Masira sy Mamy

1. simplex ( 13/08/2009 15:23)

nareo ve mba tia an'le kaly sady masira no mamy ireny? tsy otran'ny contradiction be ve?
eny e, ny mofo grefy aloha tsara ee. Sady ramanonaka no mofo gasy mais bon... ra hena na hoe kaly no otrain'ny tsy norma be kle :)

ny tena tiako hahatongavana dia ny hoe : mba tsara ve zany poulet au miel zany? :P

;-)
novalian'i mangabe ny 07/12/2011 14:03
2. booboo ( 13/08/2009 16:12)
:-D
matsiro io kah, sady vety² ny fanamboarana an'azy.
tondé atambatra ao anaty vilany aby : akoho voatetika, vinaigre 3 sotro, tantely 6 sotro, menaka 1 sotro, nuoc mam tsy haiko lôtra ny fatrany fa nenà au pif.

Tenehina ela² ao mandra-paha masaka tsara ilay akoho dia asiana fécule na farine 2 sotro hampatevina ny sauce. Atao malefa be ny afo sady arohina².

Afaka 3 min vita dia à l'assaut @ zay.

Afaka soloina hena hafa raha fady akoho :°). Misy koa macérer-ny klou ilay hena vao endasina, izay vao asiana nuoc mam sy tantely sy vinaigre sns. afaka asiana zesta teknika bozaka maro² koa.
3. Ratoa ( 13/08/2009 17:49)
Matsiro marina tokoa â!
Indrindra raha sendra mpiangaly azy!!!
Ny porc au caramel koa milay. Inona moa ilay ataon'ny olona anarany fa adinoko:
manao caramel ianao atao mena tsara. (100gr de sucre pour 1verre d'eau)
ampiana menaka sahaza anendasana ny hena (nyfatran'ny menaka miankina @ quantité-ny hena kisoa)
Aroy tsara, arotsahy ny hena efa misy sira.
Mbola afangaroy ihany. asio Nuc Mam araky izay itiavanao azy.
Bozabozaka isan-karazany raha tianao; ( aleoko natiora).
Tampoy rano mahamasaka ny hena.
Atao henaritra arosoy amin'ny vary na izay tianao.
4. booboo ( 13/08/2009 18:31)
@ ilay porc au caramel koa rehefa @ farany iny mihitsy dia afaka asiana mananasy. Tenehina raim kely fotsiny dia vitaaaaaaaa.
5. simplex ( 13/08/2009 20:08)

ok ok
misaotra @ recety eee

fa hono wa, ilay hoe matsiro teo:
masira sa mamy ny tsirony ? :P
6. simplex ( 13/08/2009 20:09)

tsy mankarary kibo? :-w
7. booboo ( 14/08/2009 08:58)
Tsy ôtra mofo grefy klou ny tsirony é hihihihihihi. Tsy mamparary kibo izany fa vô maika aza mampafaly² kibo kouh !
8. Ratoa ( 14/08/2009 19:26)
ny porc au caramel masira ka atao miofandanja ny sira sy ny siramamy dia lefy ihany ny siramamy fa ny mananasy koa manampy marikivy fa ny poulrt au miel, tahaka ny canard laqué, misy embonembona mamy fa milay an!
maika aza mampafaly² kibo kouh !

ity booboo ity koa mba mpiangaly azy an!
9. simplex ( 14/08/2009 21:02)


ity booboo ity koa mba mpiangaly azy an!
hihi
vao ny ps-ny fotsiny dia efa fantatra fa taranjany mintsy manhandro kaly ^:^

kalou fa andramako ilay poulet au miel ra ohatra ka milay ee. Sa le porc au caramel ve no tokony andramana pre?
iza no tsara kokoa? @ zay mba korazy korazy manao azy ra mahazo tsirony @ fanandramana voalohany :P

misaotra betsaka oooo
:-*

10. Ratoa ( 14/08/2009 22:20)
io indray ry simplex dia samy manana ny tiany ! ny prem amiko mety ho deux aminao!
11. ari.malala ( 18/08/2009 09:24)
Ratoa:

Matsiro marina tokoa â!
Indrindra raha sendra mpiangaly azy!!!
Ny porc au caramel koa milay. Inona moa ilay ataon'ny olona anarany fa adinoko:
manao caramel ianao atao mena tsara. (100gr de sucre pour 1verre d'eau)
ampiana menaka sahaza anendasana ny hena (nyfatran'ny menaka miankina @ quantité-ny hena kisoa)
Aroy tsara, arotsahy ny hena efa misy sira.
Mbola afangaroy ihany. asio Nuc Mam araky izay itiavanao azy.
Bozabozaka isan-karazany raha tianao; ( aleoko natiora).
Tampoy rano mahamasaka ny hena.
Atao henaritra arosoy amin'ny vary na izay tianao.


Raha ts manana mizana kay d ahoana no ahalalana ilay quantité hoe zay lay 100 grammes? misaotra
12. tess ( 18/08/2009 18:49)
Mpandefa : simplex [ Valio ] 13-08-2009 17:23:22
Lohateny : Masira sy Mamy

nareo ve mba tia an'le kaly sady masira no mamy ireny? tsy otran'ny contradiction be ve?
eny e, ny mofo grefy aloha tsara ee. Sady ramanonaka no mofo gasy mais bon... ra hena na hoe kaly no otrain'ny tsy norma be kle

milay be ny sakafotsinoa kou, lay hena somary mamy ireny hummm asina vary basmati:miam:
13. Ratoa ( 19/08/2009 00:52)
Raha ts manana mizana kay d ahoanara be no ahalalana ilay quantité hoe zay lay 100 grammes?

Ataovy rano mitovy ahavo amin'ny siramamy na somary kelikely fa raha vao mafana ny siramamy dia mitsonika ka ny ilàna ilay rano izany dia ny tsy ampiraikitra avy hatrany ny siramamy fa raha vao mahatratra température be izy dia marron marron dia mora miraikitra
14. ikaretsaka ( 26/08/2009 21:51)
Ramanonaka asiana confiture na pain d'epices sy pate na foie gras izao no tena sucre sale milay no mora atao ko

rehefa any @ nanata koa ange ra simplex de le ramanonaka 2 vo mafana be iny asio tantely na nestle de akambano de iny hoanina e....

fa rehefa manao kaly ohatran reny de tsy eritreretina ny hoe inona sy inona no nifangaro fa ny tsirony no miukaonty

15. Ratoa ( 26/08/2009 22:18)
Mofo gasy hanina amin'ny saosisy gasy na ati-kena be sakay koa milay é
16. xxx ( 27/08/2009 09:08)
Ratoa:

Matsiro marina tokoa â!
Indrindra raha sendra mpiangaly azy!!!
Ny porc au caramel koa milay. Inona moa ilay ataon'ny olona anarany fa adinoko:
manao caramel ianao atao mena tsara. (100gr de sucre pour 1verre d'eau)
ampiana menaka sahaza anendasana ny hena (nyfatran'ny menaka miankina @ quantité-ny hena kisoa)
Aroy tsara, arotsahy ny hena efa misy sira.
Mbola afangaroy ihany. asio Nuc Mam araky izay itiavanao azy.
Bozabozaka isan-karazany raha tianao; ( aleoko natiora).
Tampoy rano mahamasaka ny hena.
Atao henaritra arosoy amin'ny vary na izay tianao.


"Tsa tsiou" angamba ilay anarany

Ny ahy macérer-ko ireo rehetra ireo mandritra ny alina , dia ataoko anaty lafaoro fotsiny rehefa maraina, miam ...
17. Ratoa ( 27/08/2009 17:03)
Tsa tsiou" angamba ilay anarany

Izay mihitsy . Saigy ny fanaon'ny olona atao lavalava tahaka ny kitoza dia misy taviny sy nofony fa ity tahaka ny hena ritra misy saosy caramel;
Raha atao anaty lafaoro ve izy tsy lasa laqué?
18. ari.malala ( 02/09/2009 07:19)
ôtran'ny tsy mazava amko lay fanaovana ilay porc au caramel: atao aloha zany ny caramel d refa marron tsara ny siramamy d arotsaka ny menaka? d refa mafana ndray ny menaka d zay vao arotsaka ny hena ef amisy sira?
19. Ratoa ( 03/09/2009 01:23)
ari.malala
izay mihitsy. Rehefa mifangaro ny menaka sy ny caramel, tsy miraikitra intsony ny caramel dia arotsaka ny hena. Tandremo anefa fa mamay be io menaka io; Izany hoe, ataovy vonona daholo izay ilaina vao manao ilay caramel fa raha mitohy eo ambony afo ka tsy misy menaka manjary may (mainty be) sy mangidy. Moa raha mangatsiaka tsy menaka dia mivaingana.
Tsy manana fatra aho fa tomba maso fotsiny, caramel mahavonto ny hena no atao.
Izaho mantsy tsy nanaraka recette fa niara nahandro tamina namana indonésienne.
Mazotoa
20. ari.malala ( 07/09/2009 09:16)
merci am fanazvana fa hanandrana ah! hihihi hataoko kelikely aloha ngamba fa toa otran ts tia ny ao aminay... hitako eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3027