Serasera amin’ny Internet niafara tamin’ny fifampitoriana

1. ni81 ( 13/08/2009 08:05)
Serasera amin’ny Internet niafara tamin’ny fifampitoriana

Nifampitory no niafaran’ity vehivavy gasy iray, 18 taona, sy vazaha lahy iray, 51 taona, izay nampifandraisin’ny Internet. Niakatra teny amin’ny fampanoavana ny raharaha omaly ka ilay teratany Malagasy no nitory noho ny fandrebirebena sy fanadalàna ataon’ilay vazaha. Toy izao ny fandehan-javatra. Tafaresaka tamin’ny Internet izy roa ka rehefa nipetraka ny fifampitokisana dia nikasa hanorina asa hikambanana eto Madagasikara. Nilaza ilay vazaha fa hanangana orinasa fanamboarana sambo any Mahajanga na any Antsiranana. Nampanantena izy fa horaisiny ho mpanampy azy ilay vehivavy ary tonga dia nasainy nitady trano hipetrahana eto Tana sy toerana hametrahana ny orinasa any amin’ny faritany. Nandeha tsara ny resaka teo ary na ny fanatontosana azy aza dia efa natomboka. Hita ny trano ary efa nasiana kojakoja avy amin’ny vola nalefan-drangahy. Tsy nisy ny fanahiana hatreo ny amin’ny hoe hivadika zava-dratsy ny raharaha. Nanadala. Tonga ilay «mpamatsy vola» dia mbola nandeha amin’ny laoniny ihany ny rehetra aloha. Nihatsara aza ny fiaraha-miasa ary tonga hatramin’ny fividianana fiara an’ilay vehivavy satria hoe afa-po ny mpampiasa azy. Saingy nivadika tsikelikely izany rehefa nandeha tany amin’ny faritra mba hitady ilay toerana ho asiana ny orinasa. Raha ny filazan-dravehivavy mantsy dia nitady ny handeha lavidavitra aminy ny mpampiasa azy. Manomboka manadala azy ary rehefa tsy nahazo izay nilainy dia nila vaniny amin’izay. Toy ny fandroahana an-dravehivavy nefa any amin’ny tany lavi-podiana. Tsy afa-nanoatra anefa io farany ka dia voatery nanaraka ilay vazaha. Rehefa tafaverina teto an-dRenivohitra vao nitondra ny raharaha teny anivon’ny mpitandro ny filaminana izay nanokatra ny fanadihadiana. Omaly no niakatra Fampanoavana ny raharaha ka taorian’izay dia nahazo fahafahana vonjimaika aloha ilay vazaha. Ny 18 aogositra ho avy izao no hitsaràna ny raharaha. Fantatra ihany koa anefa fa nitory ilay vazaha ary efa fanintelony amin’izao no nohainoana teo anivon’ny Fampanoavana ny notoriany. Fanodinkodinam-bola (izay nomeny) no tena anton’izany. An’iza ny tsiny ? Ho hitao eo ny didim-pitsarana amin’ny herinandro. Na izany aza anefa dia azo lazaina fa mahavita zavatra ihany ny…Internet.

D.R
novalian'i locl ny 13/10/2009 18:32
2. fahamarinana ( 13/08/2009 09:01)
:arrow: ouhh !...raharaha be ! :? (l)
3. ari.malala ( 13/08/2009 09:39)
internet hono ka hoe... :-D
4. tess ( 13/08/2009 10:13)
asakasakizay hifampiraharaha am net net ity :lol:
5. ni81 ( 13/08/2009 10:20)
asakasakizay hifampiraharaha am net net ity
ka isika zao mifampiraharaha eto @ net knou! Tsy azo antoka zany? :-P indrindra ilay fanaovana FBI???
6. tess ( 13/08/2009 10:49)
non! mifampitafatafa isika tsy mitovy am mifampirahraha = bizn :wink: :lol:
7. ni81 ( 13/08/2009 11:01)
non! mifampitafatafa isika tsy mitovy am mifampirahraha = bizn
FBI fa tsy FB ranona a! :D
8. tess ( 13/08/2009 11:18)
ka lay fbi mifanome sopapa ka! :-D hoe koboko tary ity fa kobondry kou ve de confirmé iny raha samy nahakobo fa lay bizn hummmmm be arnak be kou
9. ni81 ( 13/08/2009 11:30)
ka lay fbi mifanome sopapa ka! hoe koboko tary ity fa kobondry kou ve de confirmé iny raha samy nahakobo fa lay bizn hummmmm be arnak be kou
:D Ka nifanome sopapa fa hanao bizina ry zareo knou! hehe
10. ari.malala ( 13/08/2009 13:49)
Tess fa misy ian kosa ny olona azo itokisana e!
11. mirana5 ( 14/08/2009 16:28)
ny irariako dia ho faizina tsara lé vazaha, satria sao dia manao kely tsy mba mamindro fotsiny, dia mamitaka ny gasy feno fahatsorana tsssss!
12. locl ( 13/10/2009 18:32)
adalany ny an'ily gasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4053