Tsy misy fitaka mihoatra ny ....finoana kristiana

61. Fody ( 08/09/2009 13:41)

tsimiandravola: de ireo boky notanisainao ireo ve dia tsy nisy sahy nilaza na dia iray aza fa Andriamanitra Ray-Zanaka-Fanahy Masina no tena Andriamanitra e? hihihi... Aza dia manao affirmation gratuite rakoto ò!

Ary aiza aloha ilay porofo lazainao fa fitaka be vava ny finoana kristiana, ary tsy Andriamanitra ny Andriamanitr'i Jesoa kristy e.

Aza ahodikodina ny resaka fa valio mivantana.

Rakapy: tsy misy contradictoire eo fa ianao no mila mandinika kely fotsiny.
62. xxx ( 08/09/2009 13:57)
indraindray tsy ilaina akory ny miady hevitra, ny antony dia efa io no ao an-dohan'ilay olona ka tsy mihaino anao akory izy, tsy vonona ny hitady izay mety ho fahamarinana kely ao anatin'izay lazainao akory izy
63. rzakarivola ( 09/09/2009 13:59)
rakapy:
Dia tena mino ve ianao fa ho azo izay rehetra angatahina aminy????

==> Izay angatahiko rehetra @ anaran'i Jesoa dia tena azoko tokoa.

rakapy:
Fa angaha tsy hoe izay sitraky ny fony ihany no ho tanteraka???

==> Ie, izay araka ny sitrapon' Andriamanitra ihany. Ilay anaran'i Jesoa dia hoe "JEHOVAH Mpamonjy", ary ny sitrapon' Andriamanitra dia "Mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy". Donc tsy contracdictoire
64. xxx ( 09/09/2009 14:07)
61. Mpandefa : xxx [ Valio ] 08-09-2009 15:57:52
Lohateny : Re : Tsy misy fitaka mihoatra ny ....finoana kristiana
indraindray tsy ilaina akory ny miady hevitra, ny antony dia efa io no ao an-dohan'ilay olona ka tsy mihaino anao akory izy, tsy vonona ny hitady izay mety ho fahamarinana kely ao anatin'izay lazainao akory izy


Bien dit
65. ikaretsaka ( 09/09/2009 14:13)
rzakarivola:

Dia tena mino ve ianao fa ho azo izay rehetra angatahina aminy????

==> Izay angatahiko rehetra @ anaran'i Jesoa dia tena azoko tokoa.

Fa angaha tsy hoe izay sitraky ny fony ihany no ho tanteraka???

==> Ie, izay araka ny sitrapon' Andriamanitra ihany. Ilay anaran'i Jesoa dia hoe "JEHOVAH Mpamonjy", ary ny sitrapon' Andriamanitra dia "Mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy". Donc tsy contracdictoire


de inona no tena marina...ze angatahinao sa ze sitrapon'Atra?


:-D
66. Fody ( 09/09/2009 20:59)

Izay angatahinareo amin'ny anarako, hoy Kristy. Izany dia midika hoe: mifanaraka amin'ny sitrapon'Izy Kristy, izay tsy inona fa ny hahavonjy ny olona rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0856