Aza censuréna ry TVM aa ! dia hanomboka sahady ve ny >>>>

1. Noue ( 10/08/2009 18:35)
Fa dia nahoana kosa aza no censuréna ry TVM ny déclaration hafalian'ny sasany aaa !

Vao omaly anie no vita ny dinika tany Maputo dia hisy an'zao censuréna zao sahady ve ee ??

http://www.youtube.com/watch?v=R6D-GkSGsy4&eurl=http%3A%2F%2Fgasytiatanindrazana.free.fr%2F&feature=player_embedded
répondu par fijo le 11/08/2009 22:53
2. zandikely ( 10/08/2009 19:29)
Tsotra ka:
Tsy tao anatin'ny accord tany Moputo e!
hahahahahahahaha
Sady mbola anatiny laguna legis isika izao, mbola afaka manao izay tiana atao e!

3. Noue ( 10/08/2009 19:53)
raha tsy tao kosa ve io dia holazaina eo imason'rehetra ireo ee ?? tao daholo anie ny 4 mouvances eee ! jereo indray anie ilay vidéo ee ??
4. patrick2002 ( 10/08/2009 21:04)
zavatra lainga ve no tenenina tsy ho censurer-na
iza no miteny anao fa afaka miverina i Ravalomanana ,mbola misy conditions betsaka no takiana @ Ravalomanana vao afaka miverina izy .
Ary i Ravalomanana koa nangataka conditions vao afaka miverina ,anisany izany ny @ securité ny ,izay nangatahany fa ny miaramila SADC no hiantoka azy ,izay nolaviny Andry ,Zafy , Ratsiraka.
Ny momba ny gadra politika dia tsy haiko ,havoaka sa tsy havoaka ,tsy nahita ny TGV nilaza an`izany izaho .
Izay no hataoko hoe mbola hisy ny MAPUTO 2 fa aza maika .
5. zandikely ( 10/08/2009 21:21)
Sady tsy misy ilana ny fiverenan'i Ravalomanana koa ange, ny reconnaissance internationale fotsiny no nilaina dia izy azo izao dia izay.
Miaika sy mankato ny rafitra tetezamita ny firenena ivelany, afaka miverina ireo mpamatsy vola. Izay iany no nilain'i Madagascar fa tsy Ravalomanana velively mihitsy.
6. zoam ( 10/08/2009 21:58)
ialahy tsy nifidy azy tsy blem izany ,f'angaha iny sata iny raha tsy nanaiky i ra8 nisy zava banona tao
7. xxx ( 10/08/2009 22:19)
Aza miady hevitra sy lany mihady hvitra a^reo kely saina tsy mahatakadavitra oreo ry zoam a ,raha tsy nanaiky io cohabitation io ra8 tsy niy zavatra vanona tao,aleo tsy hanaraka izay vaosonia any ireo tia seza ireo fa afaka miteny indraya ra8 io tsy nifanarahana io dia ho tapaka ny famatsiambola dia ho tapaka koa ny lelan'ireo mpiaro fahatany ny hat ireo ,tsy mba mahay misaotra adra8 efa nadefitra be dia be ,ny sasany tsy ny tombotsoan''ny firenena no jerena fa hiady taolana ohatran'ny amboa lava izao!olona lian'ady lava izao!
8. essera ( 11/08/2009 06:33)
Nareo ko zan te hifamaly am tsy antony. Efa zava-dehibe na dia vao fanombohana aza ny Maputo 1. Ny mba teneniko kosa alou d ity am tsy maha-pro tgv na pro-tim na pro-arema an'i Essera : izay tonga eo am fitondrana d mi-soavaly ny rnm tvm foana. Zay foana io ry zama ka aza mifanome tsiny alou.
1/ Ny iray mba rariana fotsiny d mba ho be couleur ny tetezamita 2 (maro ny firehana miara-miasa ao).
2/ Mba ho constructif ny zavatra ataon'zalah koa fa tsy hanao revim-balala anaty harona ka hifanipaka mandra-pahavitan'ny 15 mois. Ra izay no hiseho d guerre froide io mandrapisin'ny filoham-pirenena vao2.

9. Noue ( 11/08/2009 06:38)
essera:
Nareo ko zan te hifamaly am tsy antony. Efa zava-dehibe na dia vao fanombohana aza ny Maputo
nymahagaga anie less essera dia io mbola ao daholo ny delegasiona tany , ireo mbola tafaraka ireo daholo ka ny tsy azoko fotsiny dia maninona no censuréna ilay izy ee ?? sady tsy oe mouvance 1 fotsiny no hita ao @ io vidéo io fa i rajoelina aza dia hita ao ! ka maninona no censuréna ?


10. essera ( 11/08/2009 06:44)
Ny zavatra hitako alou tam tvm tam partie nitenenan'i Andry d somary no-modérer-n'lery ihany ilay kôziny, eny fa na dia somary mbola ao ihany aza ilay fitenanana an'ilay hoe tsy fahazoan'i Dada miverina.

Ny ts d neken'ny saiko koa iray d ilay asiana resaka hoe naharesy i ranona na naharesy i ranona. Ny souci-ko am zao fotoana izao izany d hisy abonné magro ts hanaiky2 foana fa hitady moyen hafa hanehoany hevitra raha mieboebo eo ny pro-tgv.
11. ravatorano ( 11/08/2009 07:56)
ka izay mihitsy less ry essera ah
io tsy hitako mai=rina izay hoe naharesy sy resy tamin 'ilay izy
Ingahy Ravalo izy tenany no nilaza fa tsy mbola hiverina raha tsy .... azy ny azy iny aloha ary efa nomeny ny antony !
Io tetezamita io dia tokony ho tsy hitanila mihitsy satria ao avokoa ireo akolafikery efatra araky ny andininy voalohany ao amin'ilay charte de mamputo ihany : la transition sera neutre,inclusive, pacifique et consensuelle" ! Mazava iny
zaay aloha ety ankorondrano hatrin'y omaly dia efa tsy nahare ilay mozika mpandrotsirotsy anay etsy amin'ny Mgros intsony fa efa nitan ny teniny izany zareo fa hatsahatra ny hetsika atao eo !
12. essera ( 11/08/2009 08:09)
Izao no tena mety, ny adidin'ny tetezamita (ankolafin-kery 4), d ny manao izay tsy isian'ny incident am mpanohana azy ireo avy.
13. fijo ( 11/08/2009 22:53)
za dia mino ,fa rehefa tafajoro eo ny governemanta tetezamita tena izy,dia hoafaka amin'izay ny fanakanana rehetra misy tao amin'ny tvm
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0591