny zavamisy tokony hipetraka anefa dia ianao dia tsy irery intsony fa miaraka amin'ny pake ka io pake io dia ny ankizy. Zany hoe raha hanaiky hanambady anao izany olona izany dia sady tiany ianao no tiany koa ny zanakao. Isany itiavanao azy izany ny fahafahany hanaiky ny hahanana an'ireo ho zanany. Tsy mora anefa ny mahita izany vehivavy izany saingy misy tokoa ireo. Tsy misy mahamaika ny mitady azy fa ny fiainana no hanome anao izany anjara izany raha tahiny ka hisy izany. Fa alohan'izay dia sady ho reny ianao no ho dada.

Fitiavan'Andriamanitra lehibe ary lasa fahasoavana tokoa io fazahoana io andraikitra io satria amin'io fotoana io dia hihiratra tokoa ny masonao ary ahita akaiky ireo zanakao amin'ny lafiny rehetra mahaolona azy sy mahafanahy azy, raha taloha ny reny no mahazo izany adidy sy andraikitra izany ka mahita tokoa ireo naloakin'ny kibony toy ny diamondra mamiratra sy isahiranana tokoa.

Andraikitra tsy sarotra io raha vonona ianao hiatrika azy ary ahita tokoa ianao fa mahafinaritra izany.

Mirary soa indrindra. Raha mila fanampiana bebe kokoa dia manorata any amin'ny mail-ko. Soanja

PS raha toa moa tsy ianao no resaka eto fa mba liana amin'izany dia tsy maninona koa. Mahafinaritra ny tafa fa tohizo.

5. ari.malala ( 16/09/2009 06:26)
Ny zavamisy tokony hipetraka anefa dia ianao dia tsy irery intsony fa miaraka amin'ny pake ka io pake io dia ny ankizy. Zany hoe raha hanaiky hanambady anao izany olona izany dia sady tiany ianao no tiany koa ny zanakao.
Marina mintsy zany

ianareo , na lahy na vavy mandova zaza kamboty amin'ny alalan'ny fanambadiana, aza ny maha zaza tsy maharo tena azy no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon'ny loha.
iombonako hevitra tanteraka

6. xxx ( 16/09/2009 06:30)
azafady lo ry NdiNdy an tsy oe tsy te hamaly ilay hevitra napetrakao za fa vao namaky ilay nolazain'i Ratoa za dia misy fanontanina manitikitika ahy
misy cas ray zay itako : tsy maty ilay ramatoa reniny le zaza an fa mbola velona mirijarija tsara any
any @ reniny izy ireo no mipetraka fa misy fotoana manao vacancy any @ dadany fa ny dadany efa manambady dia aona no mety ho fipetraky ny fiainan'izy ireo
ra araka ny hevitrareo fa tena betsaka loatra ny fitsaranay manodidina mahita azy ireo. zany oe @ ilay vadin'ilay dadany zany sy ny fifandraisana @ ireo ankizy ?

Cas efa niainako io, fa tena halako maizina lay ramatoa! nangalatra ny toeran'ny reniko tsin k! raha maty tany ampasana ny reniko d mety nekeko iany, fa ity tena mbola velona teo ny reniko, sady amizay noho izy no nandaozan'dadanay anay tao anaty fahantrana lalina tsita noanoa... :cry: zà ts nanao vakansy tany am zareo zany, fa refa mba tonga any aza zay mangatabola fa lany ny sakafo tao antrano d jery vilana no ataon le ramatoa... aveo nisy krizy tam 2002 d nitsoahan le ramatoa ftsn dadanay... (zafad fa hs le tantara) fa raha otranà alou zan ts tiko e! halako ra mbola velona ny reniko
7. tywa68 ( 16/09/2009 07:00)
Ndindy > efa ireo voalazan'i Soanja ireo ny tiako ambara : raha mahita olona tia azy sy ny zanany ilay rangahy, inona moa ny olana fa ho tohizany ny fiainany ?

Ny reny zany tsy ho voasolon'iza2, fa tsy tokony hanakana ny tavela hiaina ny tsy maha-eo azy. Ny zaza dia mi s'adapte @zay omena azy ary tsy tokony hanafenana na handaingàna fa resahana mazava.

Hoy Ratoa
na lahy na vavy mandova zaza kamboty amin'ny alalan'ny fanambadiana, aza ny maha zaza tsy maharo tena azy no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon'ny loha.
tena marina mihitsy.
8. niryna ( 27/09/2009 23:47)
Fanontaniana tena sarobaliana tokoa io,miankina ny tsirairay sy ny toetrany,misy mbola tsy miditra no tsara fanahy fa rehefa eo manaliky sy manao fijery mangarika ny ankizy ,miketoka mihitsy miteny ary manao fitiavana mitanila amin'ny azy raha toa ka efa manana koa ilay renikely.
Misy koa anefa na dia efa niteny aza ilay rangahy hoe misy entambe aho dia manaiky tokoa ilay ramatoa fa ny ankizy indray no manalika ary dia tsy tamana ilay ramatoa satria ny rainy ,ny zanany no henoiny teny dia nisaraka ry zareo
Misy indray niteraka tany dia avy eo nametraka indray dia hoe tsy ho lazaiko ny zanako io zanakao io fa malahelo izy ,dia tsy hisy fifandraisany mihitsy izany na dia efa tsy nisy fiarahana intsony aza ilay renin'ilay voalohany
Ny tena mampalahelo dia ny mijery ny lehilahy manary ireo zanany voalohany rehefa mahita ny akanga tsara soratra kanefa vao miteraka amin'ilay iray dia efa mangatsiaka ilay fitiavana ,na ny zanany aza mbola tia ny rainy dia ilay ray manadino rehefa tonga ny faharoa ary tsy mitovy intsony ny fitiavany ilay zanany voalohany na dia niresaka aza fa tsy nifanaraka intsony izaho sy ny reninareo kanefa izany akory tsy misakana ny fitiavako anareo dia e,e,taona iray fotsiny afa mivadika indray avy eo
Raha mbola kely ilay zaza dia moramora ho an'ilay olona miditra no mitia sy tian'ilay zaza fa raha efa lehibe kosa dia tsy maintsy mahazo tsiny foana na dia tsara fanahy toa inona koa aza ilay renikely.
Ny hoe tokony anambady ,miankina ny olona ho vadiany sy mahazaka ny zanany ary hitia ny zanany io ,tsy tonga dia iny aho anambady fa tokony ataony mifanerasera kely eo aloha fa mivoaka eo daholo ny toetra dia miankina amin'izay ilay hoe iditra sa tsia na ilay rangahy na ilay ramatoa.
Tsy mora fa sarotra fa ny zaza no tena mitondra faisana noho ny tranga tsy miankina taminy.
Ny lehilahy izay raikely no matetika tsy misy olana fa ny renikely mahazo loza na lozabe ho azy koa satria hoe tsy naterany,saingy misy kosa dia nifankatia sy tia azy ny zanabadiny mandra-pahafatiny na dia nasiaka aza izy
9. niryna ( 01/10/2009 04:35)
Ratoa:

Mampalahelo
mila reny ny ankizy. Ny vehivavy rehetra dia mahatsapa ny ngidin'izany. Misy anefa tsy mahazaka ny zanaky ikalaha hafa na dia tao aza ny fahavononana teny amboalohany .
mety mitombona izany ka izany no tsy tokony tonga dia idirana satria ny fanambadiana haingana dia vao maika mandratra ilay zaza,(vao maty ve ny reninay dia anambady sahady i dada ? )

Ny zaza koa mahatsapa tsara fa tsy reniny ity akaikin-drainy ity. Dia hainy tsara ny manilika ilay reny kely, eny na dia vao mena vava aza ilay zaza.

mitombona koa izay saingy indraindray kosa mba misy tsaa fanahy e,fa ny zanaka no misy manalika ilay renikely koa

Fanontaniana sarotra dia sarotra ity apetrakao noho ireo antony ireo.
Nahita zaza aho, vao 6 volana, maty reniny dia mijojo ny ranomason'ilay zaza. Tsy hay ampanginina. Tsy mifendrofendro izy na mikiaka fa ny ranomaso fotsiny no mijohy maraina paha hariva ny andro. Niditry ny trano vehivavy lehibe iray, efa dima-polo taona mahery, tsy nisy rohi-mpihavanana mihitsy izy mianaka. Noraisiny ny zaza ka nangina sy namikotra mafy. Ento ho anao hoy ny fianakaviana fa ianao no reny nandrasany. ramatoa tsy mba niteraka ity vehivavy. Efa maty izy izao ary ilay zaza (lahy kely) tafita soamantsara, manam-bady amanjanaka.
mila fitiavana ny ankizy ka izay mitia azy no hiantefan'ny fony, ny ray niteraka azy ireo no mila manao sacrifice betsaka ,mitia ireo zaza,mampahafantatra azy ireo izany matetika ary mitazona izy teny nomeny tokoa

Nahita koa lehilahy maty vady vao tanora. Iray ny zanany, vavy. raha narary mafy ny vadiny dia nivoady izy fa tsy hahalala izany hoe taizan-drenikely ny zanany. Dia izay tokoa ny nataony. Ny raibe sy reniben'ilay zaza , ny nenitoa sy dadatoa rehetra ary ny cousins sy cousines no nitaiza azy. Efa lehibe ny zaza (Etudiante) vao naka vady izy ..
araka ny olona tokoa io Ratoa e

Iza no haharitra izany? Asa... Fa ianareo , na lahy na vavy mandova zaza kamboty amin'ny alalan'ny fanambadiana, aza ny maha zaza tsy maharo tena azy no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon'ny loha.
miombonkevitra koa aho,no sady hisy fiantraikany ny fitaizana azy ireo na mahasoa azy na vao maika nampitondra fangirifiriana azy

10. ninimalala ( 02/10/2009 10:36)
Zao ry se a, toerana misy ahy ankehitrio ny mitaiza zaza maty reny, tsy ny vehivavy rehetra no ratsy fa misy olona any tena tia sy mahavita ireo zaza ireo, angatao amin'Atra fa omeny anao ny tsara ra izay ny fandaharany, raha toa kosa ka tsy misy de ekeo ny mitaiza irery fa vitanao izany, aza maimaika hanambady fa jereo tsara zay tena ho reny.
Tiko ny mijoro vavolombelona aminao fa 2 ny zanakin'ny vadiko de 1 ny ahy ary 1 no hikambananay, mahafinaritra ny fainanay amin'izao, ny ankizy ko tsy manisy elanelana fa de mandray ahy toa an'i Neny tanteraka, raha nisy attache teto de nalefako ny sarinjanako 4 satria zay ankehitriny ny fitambaran'ny zanako zay samy tiko avoko, de mitovy lanja eo anatrehako, ra maditra de kapohako mitovy, rehefa mila tambitamby de omeko mitovy.
Miray soa ho anao
11. niryna ( 08/10/2009 16:51)
ninimalala:

io izany misy olona iray mijoro fa tsy ho voatery ho ratsy avokoa izay renikely na ray kely ,rehefa raisina toy ny nateraka tokoa izy dia izay

12. Mirananirina ( 03/11/2009 14:55)
io izany misy olona iray mijoro fa tsy ho voatery ho ratsy avokoa izay renikely na ray kely ,rehefa raisina toy ny nateraka tokoa izy dia izay
Ekeko io eraha ohatra ka momba tsy mahazo zaza ilay 1.Fa raha izy izay no efa mananjanaka?????Mandrakizay tsy ho tiany mihitsy ny zanabadiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4045