INDRAIM-BAVA : Nomen’Andriamanitra ny fara
1. ari.malala
(
12/08/2009 08:41)
INDRAIM-BAVA
Tsy naharitra izahay fa mba te hizara vaovao lehibe aminareo havana aman-tsakaiza rehetra. Amin-kafaliana lehibe no ilazana aminareo fa teraka tany Mozambika, ny alahady 9 aogositra lasa teo, i Maputo. Zazalahikely, tsy azo lazaina ho dongadonga hatreto fa manana ny lanja ampy ihany koa hitomboana sy hivelarana na dia nananosarotra ihany aza ny fiterahana. Na dia izany aza, mbola mareforefo ihany i Maputokely ary toa ihazakazahana ny fitaizana azy ka vizan’ny fandroritan’ny mpianakavy izy hatramin’izao.
Ekena, tompoko, zanaka iombonana ity naterakay ray aman-dreny ity, notronin’ireo dokotera sy mpanolo-kevitra ary manampahaizana teratany sy vahiny, kanefa nony tonga eto an-tanindrazana ity menaky ny ainay ity dia toa samy te hikarakara azy daholo ny fianakaviana rehetra. Isaorana be dia be izany fanehoam-pitiavana izany, hovaliana raha mahatsiaro, saingy matahotra izahay sao hanimba tanteraka ny maha izy azy sy ny toetran-janakay izao fandroritana tsy misy farany ataonareo aminy izao.
Koa miangavy anareo rehetra re izahay mba hampitony ny hafaliana na ny fahadisoam-panantenana, satria renay ihany koa fa nisy sasany taminareo, hono, no niandrandra vavikely ka tsy mety ho afa-po. Mila tontolo tony sy milamina i Maputokely ity, raha tsy izany hanahirana ny fikolokoloana azy. Isaorana be dia be sahady ireo nandefa rom-patsa sy tsodrano tahaka ny ao amin’ny Firenena Mikambana sy ry zareo frantsay. Manantena ireo namana aman-tsakaiza nampiato ny fifandraisana taminay hanara-dia azy ireo. Mila tsy ho ampy sahady mantsy ny nonon-dreny ka mila tohana e!
Hanitra A. Rabetokotany
Hihihi mba mampime kely nalaiko tao @ gazety Taratra androany e! hihihi
novalian'i dadabe ny 16/08/2009 08:11
4. bozyboleta
(
12/08/2009 10:58)
Nikaroka mihitsy le olona. :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
6. ari.malala
(
12/08/2009 14:45)
pikatti, ko nga za no nanao an'io ra ts le oul tao am gazety taratr e =)) =))
7. Veloo
(
12/08/2009 16:27)
sy ry zareo frantsay
ataoko angamba fa tsy nisy frantsay mihitsy tao fa teny frantsay no nampiasaina?????
Za tsy dia mino frantsay hanao an'io hihihihih
8. fijo
(
12/08/2009 20:46)
marina mihintsy le izy ko,manantena isika fa hitombo fahasalamana i maputokely
