Ny hazo fahalalana ny tsara sy ratsy.
21. soanja
(
02/09/2009 03:37)
xxx:
Imaginons hoe zanakao efa matotra izany fa i Adama sy Eva dia efa matotra no napetrany tao Edena.
Ny antsoina hoe olona matotra amiko dia olona afaka mandanjalanja satria efa nahita traikefa isan-karazany ary efa hitany na fantany mialoha avy amin'ny alalan'ny fampiasany ny sainy ny vokatry ny asa ataony na ny zavatra ho ataony.
I Eva anefa raha fahitako ny tantara dia tsy nahalala fa raha hanota izy dia hiala ao anaty ilay sahan'Edena. Mino aho fa raha fantany mialoha io vokatry ny ota io dia tsy nanao izany izy satria olona nahafapo an'Atra ny zavabitany na hoe lafatra ry zareo no namboarin'Andriamanitra.
Sa ve faninian'Andriamanitra mihitsy nanao antsika tsy ho lafatra??? mba holalaovin'i Satana izay voalaza matetika ao anaty boky....
22. majesty
(
02/09/2009 04:11)
Hoy soanja:
ny zanaKO ...AHO....zanaKO...fantaTRO...IZAHO...fantaTRO...notaizaKO...novolavolaiKO...AHO...azoKO.
Ianao anie tsy Andriamanitra e, Andriamanitra no namorona antsika dia isika indray no te hiteny amin'ilay mpamorona hoe fa maninona ny ravin-kazo sasany nataonao maitso ny sasany mena,maninona ny sasany misy voany ny sasany tsy misy,maninona ny ranomasina no nasiana sira sns
Raha vao ny LIMITE (ny olombelona) ho aho no hanakatra ny ILLIMITE (Atra)dia hors sujet no iafarany.
Raha manana alergia na sakafo ny zanako ohatra ndao tenintsika hoe voanjo ohatra dia tsy hitondra voanjo ao an-trano aho na inon-kidona na inon-kihatra. Satria nahoana? Na dia matotra sy manana ny safidy sns aza ny zanako dia fantatro fa tsy lafatra izy satria izaho no mitaiza azy. Mety ho jamba izy na misy voina mahazo azy tampoka dia hihinana an'iny izy sns sns... fantatro izy satria notaizako sy novolavolaiko. Tsy hampiditra zava-doza ho azy aho, na dia mody hoe SAFIDY raha mbola azoko atao izany.

23. niryna
(
02/09/2009 05:57)
Soanja:
Izay fihevitrareo tenenina raha possible ...
rzakarivola:misaotra anao ,marina tanteraka izany ,zahao izy fa tsy lavitra antsika,sokafy ny masom-panahintsika fa izy no anome antsika ny fahalala rehetra raha toa ka mino azy tokoa isika.Ary raha tsy mino?
==> Efa iombonantsika ekena kosa angamba hoe "ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy Yahveh" ... Koa tsy aleo ve mamantatra ny fihevitr' Andriamanitra avy hatrany?
2 Kor 4 16-17 no valiny
Tsimpona : Izay rehetra mangataka dia omena,izay rehetra mitady dia ahita ary izay rehetra mandom-baravarana dia ivoha ho azy tokoa ny varavana Matio 7:7
24. soanja
(
02/09/2009 06:51)
majesty:
Hoy soanja:
Raha manana alergia na sakafo ny zanako ohatra ndao tenintsika hoe voanjo ohatra dia tsy hitondra voanjo ao an-trano aho na inon-kidona na inon-kihatra. Satria nahoana? Na dia matotra sy manana ny safidy sns aza ny zanako dia fantatro fa tsy lafatra izy satria izaho no mitaiza azy. Mety ho jamba izy na misy voina mahazo azy tampoka dia hihinana an'iny izy sns sns... fantatro izy satria notaizako sy novolavolaiko. Tsy hampiditra zava-doza ho azy aho, na dia mody hoe SAFIDY raha mbola azoko atao izany.
ny zanaKO ...AHO....zanaKO...fantaTRO...IZAHO...fantaTRO...notaizaKO...novolavolaiKO...AHO...azoKO.
Ianao anie tsy Andriamanitra e, Andriamanitra no namorona antsika dia isika indray no te hiteny amin'ilay mpamorona hoe fa maninona ny ravin-kazo sasany nataonao maitso ny sasany mena,maninona ny sasany misy voany ny sasany tsy misy,maninona ny ranomasina no nasiana sira sns
Raha vao ny LIMITE (ny olombelona) ho aho no hanakatra ny ILLIMITE (Atra)dia hors sujet no iafarany.
Ka olombelona no ifandraisan'Andriamanitra eto e. Amiko izay mampifandray antsika sy hanamora ny fifankatiavana no atao arak'izay azo atao fa tsy hoe asiana izao sy izao ny resaka finoana dia avy aimn'izay hoe Andriamanitra no resahina eto tsy hisy hahatakatra azy. Raha hifandray amin'i biby ohatra hoe alika ve ny olombelona ohatra dia omenao calcul mental izy dia avy eo ianao hiteny amin'ilay alika hoe olombelona ihany no tokony hahalala an'izany fa tsy aferan'alika fa ny an'i alika pavlovy ihany nefa am zany ilay alika forcer-nao hanaraka ilay calcul mental.... ahoana ary zany ry havako e.
Isika olombelona ihany amiko no manome tarehy sy fomba fisainana na fihetsem-po an'Andriamanitra rehefa manoratra tao amin'i baiboly hoe: tezitra Andriamanitra, Nahafaly an'i Jehovah, diso fanantenana Andriamanitra, malahelo Andriamanitra, tia Andriamanitra, leo Andriamanitra sns sns... (emotion) ka nahoana rehefa ampitoviantsika amin'ny fomba fijerintsika ny zavatra ataony dia miala any ny hoe f'angaha ianao Andriamanitra.
Aleo dia valiako malako eto fa raha misy angamba ny Andriamanitra velona dia isika izao. Satria ao anatintsika ny Fanahy mpanazava! Eo ampovoantsika Andriamanitra! Isika samy isika mitambatra manome Andriamanitra. Ny fitiavako atolotro anao dia Andriamanitra. Ny asatanako, ny heriko, ny hatsembohako manompo ny hafa dia Andriamanitra. Ny hery rehetra mampisy antsika sy mampiodina antsika dia Andriamanitra! Raha hitako maso i Majesty dia heveriko fa Andriamanitra fa tsy hihevitra anao ho Devoly aho! Satria nahoana? Isika izao no Jesoa velona! Raha any amponja ianao dia vangiako, raha mahantra ianao mandondona ao an-trano dia raisiko. Io fitiavana io tsy misy resaka takatra sy tsy takatra fa mazava be hoe rehefa hino Azy ianao dia tokony koa hitia ny namanao sy ny fahavalonao.
25. ni81
(
02/09/2009 06:57)
Odryyy nahoana re napetraka teo afoavon'ny saha ny zavatra tsy azo kitihana e???? Fantatrao anefa ireo izay noforoninao sy namboarinao? sa ve tsy fantany ny namboariny?:)
26. rakapy
(
02/09/2009 08:04)
hoy Simplex
Ka izay indrindra anie no zavatra mampatahotra sy hankahalan'ireto milaza fa mpino ireto ny siansa sy ny fikarohana e! Ny an-dry zareo dia ajanony eo @ ilay hoe " MINOA FOTSINY".
Mafy amin-dry zareo mantsy rehefa voaporofo ny zavatra iray satria rava sy lasa hita be hoe lainga ilay finoany.
Hoy i Soanja
Misy valiteny classique fitenin'ny xana momba an'io dia ilay hoe "Ny fihevitro tsy fihevitrareo"
Marina tokoa izany nefa isika, amin'ny maha olombelona antsika dia mitady valiny sy fanamarinana araka ny saina sy lojika izay nomeny antsika.
ny atao hoe finoana dia misy partie ekena sy inoana. Zavatra avy ao anaty io ary tokony ho tsapa, momba anao sy A/tra manokana. Fa raha ohatra ka miandry verification sy profo siantifika dia tsy finoana intsony izany fa lasa hoe fahamarinana
Ka izay indrindra anie no zavatra mampatahotra sy hankahalan'ireto milaza fa mpino ireto ny siansa sy ny fikarohana e! Ny an-dry zareo dia ajanony eo @ ilay hoe " MINOA FOTSINY".
Mafy amin-dry zareo mantsy rehefa voaporofo ny zavatra iray satria rava sy lasa hita be hoe lainga ilay finoany.
Hoy i Soanja
Odryyy nahoana re napetraka teo afoavon'ny saha ny zavatra tsy azo kitihana e???? Fantatrao anefa ireo izay noforoninao sy namboarinao? sa ve tsy fantany ny namboariny
Misy valiteny classique fitenin'ny xana momba an'io dia ilay hoe "Ny fihevitro tsy fihevitrareo"
Marina tokoa izany nefa isika, amin'ny maha olombelona antsika dia mitady valiny sy fanamarinana araka ny saina sy lojika izay nomeny antsika.
27. ravonjison
(
02/09/2009 08:54)
@ ity resaka ity dia tsy misy vahaolana sy fanazavana azo raisina, fa izay mino ny zavatra niseho dia manaiky fotsiny, izay tsy mino kosa dia tsy mino.
Satria io dia miverina @ ilay fanontaniana hoe : misy tokoa ve ny FATALISME ?( ny zavatra miseho ve dia efa voahomana mialoha ka ny olona dia nampidirina tao @ ilay fandaharam-potoana fotsiny sa ny olona dia afaka misafidy izay tiany atao tokoa ?)
Mitovy @ itý fanontaniana itý : olon-dratsy sy nanota ve i Jodasy raha namadika an\' i Jesoa ? Ny sasany moa milaza fa olon-dratsy izy. Raha ny voalaza ao anaty baiboly anefa no dinihina dia TSIA, satria ny famadihana sy ny fahafatesan\' i Jesoa dia efa voalazan\' ny mpaminany , fantatra , noho izany tsy maintsy hiseho, fa i Jodasy kosa no voaroiroy sy nampidirina tao anatin\' ilay evenement, mba ahatanteraka ilay ( raha tsy i Jodasy dia tsy maintsy olon-kafa). Noho izany azo lazaina fa tsy nanana ny safidiny izy fa zavatra efa voaomana mialoha no niseho.
Raha io raisonement io no arahina dia hita fa zavatra efa voaomana mialoha ilay izy ( ilay azo eo afovoan\' ny saha !!! Misy antony ao matoa nataon\' Atra teo afovoany ilay izy ? sns...ary maninona no noalazain\' Atra t@ zareo fa misy io hazo io, raha tsy nolazainy mantsy dia mety tsy nanitikitika an\' i Eva ilay izy satria tsy fantany, naninona no tsy nosakanany ilay bibilava mba tsy handambolambo an\' i Eva raha tiany ho tsara daholo ny fandehan-javatra rehetra ? izany bibilava afaka mifampiresaka @ eva izany aloha amiko dia fantasme e).
Izany rehetra izany dia midika fa toa zavatra efa voaomana ilay evenement , fa tsy maintsy nitady olona Atra mba hanatanterahana izany , ka i Eva no teo akaiky teo. I Eva sy Adama izany dia tsy nanana safidy mihitsy. Fantatr\' Atra dieny mialoha fa faible i Eva ka hanaiky izany , matoa nofidiny.
Noho izany tsy hitako izay fanazavana, vahaolana na marimaritra iraisana eto.
Na ianao hanaiky na tsy hanaiky ny fisian\' ilay hazo sy ireo zavatra nitranga.

28. rakapy
(
02/09/2009 09:04)
Ka ny mampihomehy anie Ravonjison dia ilay fitenenana hoe SAFIDY IO nefa dia lazaina indray fa EFA VOASORATRA IO ka tsy maintsy ho tanteraka. Aiza ilay safidy???
Asa na mba mampiheritreritra anao(tsy ianao manokana io fa izay mino) ilay lojika???
Asa na mba mampiheritreritra anao(tsy ianao manokana io fa izay mino) ilay lojika???
29. ravonjison
(
02/09/2009 09:17)
rakapy:
Ka ny mampihomehy anie Ravonjison dia ilay fitenenana hoe SAFIDY IO nefa dia lazaina indray fa EFA VOASORATRA IO ka tsy maintsy ho tanteraka. Aiza ilay safidy???
Asa na mba mampiheritreritra anao(tsy ianao manokana io fa izay mino) ilay lojika???
Ka mazava anie izany Rakapy fa tsy misy lojika mihitsy ao e , ary tsy azo ampiasaina @ inetrpretation ny bible loatra ny lojika. Na ianao manaiky sy mino , na ianao tsy manaiky.
Satria raha ny voasoratara ao no arahina dia hita fa zavatra efa voaomana mialoha ilay izy, ka na i Eva, na i Adama, na i Jodasy dia TSY NANANA SAFIDY.
Au contraire, victime ny plan n' Atra izy ireo.
31. rzakarivola
(
02/09/2009 14:39)
rakapy:
Ka i lery anie Rzakarivola tsy mbola hitako niditra teto @ serasera e! :-D :-D :-D
==> Izaho hiteny aminao fa efa niditra teto Izy ary miditra eto isanandro aza. Fa izay mino Azy ihany no mahita Azy. Misy fomba iray azoko anazavana @ao hoe ahoana no mahatonga an'izany, hainao ve ny stéganographie ?
rakapy:
Toa hoe tsy mikitika ordinatera hono lery fa asa-tanan'ny devoly itony???? :-D :-D :-D
==> Io "assertion" anakiray io indray dia azoko tenenina fa "fitaky ny devoly". Izao fotsiny no fomba ahitana an'izany : i Jesosy no tompon'ny Fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, koa ny devoly no tsy afa-mikitika zavatra (na olona), raha tsy izay anomezan'i Jesosy fahefana azy ihany.
32. rakapy
(
02/09/2009 14:45)
Hoy Rzakarivola
Ka tsy milaza ve izany fa i jesosy ihany no ao ambadiky ny devoly?
hainao ve ny stéganographie ?Tsy haiko aloha ny momba an'io e! mba azavao hoe raha tsy mahadiso.
i Jesosy no tompon'ny Fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, koa ny devoly no tsy afa-mikitika zavatra (na olona), raha tsy izay anomezan'i Jesosy fahefana azy ihany.
Ka tsy milaza ve izany fa i jesosy ihany no ao ambadiky ny devoly?
33. rzakarivola
(
02/09/2009 15:08)
simplex:
Tsy tena a la page ah fa tsato-piso no ilazako fa tsy voalaza ao ny fomba nanamboarana ny anjely sy ny satana hoy ah. Zava-misy fotsiny izy ireo no voalaza ao.
==> Voalaza mazava ao @ bokin'ny famoronana kosa ny noforonina rehetra e! Tsy nisy tsy voalaza tao na iray aza.
[quote=simplex]
[quote=rakapy]2/Nahoana anefa no ny taranak'olombelona rehetra no lazaina fa mpanota sy manana FAHOTANA FOTOTRA raha toa ka safidy manokan'i Adama sy Eva ilay te halala ny ratsy sy ny tsara???satria rehefa mahalala ny ray aman-dreny dia lasa mahalala ihany koa ny zanaka.
En plus, efa A/tra no nanozona hoe ny taranakareo rehetra dia tratran'izay daholo.
==> Hazavaiko kely : misy ny atao hoe maladie héréditaire. Ary ny fahotana dia maladie spirituelle.
[quote=simplex]:arrow: ny atao hoe finoana dia misy partie ekena sy inoana. Zavatra avy ao anaty io ary tokony ho tsapa, momba anao sy A/tra manokana. Fa raha ohatra ka miandry verification sy profo siantifika dia tsy finoana intsony izany fa lasa hoe fahamarinana :);-)
==> Raha ny fahitako, izao no maha samy hafa ny finoana sy ny filozofia ary ny siansa.
Ny siansa mitady valin' ny fanontaniana hoe : comment ?
Ny filozofia mitady valin'ny fanontaniana hoe : pourquoi ?
Ny finoana mitady valin'ny fanontaniana hoe : qui?
Ka amiko manokana, fahadalana ny toy izao manaraka izao :
fanontaniana : Iza no nanamboatra ny tour Eiffel ?
valiny : Ilay injeniera antsoina hoe Eiffel
adihevitra : tsy izany no marina, fa varahina XXX taona natambatambatra ...
Ny zavatra azo antoka kosa dia ity, raha i Eiffel no nanao ny tour Eiffel, ary tompon'ny hevitra manontolo, dia izy ihany no mahafantatra tsara ny antony (pourquoi) nanamboarany azy sy ny fomba (comment) nanamboarany azy, fa izay olona rehetra miadihevitra dia samy maneho ny fiheviny, ny an'i Eiffel no marina.
Ka samy ekentsika rehetra angamba fa Andriamanitra no namorona, ny fihevitr' Andriamanitra no marina.
Sa diso izany ?
34. ikaretsaka
(
02/09/2009 15:13)
Tsy detaille ao kosa hoe andriamanitra de nanao ny anjely fa aza mamorona ry rzaka a
35. rzakarivola
(
02/09/2009 15:22)
soanja, rakapy:
Nefa maninona ary no 'black or white"na " tsara na ratsy" ihany ilay safidy sy fahalalahana nomeny?
==> Black = Tsy misy, White = ny zava-drehetra.
Ny siansa dia milaza fa ny "lumière blanche" (white) dia lumière polychromatique, izany hoe, fitambarana lumières marobe. Ary ny fanandramana natao dia izay miteraka ny hita @ireny avana (arc en ciel) ireny. Ny "noir" (black) kosa dia tsy lumière mihitsy, fa absence de lumière.
Na ny siansa aza mba milaza fa black or white ihany.
soanja, rakapy:
Tsy mba nisy safidy hafa tsaratsara kokoa angaha? Toy ny "TSARA sy TSARA BE angaha?
==> rehefa miteny ianao hoe : "TSARA BE", dia efa ao anatin'ny "TSARA" izany, fa dingana anakiray ao. Fa ny ratsy dia tsy ao anaty tsara mihitsy, ny ratsy no ilazana ny "BLACK", araka ilay fanazavana eo aloha io. Mahatsiaro tenin'i Jesoa Kristy aho eto : "Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra". Ny ratsy izany dia izay en-dehorsn 'Andriamanitra (izay misaraka @Andriamanitra).
[quote=soanja, rakapy]
9 Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Eto @ ity resaka ity koa dia mihizingizina mafy ireo xana fa ...
==> Mba tiako apetraka fotsiny hoe, aza afangaro ny hevitr'ireo kristiana sy ny hevitr'i Kristy. Tatsy ambadika ianao nilaza fa maro ireo kristiana tsy manaraka ny tenin'i Kristy. Ka raha hijery ny fahamarinan'ny Baiboly (sy Jesosy) na tsia ianao, dia aza ny hevitry ny kristiana no raisina, fa ny hevitr'i Jesosy.
[quote=soanja, rakapy]... A/tra dia tsy nanao ilay ratsy izay heverintsika olombelona nefa dia io voalaza ao anaty baiboly io fa izy no nampaniry ilay hazo teo ampovoan'ny saha.
Raha voalaza fa nomen'A/tra safidy isika olombelona , dia ny ratsy sy ny tsara izany. Ny fanotaniana mipetraka dia hoe iza no namorona ireo safidy raha toa ka tsy nanao ny ratsy A/tra?
==> Tsy azoko ny fanontanianao. Ny safidy ve no ratsy ? Sa ilay hazo fahafantarana ny tsara sy ratsy no ratsy? Tsy nilaza mihitsy ny baiboly fa ratsy ilay hazo, ny mifanohitra amin'izay : tsara daholo izay noforonin' Andriamanitra. Hitako fotsiny fa resaka terminologie no probleman'ny maro eto. Ka rehefa ny Baiboly no miteny hoe : "fahalalana ny tsara sy ny ratsy", mialoha ny handraisana conclusion dia ilaina dinihina aloha hoe : inona no ataon'ny Baiboly hoe "ratsy" sy "tsara"?. Fa raha izay fihevitrao ny atao hoe "ratsy" no entinao ilazana fa contradictoire ny baiboly, dia plutôt ianao (satria hevitrao) mi-contredire ny baiboly izany.
36. soanja
(
02/09/2009 15:26)
ravonjison:
rakapy:
Ka ny mampihomehy anie Ravonjison dia ilay fitenenana hoe SAFIDY IO nefa dia lazaina indray fa EFA VOASORATRA IO ka tsy maintsy ho tanteraka. Aiza ilay safidy???
Asa na mba mampiheritreritra anao(tsy ianao manokana io fa izay mino) ilay lojika???
Ka mazava anie izany Rakapy fa tsy misy lojika mihitsy ao e , ary tsy azo ampiasaina @ inetrpretation ny bible loatra ny lojika. Na ianao manaiky sy mino , na ianao tsy manaiky.
Satria raha ny voasoratara ao no arahina dia hita fa zavatra efa voaomana mialoha ilay izy, ka na i Eva, na i Adama, na i Jodasy dia TSY NANANA SAFIDY.
Au contraire, victime ny plan n' Atra izy ireo.
Ny Lojika amin'ny fahitako an'io resaka io aloha dia angano ny voasoratra momban'ny Genesisy. Mba nentanin'ny aingam-panahy i Moizy satria be loatra fijaliana sy ny fiodikondinana ataon'i Zanak'Israely tamin'izany. Dia mba naka toerana izy ary nanoratra zavatra manaitaitra ny ati-dohan'olombelona tamin'izany.
Mino aho fa efa tonga tao Egypta tamin'izany fotoana izany ny Angano Grika sns... dia iny no nanome inspiraka azy.
37. rzakarivola
(
02/09/2009 15:29)
rakapy:
Ka ny mampihomehy anie Ravonjison dia ilay fitenenana hoe SAFIDY IO nefa dia lazaina indray fa EFA VOASORATRA IO ka tsy maintsy ho tanteraka. Aiza ilay safidy???
==> Ahoana raha hoe : omeko safidy ianao, fantatro koa fa ianao tsy maintsy hisafidy an'itsy ... dia soratako mialoha ny hahaterahan-drakapy hoe : "i rakapy dia hisafidy ny tsy hino". Dia efa raisiko koa ny fepetra ilaina rehetra mba hampino an-drakapy, kanefa aho tsy hanery azy mihitsy (ohatra).
38. rakapy
(
02/09/2009 18:02)
Hoy Rzakarivola
:-D :-D :-D Hevitra misavaon-danitra be izany ry Razaka! mipetraha eto an-tany aloha ianao fa mbola maro ny adidy tsy vita. Aza maika e! :-D :-D :-D
Ahoana raha hoe : omeko safidy ianao, fantatro koa fa ianao tsy maintsy hisafidy an'itsy ... dia soratako mialoha ny hahaterahan-drakapy hoe : "i rakapy dia hisafidy ny tsy hino". Dia efa raisiko koa ny fepetra ilaina rehetra mba hampino an-drakapy, kanefa aho tsy hanery azy mihitsy (ohatra).
:-D :-D :-D Hevitra misavaon-danitra be izany ry Razaka! mipetraha eto an-tany aloha ianao fa mbola maro ny adidy tsy vita. Aza maika e! :-D :-D :-D
40. rzakarivola
(
04/09/2009 08:01)
eto an-tany ny olona no mila mino sy manantena, fa any an-danitra efa iainana tanteraka ilay zavatra inoana. Raha miandry any ianao vao hino dia ho sahirana mafy vao hiaina an'ilay izy.
Tiako tenenina : tsy misavoan-danitra ny resaka fa tena eto an-tany, kanefa mitsinjo ny any an-danitra.
Jereo fotsiny e! Maninona no ny tongotrao ihany no mi-s'appuyer @ tany fa ny tenanao manontolo dia ao anaty atmosphère (lanitra) ? Dia mba toy izany ny ara-panahy, iainana ihany ny eto an-tany, fa ny tena manontolo any an-danitra.