Fanehom-pitiavana

1. Ahton ( 08/09/2009 19:22)
Salama dolo dolo e

Inona no mba fanehoam-pitiavana tena tianareo vehivavy avy amin'olon-tianareo na vadinareo; fanehom-pitiavana mampiseho fa tena tia anao tokoa lay olon-tianao na ilay vadinao. ary inona no fanahom-pitiavana tena tinareo omena ny vadinareo na olon-tinareo. Misaotra :-* :*
2. Papoose ( 08/09/2009 20:00)
raha izaho manokana rehefa tonga taona dia ny mba hanolorany teny mamy tsindraindray eny dia efa mahavita ny zournee-ko..miainga @ tsotra indrindra aloha fa mbola betsaka....ray izay!!
3. tia2005 ( 09/09/2009 07:46)
Raha ho ahy manokana dia rehefa miteny amiko mivantana izy fa tia ahy!!! izay fantatro fa tsy ho vitany :D :oops: :-*
4. tia2005 ( 09/09/2009 07:52)
Raha ho ahy manokana dia rehefa miteny amiko mivantana izy fa tia ahy!!! izay fantatro fa tsy ho vitany :D :oops: :-*
5. tia2005 ( 09/09/2009 07:54)
Raha ho ahy manokana dia rehefa miteny amiko mivantana izy fa tia ahy!!! izay fantatro fa tsy ho vitany :D :oops: :-*
6. xxx ( 09/09/2009 09:29)
Rh za manokana de ny hanorokorohana ahy matetika ohatranilay t@vao niaraka iny de mitohy foana na efa ela niarahana aza :wink:
7. Mirananirina ( 09/09/2009 10:51)
Ny teny mamikely isan'andro dia efa mankahery sy hitiavana olona bebe kokoa.Ny fanolorana cadeau aminy andro fety sns...Misy manko dia anniversaire izao dia tsy manome mihitsy ny 1 dia malahelo ny 1.Horoko mamibe.
8. Ratoa ( 09/09/2009 11:20)
Fietsika madinika dia madinika dia ampy anehoana fitiavana na tsy hiteny aza: fitandremana ny trano tsy haloto, mi-débarasser latabatra na dia tsy hanasa lovia aza, manasa lovia indraindray; tsy mivazavaza raha be sira ny laoka fa manamarika moramora tahaka ny hoe: nibolisitra angaha ny tanan'i neny ka be sira ny laoka. Manamboatra ny fandriana fa tsy avela hisokaka eo rehefa avy manao grasse matinée. Manolotra rano na jus na labiera kely ho sotroina rehefa ilay mafana be iny ny andro na rehefa sempotra manadio trano na mahandrosakafo na mipasoka, na rehefa tonga avy miasa. Teny malefaka feno fanajàna, tsiky dia ampy. Tsy voatery ko cadeau lafo be sy ny "tiako ianao" maraina paha-hariva ny andro anefa ny fietsika rehetra manao tengi-bozona.
9. xxx ( 09/09/2009 11:24)
Ny ahy rehefa miaro ahy sy tezitra @ olona manao ratsy ahy izy no tena ahatsapako fa tia ahy
10. peta83 ( 09/09/2009 11:24)
ra ny ahy alo ny fanehom-pitiavana tiako dia tambitamby kely, orokoroka sy ny safosafo miampy lay teny mamy iny! tonga de leader price be amiko d vis versa eh!!
11. rtcflora ( 09/09/2009 12:57)
ra za manokana de ny teny avoakany vava ihany no halalana fa tia izy ohatran' ny lhl manko tena mahay manafitoetra be zay .
ra resaka fikarakarana trano sy fanaovana asa ao antrano tsy hitako hoe ahitana ny tena fitiavana satria tokony handeha ho azy zany fa tsy ianao efa miasa sahirana @ zaza sy ny sakafo maraina no ndehanamboatra fandriana indray.
12. boozkel ( 10/09/2009 10:02)
Ny ahy ndray aloha tsy ny teny mintsy e, fa ny fihetsika ataony efa mahalaza zavatra maro amiko,
be de be ny efa voalaza teo ary marina daholo amiko.
13. Papoose ( 10/09/2009 16:38)
fa tokony hifameno ihany ny fiteny sy fihetsika, fa le mifanipaka tsy mety!
14. ni81 ( 10/09/2009 17:21)
Ny ahy rehefa miaro ahy sy tezitra @ olona manao ratsy ahy izy no tena ahatsapako fa tia ahy
ilay manao avocat izany izy @ io an! Ilaina tokoa aloha ny miaro e! :)
15. Ratoa ( 10/09/2009 17:30)
tokony handeha ho azy zany fa tsy ianao efa miasa sahirana @ zaza sy ny sakafo maraina no ndehanamboatra fandriana indray
Saingy be ny lehilahy tsy mahatsapa izany na ny vesatry ny asa atao ao an-trano. Ao ireo izay mihevitra fa ilay ramatoa mitana tokatrano dia tsy manao ninoninona fa miadana ambony fandriana fotsiny. Ao ny mihevita fa by asa rehetra ao an-trano dia anjaran'ny vavy samirery, na dia samy miasa aza. Ao ireo no tezaina tsy handray ravin-dena. Toa izany koa ny vehivavy sasantsany.
Ka rehefa misy fandeva-tena izara ny vesatry ny asa an-tokatrano sy ny lanjan'ny firaisana hina indrindra amin'ny zavatra madinika izay matetika tsy tsikaritra akory, dia izay no fitiavana: de l'attention et de la considération. Ilay fahatsiarovana kely izay dia lafo vidy lavitra noho ny fanomezana andaniana vola be.
16. Papoose ( 10/09/2009 18:34)
l'attention et de la considération
iombonako hvt! :)
17. ninimalala ( 11/09/2009 11:52)
amiko ny fanehoanmpitiavana tiko ary hiainako de le fikarakaran'ny vadiko ahy rehefa marary indrindra indrindra, ao ihany ko ny teny mamy sy ny fihetsika ataony toa izaho indray aza indray indray no toa manadinodino zay tokony havaliko lay izy hihihihih
18. Snowhite ( 29/09/2009 13:09)
Ahton:

Salama dolo dolo e

Inona no mba fanehoam-pitiavana tena tianareo vehivavy avy amin'olon-tianareo na vadinareo; fanehom-pitiavana mampiseho fa tena tia anao tokoa lay olon-tianao na ilay vadinao. ary inona no fanahom-pitiavana tena tinareo omena ny vadinareo na olon-tinareo. Misaotra :-* :*

Ny ahy calin zao no tiako d efa sady avy amiko zay no avy aminy


19. soanja ( 04/10/2009 13:47)
Ny ahy zavatra tena mahafinraitra ahy ataon'ny vadiko dia ny mitsena ahy any ampiasana amin'ny fotoana tsy ampoiziko dia miteny amiko hoe ho entiko mitsangatsangana ianao sa haka film isika dia hijery film ao an-trano? Misy an'ity concert ity dia nanapakevitra aho hividy billet satria fantatro fa ianao tia an'ilay artista. Fantany ny zavatra tiako.

Isan'ny fanaheoam-pitiavana tsy ahafohizako azy koa dia ny mandamina ny armoarako sy mandamina ny files ny asako ary manasa mandio be ny fiarako rehefa manam-potoana izy. Zah tsinona somary korontana ihany raha samy vehivavy. :D :D :D amin'ny fotoana tsy ampoizina daholo no anaovana an'izany. Fantany ny fahalemeko dia manampy izy amin'izany.

Ny fanehoam-pitiavana ataoko aminy kosa dia ny mahandro sakafo tena tiany rehefa reraka be reny izy nefa anjarany ny manao lakozia io andro io.
Indraindray tonga any amin'ny toerana iasany aho tampotampoka dia hitondrako sakafo tiany sy boky/ cd mahafinaritra azy izy. Rehefa mampiri-trano aho indraindray dia asiako taratasy kely ao ambany ondany hoe " tiako izy ary sambatra aho manana azy" dia zah anefa amin'io tsy ho eo fa lasa manao mission dia elaela indray vao mihaona.
Isany mahafinaritra azy koa rehefa reraka be iny izy ny teneniko hoe " mila massage ianao, tsy mandoa vola androany"! :D :D faly be mihitsy izy!
20. razafimaro ( 19/10/2009 12:48)
Io aloha dia samy manana ny azy e!ary arakaraka ny tonon'andronao ihany koa ka tsara aloha ny mifamantatra izany.Ho ahy izao dia poisson ny signe-ako.Ka raha tsy fantany mialoha io dia tsy ho fantany hoe somary be tsy miteny izay izahay poisson.Ary aminay dia ny atao no hita na dia tsy miteny firy aza hoe tiako ianao dia asehonay amin'ny fihetsika izany.De ny mifampi-comprendre sy ny mifampatoky no tena fanafody e!Raha ataonao amin'ny fo izany dia mandaitra tokoa.Ary ny tena hatsapako fa tia ahy izy dia ny fanaovany toa ahy koa.tsy vitako miintsy izany hoe eo akaikiko izy de tsy safosafoiko na fihiniko sns...mety hitohy hatrany am-pandriana avy eo.De izay no tsy hahafoizany ahy sy tsy hahafoizako azo fa mitovy filàna izahay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.7951