Mimenomenona sahady ireo ho very seza!!!!

1. news2dago ( 12/08/2009 13:51)
Mahagaga fa mifandimby maneho hevitra ny mpikambana ao @ fat ankehitriny ao ny sasany mampiakam-peo mafy oe tsy maintsy izy no mitarika ny tetezamita sy ny praiminisitra ary maro an'isa ao @ kongresy sy ny sisa!!! Miady seza sahady. Kay zany ny tena marina dia ny seza no mahamaika fa tsy dia misy fitiavan-tanindrazana velively ao.

Eo koa ireo efa mahatsapa fa tsy ho isan'ny lisitra intsony @ fizarana ilay gatô satria mazava ho azy ho zaraina @ firehana hafa ny seza! Misy de manatena io tetezamita io fotsiny mantsy ny mpanao politika eto amintsika eto mba azahoana fahefana tsy misy miafina @tsika moa izy ireo fa fantatra daholo oe iza avy?
novalian'i fijo ny 13/08/2009 20:46
2. penguin ( 12/08/2009 14:20)
Ka tsy lany izy tamin'ny fifidianana dia izay no hanararaotana satria hantery ity no nahazoana laka.
3. Mirananirina ( 12/08/2009 14:28)
Miady seza sahady. Kay zany ny tena marina dia ny seza no mahamaika fa tsy dia misy fitiavan-tanindrazana velively ao.
fizarana ilay gatô
voalazanao mihitsy fa ny TGV dia ireo ihany no mahamaika azy,toa harary ny fo raha zaraina indray ,nefa efa namono olona maro nakany io toerana io.
4. bozyboleta ( 12/08/2009 14:47)
Ny tena olan'ny faty dia ny henatry ny vavabe natao sy ny fampanantenana poakaty nomena ireto foza. Tsy hiray latabatra e, tsy hanao sonia e, tsy mila an'izao sy zao e, sns...

Aiza anefa??? Rehefa lany ny paiso an-kady dia tsy maintsy mitady vahaolana ahitana vola satria ny mpamatsy efa nanidy robine.
Etsy an-daniny anefa miseho mati-kambo tsy te-hiray vilia @ hafa.

Dia io manasa atidoha etsy sy eroa io nefa efa tsisy mpihaino intsony.
5. Noue ( 12/08/2009 15:54)
news2dago:
Miady seza sahady. Kay zany ny tena marina dia ny seza no mahamaika fa tsy dia misy fitiavan-tanindrazana velively ao.
hatramizay io fiadian-tseza io ka tsy mahagaga eee ! aiza re zany oe pour l'intérét de la nation zany ee ???


6. bazylou ( 12/08/2009 17:01)
vive tgv
7. locl ( 12/08/2009 18:25)
voa indray i bazylou
8. ndotofetsy ( 12/08/2009 18:54)
nga moa efa nisy niady seza noho ny fitiavantanindrazana :^) :^) :^) :^)
9. Noue ( 12/08/2009 19:28)
ny an'i bazylou dia io foana sisa no mba lazainy :^) :^) :^) :^) :^) :^)
10. fijo ( 12/08/2009 20:31)
amin'izao fotoana izao,dia tena atahorana ny ain'i andry,fa mihezaka mafy ireo akama taloha izao ny hamono azy
11. mathla ( 12/08/2009 22:35)
Nahoana kosa moa izy ireo no tsy himenomenona? Mba meteza kely fotsiny ianareo ho eo amin'ny toeran'izy ireo hoe: tolona niarahana nanao ny teny amin'ny 13 may ary nandaniana sy namoizana zavatra maro kanefa dia ho rava maina fotsiny amin'izao tao anatin'ny fivoriana 4 andro izay tsy natrehan'ny ankamaroany akory. Ary amin'izay indray toa karazana fanomezana mifono poizina ho azy ireo ilay fifanarahana nosoniavina? Misy poizina satria eo ilay seza tsy maintsy zaraina amin'ny hafa, fa eo ihany koa ilay hoe izay mahazo seza amin'izao tsy mahazo mirotsaka hifaninana amin'ny fifidianana. Ny zavatra tsapa manko dia efa nisy ny nangalatra fotoana sahady nanararaotra ny toerana ananany teo mba hanomanana sahady ilay ady goavana amin'ny fifidianana.
Mahatsiaro ho voafitaka ihany izy ireo raha ny fijery azy ety ivelany aloha io ka asa izay hiafarany.....
12. tess ( 13/08/2009 05:17)
mathia: ka raha tsy fiaizina otrzay ireo tsy hahay hifandamina kosa kou! tsy aleo ve izay DE MANANDALO fifidianana mintsy DE MILAM avy eo, ny fiadiana seza misy foana.
13. fijo ( 13/08/2009 20:46)
ka rah atenampanao politika dia tokony ahay hikajy izay hoatao e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1313