misy ny vola ary tsy lany houe ny minisitry ny Finance omaly

1. ravatorano ( 03/09/2009 05:54)
tsy naka sarotra mhitsy ny minisitry ny teti-bolam-panjakana omaly nilaza fa misy ny voala na ny ariary na ny vola vahiny ka tsy tokony hatahotra ny amin'izany ny vahoaka sy ny mpandraharaha.
Tena nandiso ilay fanadihadiana nataon'ny tv plus fakomaly ny tenin'Ingahy Minisitra satria voalazany fa tsy hisy izany hoe tsy ho afaka hividy solika intsony isika raha mandany eo amin'ny 20 millions USD isambolana eo amin'izany ! Nohizingizininy mihitsy fa raha ny karaman'ny mpiasam-panjakana dia tsy atahorana ny mandoa azy satria vitan'ny vola miditra amin'ny alalan'ny hetra eto Madagasikara izany ary mbola misy ambim-bola aza.
Ny olana oi iany izy dia ny resaka PIP na programme d'investissement Publique satria io no iankinantsika amin'ny any ivelany dia ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izany.
Milamina izany ianareo mpiasam-panjakana fa hahazo ny karamanareo foana fa izay olona rehetra mivelona amin'ny alalan'ireny investissement ireny na privé ary indrindra fa publique dia veloma lava ny aminareo !
Tsy maintsy amboarina tsara ny mpiasam-panjakana fa raha ireo mantsy no migrrevy dia vita ny amin'ny fitondrana ary dia io no tena vetin-dresaky ny minisitra omaly fa ny ankoatran'izay tsy dia notsindriny firy akory !
mahagaga ihany satria firy amin'ny mpiasa miasa eto Madagasikara ny mpiasam-panjakana ary iza no madoa hetra hanakaramana an'ireo :?:
ka raha misy olona ampahany maro tsy hiasa dia hihena izany ny hetra miditra sisa ahoana koa :?: :?:
samia velon'aina aby ranandria hahafahatsika mianakavy mifankahita eto indray e !
novalian'i pikatti ny 03/09/2009 20:55
2. ravatorano ( 03/09/2009 06:18)
http://www.midi-madagasikara.mg/midi/index.php?option=com_content&task=view&id=17380
:wink:
3. remahity ( 03/09/2009 07:54)

VOLA MISY FA NY HAMPIASANA AZY NO TSY HITA
4. Chuan ( 03/09/2009 08:25)
Na i Benja na ilay Ekonomista dia tena hita fa TSY MAHAY N`INN N`INN mihitsy . Fahotana mahafaty ny miala amin`ny famatsiam-bola iraisam-pirenena mahazatra satria io ihany no afaka mamatsy vola amin`ny vidiny iva indrindra ( concessionnel) fa ny ankoatran`izay dia tsy fahaiza-mitantana . Na i Etats Unis aza anie matanjaka kanefa mindram-bola amin`ny FMI sy BM e ? Firifiry ireo firenena niseho azy ho favy fa fay tanteraka nony tratran`ny embargo ? Ohatra akaiky ny ao Mozambika izay efa mihoatran`ny 100000 fois ny fidangan`ny vidim-piainana , dia izany ve no ho atao eto ? Entina mampandry adrisa ny vahoaka fotsiny ny tenin`Ing Benja hanamarinana ilay decision n`i TGV tsy hanao Maputo 3 fa ny tena marina dia hisy krizy ara-bola lehibe eto , ankoatran`ny fitomboan`isan`ny mahantra ! Aiza ny asa omena ireo Mpiasan`ny Zone marobe ho lasa chômeur satria ho tapaka ny AGOA ? Maninona no tsy noresahan`ileiry izany omaly sa nodiana fanina ? Fa ngaha ny mpiasam-panjakana irery no mpiasa eto ? Raha mikatona ny orinasa , tsy misy ny hetra , ary rehefa tsy misy ny hetra , dia tsy handray vola ny mpiasam-panjakana indrindra fa ireto miaramila ireto ! Hihamafy ny fahantrana eto amintsika ary ho voa mafy kokoa daholo ny rehetra fa indrindra ireo fozaorana ka tsy maintsy hirona bebe kokoa any amin`ny halatra , vaky trano , famonoan`olona , toy izao efa manomboka ataon`ny miaramila sasantsasany izao . Na Analakely aza izao efa tsy azo halamina intsony fa feno mpivarotra eny an-dalana , izany ny toe-tsaina efa misy ankehitriny , tsy misy discipline intsony eto . Rehefa sarotra halamina ny HAT , amiko , tsara raha mandray fepetra amin`izay ny rehetra amin`ny fandrodanana io HAT io ary hatsangana ny Transition vaovao iraisan`ny rehetra mba ho tombotsoan`ny besinimaro . Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy TONGA SAINA ALOHA NY MARO AO MIN`NY TAFIKA ka handresy lahatra ireo SAMPANA IZAY NIOKO hatramin`izay amin`ny fomba rehetra !
5. patrick2002 ( 03/09/2009 12:17)
ao madagasikara nandritry ny fitondrana rehetra nanomboka t@ 1979 ka hatramin`izao , ny hetra miditra dia natao handoavana karamany mpiasa sy budget de fonctionnement fotsiny .
Ny PIP rehetra dia miankina @ famatsiam-bola any ivelany daholo nahavita ny asany izany Mr le ministre eto .
Ary mbola deraina Mr le ministre satria raha vao nitondra ny TGV ,7volana lasa izay dia sahirana na handoa ny karamany mpiasa aza ,amin`izao dia sahy milaza ny minisitra fa tsy hatahorana izany .
Ny momba ny famerenany famatsiam-bola dia tsy miankina @ Mr le ministre izany fa miankina anireo politisianina malagasy ,Ratsiraka ,Ravalomanana,
Andry ,Zafy .
Ary mbola deraina mr le ministre satria tsy nisy devaluation ny v ola gasy ,fa mbola sandany 1 taona lasa no mbola sandany hatramin`izao ,izany hoe tsy nanota vola ,(planche a billet )izany Mr le ministre ,dia mbola deraina ihany ianao Mr le ministre
6. pikatti ( 03/09/2009 13:02)
Tsy maintsy amboarina tsara ny mpiasam-panjakana fa raha ireo mantsy no migrrevy dia vita ny amin'ny fitondrana ary dia io no tena vetin-dresaky ny minisitra omaly fa ny ankoatran'izay tsy dia notsindriny firy akory !

refa avy nividy miaramila ry zalahy de efa manampitamby ny mpiasam-pajakana hahaha,ary naninona no niteny tsy nanontraniana tokoa le ministra klé, efa fantany fa ho avy le krizim-bola :-D

hoy rapaty
amin`izao dia sahy milaza ny minisitra fa tsy hatahorana izany .


hoy le ministra
Ny olana oi iany izy dia ny resaka PIP na programme d'investissement Publique satria io no iankinantsika amin'ny any ivelany dia ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izany.

tsy arak'elah lesy zany kôzy zany fa aza midelira a :-D :-D
7. pink ( 03/09/2009 13:49)
Atao hoe milamina izany ny karamany mpiasam-panjakana.Tsy hijery ireto vahoaka miasa mafy mampiditra hetra izany ireo mpiasam-panjakana.Ny tendany milamina no fantany ,fa ny vahoaka atao ramatahora tsy jereny akory.

Mba manana havana tsy mpiasam-panjakana koa anie ry zareo e.

Ity izany hoe "Raha maty rahavana,matesa ny omby,fa raha maty aho matesa rahavana"
8. bozyboleta ( 03/09/2009 14:42)
Resaka T1 ny an'Ingahy ministra. Manao + sy - fotsiny fa tsisy fijery lavitra tsisy fanadihadiana.

Dia ny tena no menatra mihaino ny redirediny.
Hetra miditra hono, fa iza no mampiditra hetra???
Ary hiditra toa ny teo aloha foana ve ny hetra indrindra eo anatrehan'ny fahasahiranan'ny orinasa maro izay efa mikorosy fahana ary hikatona tsy ho ela.

Etsy andanin'izay ny risoriso miharihary ataon-dry tsimanjary any @ ladoany sy ny biraom-panjakana rehetra any.
9. xxx ( 03/09/2009 14:45)
hita ry bozy , mifoka bozaka koa angamba ity ministra ity ka !!!!
10. patrick2002 ( 03/09/2009 15:22)
Ny orinasa sahirana dia ny MAGRO kah izay ihany ,hatao inona koa moa orinasa tsy mandoa hetra ,
Izao mikorosy ny TIKO sy ny Magro ,satria orinasa fantome eo anoloany fiscalité ,ohatry ny DECAGON sy ny procoops ,ary SONAVAM ,t@ androny Ratsiraka ihany , amin`izao mikorosy TIKO ,fa niakatra ny chiffre d`affaire ny STAR ,Henry Fraise ,miditra izany ny hetra @ ireny orinasa ireny .
Hafa ny t@ androny Dada izay volam-panjakana ao @ banque central no hatao antoka any @ banky norvegien hanaovany TIKO credit ,mbola dossier miandry an`i Dada ireo ,miaraka @ minisitry ny vola t@ androny .
11. Samoana ( 03/09/2009 15:24)
mety niresaka tamin'ny fitaratra angamba izy momba izany vola misy sy tsy lany izany
12. patrick2002 ( 03/09/2009 15:31)
Samoana:

mety niresaka tamin'ny fitaratra angamba izy momba izany vola misy sy tsy lany izany



haveriko indray fa tsy lany ny vola raha handoavana karamany mpiasa sy budget de fonctionnement ,fa tsy misy vola hanaovana projet d`investissement ,deraina ianao Mr le ministre satria t@ ianao nadray ny asanao dia noentiny Ravalo su ny ekipany nitsoaka ny vola ka sahirana ny HAT na handoa karamany fonctionnaire aza .Vide ny caisse del`Etat sy ny Tresor public nanaovany Ravalo azy .
13. Samoana ( 03/09/2009 15:54)
patrick2002:

Vide ny caisse del`Etat sy ny Tresor public nanaovany Ravalo azy .


Fika fialana balan'ny mpanao politika mpandimby toerana rehetra io na misy vola na tsia :wink: . Moramora aminy avy eo ny mameno kibo
14. bazylou ( 03/09/2009 17:57)
efa andevom bazaha koa ry chuan tony kle, kozy e, de tianao izany no itohizan'ireny bm sy fmi mandrapahafaty ireny ?? nefa ny eo antanana manana zavatra analikisa azo amboarina, tsary mety ka, dia ivelona amin'ny importe izany ry chuan, beurrk :-P :-P
15. zoam ( 03/09/2009 19:14)
be vava ohatran'inona nefa io minisitra io nitety an'izao tontolo izao nangataka tetsy teroa hatramin'izay naha minisitra azy nefa tsy nahazo na ny ariary aza dia avy eo be vava hoe tsy ilaina indray :-D :-D :-D
izany ve no mba hitondra an'i dago ,ny mangalatra varin'ny magro no hain'ireny
16. fijo ( 03/09/2009 20:07)
Trésor public
La HAT disposée à se passer des aides
Les finances publiques pourront résister durant quelques mois sans les aides internationales. Mais les impacts sur l'économie réelle seront désastreux.

Andry Rajoelina prépare déjà les esprits à un eventuel arrét définitif des aides publiques au développement. C'est un scénario plus que probable si les quatre mouvances politiques ne trouvent pas de consensus à la date butoir du 4 septembre. Lors de sa rencontre-consultation avec ses partisans à Ambohitsorohitra hier, le président de la Haute autorité de transition (HAT) a déjà promis qu'il cherchera tous les moyens pour pallier aux manques causés par la suspension des financements des bailleurs de fonds. Se voulant étre très franc, Andry Rajoelina appréhende les difficultés à venir mais le jeune président de la HAT veut réveiller la fibre patriotique des Malgaches pour y faire face.
« Nous allons rencontrer des difficultés sans les bailleurs de fonds, mais nos précédents dirigeants n'ont fait qu'emprunter sans chercher à trouver d'autres solutions, nous mettant dans cette situation de dépendance. C'est une leçon que nous devons transmettre à nos enfants sur la nécessité de se défaire de l'emprise des aides internationales », déclare Andry Rajoleina, gonflé à bloc par une foule excitée.
En parallèle, son ministre des Finances et du budget Benja Razafimahaleo a réuni la presse dans son bureau à Antaninarenina. Il a sorti les derniers chiffres des finances publiques et les perspectives pour l'année 2010.
Baisse du niveau de vie
Des chiffres qui font état d'une réalisation des 93,7% des recettes fiscales prévues par la loi des finances 2009 et une baisse de 134,7 miiliards d'ariary par rapport au bilan de cette année pour 2010. En gros, le grand argentier de la transition veut démontrer que le trésor public a suffisamment de ressources pour fonctionner au moins pour un an et demi.
Mais au délà du fonctionnement de l'adminstration et le paiement des 180 000 fonctionnaires, l'ampleur des dégats suite à une eventuelle suspension des aides internationales a une toute autre dimension. Le chômage, la baisse du niveau de vie, la disparition des appuis techniques et financiers aux agriculteurs, la fermeture d'entreprise, l'inflation, la dégradation des infrastructures, la santé, l'éducation sont autant de problèmes qui vont concerner de près la grande majorité de la population urbaine et rurale. Et pour l'instant, ni Andry Rajoelina ni Benja Razafimahaleo n'ont émis de propositions concrètes et rassurantes pour y faire face.

Encadré
Une autonomie de quelques mois seulement
«Madagascar peut se passer des aides internationales, pendant seulement quelques mois. Donc il faut écourter autant que possible la période de transition ». C'est l'analyse faite par les membres du Cercle de reflexion des économistes de Madagascar (Crem), regoupant des enseignants du département économie à l'université d'Antananarivo. Leur projection se base sur les derniers chiffres de la Banque centrale et du ministère des Finances et du budget. Sans donner de précision sur la notion de « quelques mois », ils ont préféré prendre l'exemple du régime Zafy Albert, après les évènements de 1991, qui a pu tenir deux ans sans aide internationale et sans aucune réserve de devises extérieures. Ces enseignants reconnaissent que la situation des finances publiques n'a jamais été aussi bonne qu'aujourd'hui. Une situation à mettre sur la performance du précédent régime.

Mahefa Rakotomalala
Date : 03-09-2009
jereo tsara io voalazan'ny expresss io,dia vakio tsara le ery ambany ery"Ces enseignants reconnaissent que la situation des finances publiques n'a jamais été aussi bonne qu'aujourd'hui. Une situation à mettre sur la performance du précédent régime"

io dia mampandainga ireo voalaza rehetra ery ambony ireo.aryfihaikena fa ny fitondrana ravalo dia nahavita rah anyresaka ekonomia no lazaina.
aza hadino,fa io express io,dia gazety mpanohitra an dravalo,nefa milaza izany
17. pikatti ( 03/09/2009 20:55)
mety niresaka tamin'ny fitaratra angamba izy momba izany vola misy sy tsy lany izany
:-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2059