Ny ataon'ny ray aman-dreny no matetika ataon'ny zanaka

21. rzakarivola ( 20/08/2009 13:51)
cutie:

Ny ataon'ny ray aman-dreny no matetika ataon'ny zanaka

tena marina mitsy zany fa anjaran'ny tsirairay no mahatsapa tena we mety ve ty ataoko sa tsy tsia mba ho tarafin'ny taranaka aty aoriana na ny mpiara-belona amin-tena :D

==> Dadanay mpisotro toaka, izaho kosa tsia ary sady ts nety nirahiny hividy na sigara na paraky na toaka. Mpanenjika sy mpankahala ny mpidoroka. Efa nino an'i Jesoa aho vao nahatsapa fa kay izaho no isan'iazy tena mpidoroka indrindra, mpidoroka ara-panahy aho ... pire que mon père izany. Misotro izao divaim-pahalalana sy toakan'ny fahafantarana rehetra izao, ka nahatonga ahy mpaniratsira sy mpitabataba.
Ankehitirny kosa nampahafantarin' Andriamanitra ahy izay tena fihinana sy fisotro : ny nofon'i Jesoa Kristy sy ny Rany.

Fa hamaly ny fanontanian'i Niryna aho aloha, hoe "mino ve ianao fa ny Ray mety hanova ny zanaka ary ny zanaka mety hanova ny lehibe?"
Mino aho, ny Ray Mandrakizay, dia ny Zanak'Olona, Izy no manana hery sy fahefana ary Fitiavana ampy hanova.
22. rzakarivola ( 20/08/2009 13:53)
Misy tenin'i Jesoa tadidiko mikasika ity hoe "ny RAD no tahafina".
Andriamanitra dia tsy mba mpanota, ary i Jesoa dia tsy nanota, ka iza ary no RAD notahafin'ny mpanota ?
23. cutie ( 21/08/2009 13:05)
Mpandefa : rzakarivola [ Valio ] 20-08-2009 15:46:43
Lohateny : Re : Ny ataon'ny ray aman-dreny no matetika ataon'ny zanaka
Tahaka ireny @ avatar-n'i cutie ireny ilay tonga chasseur de gazelle rehefa lehibebe.

lol
24. cutie ( 21/08/2009 13:07)
Mpandefa : rzakarivola [ Valio ] 20-08-2009 15:53:35
Lohateny : Re : Ny ataon'ny ray aman-dreny no matetika ataon'ny zanaka
Misy tenin'i Jesoa tadidiko mikasika ity hoe "ny RAD no tahafina".
Andriamanitra dia tsy mba mpanota, ary i Jesoa dia tsy nanota, ka iza ary no RAD notahafin'ny mpanota ?

ka RAD nga mitovy @ Atra?
25. niryna ( 22/08/2009 06:10)
cutie:

Ny ataon'ny ray aman-dreny no matetika ataon'ny zanaka

tena marina mitsy zany fa anjaran'ny tsirairay no mahatsapa tena we mety ve ty ataoko sa tsy tsia mba ho tarafin'ny taranaka aty aoriana na ny mpiara-belona amin-tena :D


izay no mahatonga ny ohabolana iray miteny hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza...

26. niryna ( 22/08/2009 06:19)

tena marina mitsy zany fa anjaran\'ny tsirairay no mahatsapa tena we mety ve ty ataoko sa tsy tsia mba ho tarafin\'ny taranaka aty aoriana na ny mpiara-belona amin-tena
Ratoa:

izay mihitsy ilay izy ary ao main\'izay hevitra na fomba fijery izay no misy ny finoana sy ny fivavahana fa ny mino tsy hanao ratsy fa hampianatra ny soa.
izay tokoa ,raha alaiko ohatra fotsiny koa izao ny tantara masina ao amin'ny baiboly,ampanarintsika azy ireny ny tantara avy amin'ny alalan'ny baibolin-jaza misy sarisary dia mety ho fantany tsikelikely koa na ny didy folo aza,mety tsy anao zava-doza lehibe izy fa ny fampianarana azony dia manampy azy amin'ny fiainany.Hoy ny reniko izay fahiny... ny olon-dehibe dia mbola misy miteny toa io ,izany hoe mitamberina kely ao an-tsainy ny nampianarina azy fahiny .
Ny ohabolana dia tena feno fananarana ny zaza tokoa ary mampianatra ny ray aman-dreny ny fitaizana sy fianarana ny fiainana tokoa ny famakiana azy


27. niryna ( 22/08/2009 06:21)
rzakarivola:

Misy tenin'i Jesoa tadidiko mikasika ity hoe "ny RAD no tahafina".
Andriamanitra dia tsy mba mpanota, ary i Jesoa dia tsy nanota, ka iza ary no RAD notahafin'ny mpanota ?

ahoana ny valiny ry rzaka?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0325