Convocation » sandoka, mpianatra dimy tsy nahazo nanao fanad

1. ari.malala ( 19/08/2009 07:35)
http://www.midi-madagasikara.mg/midi/index.php?option=com_content&task=view&id=16930
midi-madagasikara:
« Convocation » sandoka, mpianatra dimy tsy nahazo nanao fanadinana bakaloreà

Ataon’ny olona avokoa izay zavatra rehetra mety hahazoana vola hatramin’ny fisandohana ny ho avin’ny ankizy. Tsy nipetra-potsiny ireo izay niharan’ity zavatra ity fa nitondra ny raharaha teny amin’ny mpitandro filaminana.
Mpianatra dimy mianadahy no tsy afa-niatrika ny fanadinana bakaloreà teto antsirabe nanomboka ny alatsinainy teo. Avy amin'ny sekoly tsy miankina iray ao Ambohidrano Antanimandry Antsirabe 2 izy ireo. Mbola tsy nahazo ny fankatoavana avy amin'ny fanjakana momba ny fisian'ny kilasy famaranana ity sekoly ity ka voatery nifandraharaha tamin'ny sekoly tsy miankina iray eto Antsirabe. Mpampianatra iray vaovao ao amin'io sekoly io no nanankinana ny fikarakarana ny antontan-taratasy momba ny fanadinan'ireo ankizy izay miisa 20. Ny 15 tamin'ireo ihany anefa no vitany ary nofitahiny ireo dimy hafa fa hahazo ny fiantsoana azy ireo ihany amin'ny fotoam-panadinana. Rehefa tonga teny amin'ny Lycée Antsirabe ny telo tamin'izy ireo ary nilaza fa tsy nahazo ny "convocation»-ny, dia nampanaovin'ny lehiben'ny toeram-panadinana ny taranja filozofia ihany saingy natokana ny taratasim-panadinany. Taorian'ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa tsy nisoratra ao anaty lisitra mihitsy izy ireo. Tsy afaka niatrika ny fanadinana intsony ireo mpianatra ireo araka izany ka nitondra ny raharaha eny anivon'ny mpitandro ny filaminana ny ray aman-dreniny tsirairay avy. Marihina fa tsy hita ilay mpampianatra hatramin'io alatsinainy niantombohan'ny fanadinana io.

LOVA
novalian'i Picsou ny 19/12/2009 10:00
2. Picsou ( 19/12/2009 10:00)
marina izany :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4246