HAFA INDRAY ARY TY EE!

21. ari.malala ( 28/08/2009 11:51)
hafa kely ndray lay hoe ny misotro no tiana aloha zao... zany hoe mandeha par ordre de priorité v zany sa in lay dégat! D efa hitanao aloha zany ny mety hoe fototry ny olana d ilay oe ts misangy, d mba avereno ndray hoe e! d hita eo. Fa ilay resaka miasa aloha tena iraisako hevitra @ namana rehetra mints satria mila manana ny indépendance financière nao enao, indrindra enao manana zanaka! raha sanatria misy pépin mahazo an'ilay vadinao d hoaiza ny ankizy! sanatria tsmirary loza fa zay le hoe ny amisavisana ny ratsy iavian'ny soa.Mahereza d mirary soa.
22. ravonjison ( 28/08/2009 12:07)
Misy olana roa samihafa izay mety, nefa tsy voatery hifampiankina ao:
1- alcoolisme
2- fifanarahana @ fiainan-tokatrano

1 Alcoolosme:

Na ilay alcoolisme \" symptomes \" fotsiny, izany hoe misy olana ao ambadikao, na ilay alcoolisme aretina tanteraka .
- Raha symptomes fotsiny ilay izy dia tsy maintsy ataonao aloha ny mitady ilay antony. Tsy maintsy miresaka aminy moramora ianao ( mihaino azy ianao), miandalana, manaramaso ( observation ) mba ahafantaranao izany. Tsy voatery hamaly ny fanontanianao izy, fa ianao no tsy maintsy capable manao conclusion araka ny fomba firesany, ny fihetsiny sns...
Marihiko fa eto dia mbola tsy tsara ny manakiana sy manaratsy azy ( any aoriana any angamba).Noho izany dia tokony esorinao ao antsaina aloha ny eritreritra hoe : hanakiana azy, hanaratsy azy, diso izy sns....tsy mitondra mankaiza izany. Ny tanjona dia ny ahafantarana ny zavamisy eo aminy.

- Raha aretina tokoa ilay izy ( araka ny document n\' ny WHO dia aretina ny alcoolisme), dia tsy misy vahaolana afatsy ny fitsaboana. Noho izany tsy maintsy manantona toeram-pitsaboana izy. Izy ihany anefa no tsy maintsy tapa-kevitra ny @ izany. Ny azonao atao dia ny manampy sy mampahery azy. Fa ny fanerena azy kosa dia tsy maha -efficace ilay fitsaboana atao.

2- Fifanarahana @ fiainan-tokantrano:

Itý indray dia resaka fahazarana, fomba fisainana sy fomba nitaizana azy. Tsy misy hifandraisany @ alcoolisme.
Eto izany dia hafa ny vahaolana. Tsy maintsy miresaka face á face nareo, samy mitovy zo, samy manana ny eritreriny mikasika ny fanambadiana. Azoano atao ny manakiana azy, tsy maintsy milaza ny mba tianao hatao ianao ( hiasa sns...), avy eo diy miara mitady ny marimaritra iraisana ianareo.
Aza manantena fa hanova azy ianao, ny olon-dehibe dia matetika sarotra hovana.

Mahereza.
23. xxx ( 01/09/2009 10:19)
Tena tsara daôlo le hevitrareo fa ny fanatanterahana azy no tô olana
Tena tiako mitsy le izy eeeee!!!!fa ataoko tsikelikely eo aloha
De misaotra betsaka eeeee!!!
24. Ratoa ( 01/09/2009 12:08)
Valy borainginy fotsiny ny ataon'ny vadiano ary somary misy fandrahonana. Izany ny taloha fa "izao indray mitrerona" . Izany ve dia zo inoana? Ny tena marina izany dia misy zavatra mivesatra ao an-tsainy ary somary malahelo izy fa ny ankizy no tena ifantohanao dia ny amin'ny ankizy izy no mila vokina. Fantany tsra fa marary anao izany fa ataony foana satri mialona ny fitiavanao ny zanany izy.
Avereno indray ny sangisangy é! Dia mba manaova soirée na après-midi intime, miara misotrosotro miaraka am-drams sy ny ankizy. Ela izany tsy ni-réve hoe fa andao isika mianakavy mba iadana.
Malahelo mafy ikala piso saingy tsy hainy ny milaza dia mitomany izy ary manantona an-drainy izy mba ampihato ny fitreronana ny zokiny. Maranitra be anie ny sain'ny ankizy sy ny fitiavany ny zokony na zandriny.
Angamba koa ianao tsy mivoaka intsony miaraka aminy? Fa ny fitanana ny tokatrano sy ny ankizy ihany no sahaninao?
Sady marihiko eto fa tamana an-trano mitsy io vadiko refa mba tsy ao an-trano za!!!
Io no porofo fa ny korontanareo telo mianaka (aza fady fa ny fahasahirananao izay sty zarainy no tiako ho lazaina) no tena tsy zakany. Misy lhl tsy mahatanty zaza madinika. Teo am-piandohana zakany fa nony hitany fa ho lava ny lalao ary tsy évident ho azy mihitsy ny mitaiza zaza dia reraka izy. Izaho mahita rai-pianakaviana manao " ndana ianareo milalao any ivelany any fa tsisy atoriako". Dia nony lasa any ama'olona ny zanany dia hoy izy :"aha!! tena tsy misy iainana mihitsy, tontolo andro wa wa wa wa"
Ka dia asio analyse tsara dia hitadiavo vaha olana fa efa betsaka ireo voarainao io.
Afaka manantona psychologue familial koa ianao. Ianao irey aloha no mandeha dia arakaraky izy fandehan-javatra fantatrao dia hitanao ny vaha olan fa mety ilaina koa ny handehanan-drams any.
Mahereza.
25. lako ( 02/09/2009 09:44)
Misaotra anao ary fa zao no anontaniako anao eeeee!!
Aiza no mety ahitana "psychologue familial " zany?
26. lako ( 02/09/2009 09:49)
Misaotra anao ary fa zao no anontaniako anao eeeee!!
Aiza no mety ahitana "psychologue familial " zany?
27. ni81 ( 02/09/2009 09:49)
Misaotra anao ary fa zao no anontaniako anao eeeee!!
Aiza no mety ahitana "psychologue familial " zany?
aiza no toerana misy anao? Any ivelany sa ao madagaskara?
28. lako ( 02/09/2009 09:59)
Misaotra anao ary fa zao no anontaniako anao eeeee!!
Aiza no mety ahitana "psychologue familial " zany?
29. lako ( 02/09/2009 10:10)
Eto Madagascar za!!!
Mila io koa za fa namaky tato dia mitady an'io koa za!!!
30. Ratoa ( 02/09/2009 23:09)
Raha aty Madagasikara dia tsy fantatro, mijere annuaire hoe "psychologue " aloha. Madrakariva ny hopitaly manana psychologue dia io indray mahala hoe i Ranona spécialiste an'izao. Raha any an-dafy aloha dia "pages jaunes 'ny annuaire téléphonique" dia efa manampy raha tsy mahalala olona mihitsy
31. tywa68 ( 03/09/2009 04:38)
Lako > andramo aloha lay toro-hevitra nomen'i Ratoa hoe :
Avereno indray ny sangisangy é! Dia mba manaova soirée na après-midi intime, miara misotrosotro miaraka am-drams sy ny ankizy. Ela izany tsy ni-réve hoe fa andao isika mianakavy mba iadana.

Mety hitondra filaminana ao an-tranonareo :? d mitadiava fidiram-bola koa hanamaivana anareo @ frais manome soucis azy, miteraka an'ilay fisotroana.
32. lako ( 03/09/2009 06:00)
Misaotra alo eeee!!!Ka tsy za ange io olona manana problème eeee!!!fa mila ilay dokotera fotsiny za fa namaky tato fa na zany aza misaotra aloha eeeee!!!
33. lako ( 03/09/2009 06:02)
tywa68> Misaotra alo eeee!!!Ka tsy za ange io olona manana problème e fa xxx!!!fa mila ilay dokotera za fa mba tiako ho fantatra fa na zany aza misaotra aloha eeeee!!!
34. tywa68 ( 03/09/2009 06:03)
Lako > azafady fa noheveriko f'ianao :? tsy mahalala dokotera aho fa ny namana any Mcar ihany no afaka manampy anao @izay ! :wink:
35. ni81 ( 03/09/2009 06:11)
CENTRE DE DIAGNOSTIC NEURO-PSYCHO
(C.D.N.M.)
Villa Mamisoa Samhy lot A II 7
Ambatobe - Mandrosoa Ilafy
ANTANANARIVO - MADAGASCAR
Tél: +261 32 07 101 46 (Ap et Soir)
+261 34 22 630 46 (matin)

Manontania ao amin'io toerana io sao mahasoa.
36. ni81 ( 03/09/2009 06:12)
Nianatra ny neuropsychologie mantsy hono ilay Dr miasa ao
37. lako ( 03/09/2009 06:17)
tywa68> Tsy tsiny akory eeeee!!!
ni81> misaotra fa noraisiko mitsy ilay izy!!ary enao renseigné an!!!misaotra eeee
38. xxx ( 03/09/2009 06:26)
Tena misaotra betsaka misy ry ni81 fa tena na za koa aza dia saika hanontany hoe: aiza no misy an'io fa voavalinao tato ilay izy fa misaotra Lako koa alo nametra fanontaniana eeeee!
Misaotra ry reto an!!zao dia zao mitsy dia anontaniako dia ho lazaiko @ manaraka ny tohiny!!misaotra eeee!!!
39. tywa68 ( 03/09/2009 07:02)
ni81 > soa fa misy anjy eto :-*
bon courage ho anareo namana osa2 e :-*
40. lako ( 03/09/2009 07:59)
sinon, iareto 2 ou 3ans, après divorce dia manaova inscription @ site MEETIC @ izay.

sinon, je suis toujours celibataire , mbo dogalahy avao hoy toliara, ka raha ohatra ka.... + si affinité
Ary io ny tenin'i ni81 tary ambony tary nefa izy manoro hevitra ho any phycho indray!!!enao an!!!eny eeee!!!asan'i xxx alo eeee!!!
Refa manaiky eo ko xxx de misotro tôka ni81 de ni81 ihany no miteny hoe ento any Ambatobe za (dokotera) :P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084