dia izany "ziriziry" izany indray zao no malaza !

1. ravatorano ( 01/09/2009 07:16)
iza avy moa ireo mpanao politika tany maputo ireo ?
iza no olona azo atao hoe vaovao : i Andry Rajoelina sy Monja roindefo ary azo atao koa hoe i Ravalomanana fa ny ankoatran'izay dia efa hatramin'ny 1991 dia efa teo avokoa nikenokenona ny panorama dia ry Profesora Zafy,ry Manandafy Rakotonirina,Ry Voninahitsy,ryzareo ao amin'ny "force de changement" izay tarihin'Andriamanjato Richard,ry Ratsiraka sy ny Profesora Ange ary ny miara dia aminy ireo.
Efa teo daholo ireo ka raha tena tia tanindrazana zareo ireo dia tokony tsy hisalovana intsony na hiady seza eo fa aoka mba hijanona amin'izay maha ray aman-dreny azy ireo.Tokony mba ry Fetison,ry Serge Radert,ry Monja Roindefo,ireny no tsara miara midinika hanarina ity firenena ity,ny ankiolafy Ratsiraka toa efa teo daholo fa tsy i Rolland ratsiraka angaha !
Fa raha mbola ireo foana ,raha mbola ireo foana wa no eo dia ho potika tanteraka ity firenena ity ary nareo ve tsy mbola mino ihany fa nadray anjara mavitrika tamin'ny fahavoazan'i Gasikara ireo "dinozoro" ireo !
Aoka izay ry zareo ah ! aza miziriziry eo nareo antitra ireo fa efa be izay vitanareo izay fa aleo mba ny zaza mpandimby indray no ametrahana ny raharaha-mpirenena ka samia ary ianareo mpandimby hahay hametraka ny ambom-ponareo fa hijery kosa izay hanavotana ny firenena ao anatin'izao fahatrana izao , mba ny tombotsoa lehibe ho an'ny vahoaka malagasy no ho ao antsainareo mpanao politika zandriny ireo fa tsy handova fahatany ny naton'ireo ray aman dreny dianozo ireo !
:wink:
novalian'i fijo ny 01/09/2009 22:11
2. xxx ( 01/09/2009 08:16)
Ireto tanora koa manomboka @ "ziriziry" ka ahoana hoy ianao . Vao tafiditra (avy teny am-baravarakely toy ny mpangalatra) dia ny "tsy hiala aho" no masaka ao an-doha sy dradradradraina na dia miha mahantra fadiranovana aza ny vahoaka
3. Mirananirina ( 01/09/2009 09:06)
Aoka izay ry zareo ah ! aza miziriziry eo nareo antitra ireo fa efa be izay vitanareo izay fa aleo mba ny zaza mpandimby indray no ametrahana ny raharaha-mpirenena ka samia ary ianareo mpandimby hahay hametraka ny ambom-ponareo fa hijery kosa izay hanavotana ny firenena ao anatin'izao fahatrana izao , mba ny tombotsoa lehibe ho an'ny vahoaka malagasy no ho ao antsainareo mpanao politika zandriny ireo fa tsy handova fahatany ny naton'ireo ray aman dreny dianozo ireo
Tena marina mihitsy izany ravatorano an..mankaleo na mahita ny tarehindry zareo ireo ary.Leo be,tsy nahavita na inona na inona akory ... :( :( :( Ary ilay amin'izao indray..tgv io..tsy nahavita azy koa :( :( mihamijaly foana ny vahoaka.Ary na iza na iza no eo dia ny paosiny aloha,izay vahoaka any mihinanan'ny.....daholo.
4. Samoana ( 01/09/2009 14:19)
Izay no tsy dia iresahako be intsony Razoky fa efa antsoina "zirizirin" ny serasera eto koa isika a :-D
5. pikatti ( 01/09/2009 14:48)
aza miziriziry eo nareo antitra ireo fa efa be izay vitanareo izay fa aleo mba ny zaza mpandimby indray no ametrahana ny raharaha-mpirenena ka samia ary ianareo mpandimby hahay hametraka ny ambom-ponareo
:-D :-D
rawiwi zao adala votsy volo ato @ serasera ato ,aleo elah hanaovanay azy fa efa maty ozatra é ha ha ha
6. fijo ( 01/09/2009 22:11)
indrisy fa dia tena resaka seza sisa no hiadivana ao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.154