Isaorana ny karan-DRavalomanana Marc. Halevina ny FAT(y)

1. penguin ( 10/08/2009 05:48)
Tsy miala ny sainay vahoaka fa mbola miandry ny fahafahanao mody Andriamatoa Filoha Marc Ravalomanana. Isaoranay vahoaka ny kabarinao tao Maputo ary mbola miandry ny fahatongavanao amin'ny fotoana mahamety azy izahay vahoaka. Ny FAT(y) moa tsy maintsy halevina fa tsy mety ahantona. Isaorana ihany koa ireo Roa Lahy Filoha nifandimby ary ireo aza moa no hitanay anisany nahazo fandresena mihezinezina. Tsangambato eo sisa ny TGVendrana aminay ary izany no tena mendrika azy.
novalian'i xxx ny 10/08/2009 11:01
2. razakad ( 10/08/2009 06:11)
Isaoranay Andry Rajoelina fa tongany teo amin'ny ara-dalàna ny tetezamita entiny, tampim-bava koa ireo mpilahatra sy mpanakiana ny fitondrana entiny. Milay ry zandry ny adinao a, tohizo fa tsara.
3. essera ( 10/08/2009 06:35)
Salii daolo a...
D'ici 15 mois ltia ry penguin raha haingana ndrindra. Manomboka indray ny compte à rebours leazhhhhhaaaaa.

:-D :-D
4. ravatorano ( 10/08/2009 06:41)
zahay dia miandry mafy ny fifidianana sy izay hilatzsaka eo dia any isika mifankahita fa raha ny komentera klou d aleo za tsy hanao mihitsy fa any za vao tena hanao mafy ary hirotsaka hampanao propangady ho an'izay reveko !
5. vitamatavy ( 10/08/2009 06:45)
tsy nisy nilaza mihitsy hoe tsy misy legaliste ao anaty gouverenment ,vakio tsara aloha le izy vao miteny,vita ny monopole an'i tgv an'io fa zaraina ny pouvoir
6. ouiandry ( 10/08/2009 06:47)
Misaotra manokana an'i Zandry Andry Rajoelina ny fianakaviana TGV 100% eto @ serasera satria:

_Nanaiky i Ravalomanana fa tsy nitombona ny fanangadrany ny miaramila sy olon-tsotra nandritra ny fitondrany!

_Vitan'i Andry Rajoelina ny nanakana an'i Ravalomanana ny hiverina eo @ toerana maha prezida anazy! Hisaorana manonkana i Ignace Didier Ratsiraka nampatsiahy an'i Ravalomanana fa tsy hoeken'ny vahoaka Malagasy mandrakizay izany fitondrana olona mitambasy eto Madagasikara izany, mahazo mahatoky izany ny Malagasy fa raha sanatria i Ravalomanana mitady hiditra miaraka @ olona mirongo basy dia hirahina ny Mouvances Pr Zafy, Ratsiraka ary TGV hanohitra an'izany!

_ny tena hisaorako manokana an'i Andry Rajoelina d ny nahavitany nampanaiky an'i Ravalomanana tsy hiverina eo @ fitondrana ary ihany koa ny nahavitany nampanaiky an'i Ravalomanana (en tant que Ravalomanana) ny tsy handray anjara @ ilay fitondrana tetezamita, misy moa milaza hoe paika politika ilay izy fa ho anay dia tsotra i Andry Rajoelina dia afaka hirotsaka na dia mijanona ho prezidan'ny tetezamita aza!

_mbola misaotra an'i Andry Rajoelina ihany koa aho satria manomboka eto dia afaka hitondra ny fitoriana an'i Ravalomanana eny @ tribunal ny vahoaka niharan'ny tsindry azo lena nataon'i Ravalomanana sy ny taranany, ary ny Fitsarana dia afaka handray didy hanameloka an'i Ravalomanana, ka amiko rehefa migadra eny Antanimora i Ravalomanana pour abus de pouvoir dia vita ny aminy :-D :-D :-D :-D
7. Noue ( 10/08/2009 07:06)
essera:

Salii daolo a...
D'ici 15 mois ltia ry penguin raha haingana ndrindra. Manomboka indray ny compte à rebours leazhhhhhaaaaa.

:-D :-D
sali lesy essera aa !! tandremon'lah ndray sao dia hanomboka hanisa andro lava eto elàh aa !


:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
8. ravatorano ( 10/08/2009 07:09)
tena marina ve fa i andry rajoelina no nampanaiky an i ravalomanana tsy hiverina eo amin'ny fitondrana intsony sa mba hevitrao samirery io ry ouiandry
za mantsy tsy mino an'izany mihitsy!ny mifanohitra amin'izany aza no neritreretiko ary mety izy roalahy zafy sy ratsiraka aza no neveriko ho nanolotra hevitra tamin' i ravalomanan mba hijanonany ka nilazany fa " avelany eo ny hampobo mba ho fikatsahana ny tombotsoam-pirenena"

fa na izany na tsia aloha dia mahazo mifaly izay te o faly amin'iny resaka vita tany maputo iny ary mahazo marary andoha koa izay tsy faly fa ny ahy dieny izao dia manentana ny malagasy maro afaka mifidy mba hanatontosa izany adidiny izany reefa tonga ny andron'izay voatondro hanaovana izany mba hialana an'ilay hoe "nareo nifidy an'io" sy ny hoe "lany tamin'ny 52% nefa ny tena nifidy dia 40% amin'nny isan'ny mahazo mifidy !

9. essera ( 10/08/2009 07:41)
Maika loatra vitamatavy fa mbola tsy nisy resaka fizarana seza ilay tantara fa mbola manaraka iny
10. reeves ( 10/08/2009 07:42)
Misaotra an`ny Filoha Ravalomanana naneho fahendrena ho an`ny tombotsoan`ny vahoaka Malagasy ka nampandefitra ambom-po . Angamba kosa tsy hoe i Andry no nampanaiky an-dRa8 e! Ing Andry Rajoelina dia tsy maintsy nanaiky nanao iny sonia iny fa tsy afaka niala bala toy ny teo aloha intsony satria hentitra ny GCI ary zava-doza no niandry an`i TGV raha tsy nanao satria ny vahoaka efa tena latsaka an-katerena indrindra ary efa niomana ny amin`ny explosion sociale ary anisan`izany ireo foza nametraka ity fitondrana ity . Ny tena maty antoka tamin`iny aloha izao dia ireo membra tsy ahoan-tsy ahoana ao amin`ny FAT voatery tsy maintsy ho tsoahina amin`ny toerany ary indrindra indrindra fa ireto Tafika mutins sy ry Sarla izay tsy faly , porofon`izany toa tsy tazana teny Ivato ry zalahy sy ry General Alain Ramaroson omaly . Tsy misy ilana an-dry zalahy ireo intsony tokoa aloha satria Tetezamita TSY MISY HERISETRA INTSONY no ILAINA . Fa fisaorana koa ho an`ireo nitolona teo amin`ny Magro izay inoako fa tokony hajanona aloha raha tsy hoe angaha misy tsy fanajan`ny ankilany ny Charte voasonia .
11. ouiandry ( 10/08/2009 08:15)
ravatorano:

tena marina ve fa i andry rajoelina no nampanaiky an i ravalomanana tsy hiverina eo amin'ny fitondrana intsony sa mba hevitrao samirery io ry ouiandry
za mantsy tsy mino an'izany mihitsy!ny mifanohitra amin'izany aza no neritreretiko ary mety izy roalahy zafy sy ratsiraka aza no neveriko ho nanolotra hevitra tamin' i ravalomanan mba hijanonany ka nilazany fa " avelany eo ny hampobo mba ho fikatsahana ny tombotsoam-pirenena"



Zokibe ravatorano zany an! io ry zoki tsy afaka miteny aminao aho fa i Andry irery no nahatonga an'iny tsy fahafahan'ny Ravalomanana miverina dans l'immédiat iny, fa azo lazaina fa compromis teo @ ireo mouvances efatra io, néantmoins Andry Rajoelin hatramin'ny voalohany no nilaza fa tsy miverina i Ravalomanana satria hanankorontana ny fiverenenany fa tsy handamina noho izany hatreto aloha d azo lazaina fa tompokevitra i Andry Rajoelina, manaraka izany d mbola tsindriko foana ilay tenin'i Joaquim Chissano nanao hoe"Tsy ny fiverenan'i Ravalomanana eo @ fitondrana no mahamaika fa ny filaminan'i Madagasikara! d jereo fa tsy niverina anie i Ravalomanana fa ny Charte vita sonia é, ny bandykelin'i Ravalomanana koa faly satria excusés ry zalahy @ izao raha hiditra hitondra miaraka @ HAT an'ilay tetezamita:-$

Mahakasika ity resaka hoe miverina izy rehefa azo antoka ny fiarovana ny ainy, io dia mbola manamafy ny volontén'ny GIC hi-dénouer an'ilay situation d tadidio fa manomboka izao d efa inclusive et consensuelle ny admnistration an'ilay tetezamita, ahazo toerana amizany i Pr Zafy sy ny mouvance Ratsiraka ka rahampitso na hiala aza ny mouvance Ravalomanana satria hilaza ny tetezamita fa tsy mbola afaka miditra i Ravalomanana satria hitondra korontana izany d tadidio fa efa vitamatavy i Ravalomanana satria iretsy mouvance anakitelo iretsy d efa ampy haneken'ny CI ny fitondrana tetezamita, gaigy ilay politika an! :roll: :roll: :roll:



12. xxx ( 10/08/2009 08:22)

Ny olona very tombon-tsoa no mankahala an-dRavalomanana ka raha feno fankahalàna azy izay tsy tia azy de nanao zava-maizina ka tsy tia ny fitondràny.
Na izany na tsy izany, i ANDRY no NILEFITRA satria fantany fa tsy ho lasa lavitra intsony ny didohany. Akoholahy maneno ampisoko fotsiny ireny fa rehefa avoaka tena hiady mitari-dositra . Tsy aleo ve ny fisaorana sy ny voninahitra atolotra manontolo any Filoha isany ZAFY ALBERT sy RATSIRAKA toy izay ho an'io mialasakana mandava-taona io.
Azafady amin'ny fitenenana é . Aza misy tezitra fa izao no demokrasia aminy.
13. ouiandry ( 10/08/2009 09:08)
xxx:


Ny olona very tombon-tsoa no mankahala an-dRavalomanana ka raha feno fankahalàna azy izay tsy tia azy de nanao zava-maizina ka tsy tia ny fitondràny.

Ny olona very fihinana no mitaky ny famerenana aingana d aingana an'i Ravalomanana satria olona tsy mba manana ambition fa mi se suffire @ miettes milatsaka avy eny ambony latabatra fa ny olona afaka manao zavatra d tsy nanaiky ny nataon'i Ravalomanana satria tsy afaka niasa ara-dalana noho ny fanararaotampahefana nataon'i Ravalomanana!

xxx:

Na izany na tsy izany, i ANDRY no NILEFITRA satria fantany fa tsy ho lasa lavitra intsony ny didohany. Akoholahy maneno ampisoko fotsiny ireny fa rehefa avoaka tena hiady mitari-dositra . Tsy aleo ve ny fisaorana sy ny voninahitra atolotra manontolo any Filoha isany ZAFY ALBERT sy RATSIRAKA toy izay ho an'io mialasakana mandava-taona io.
Azafady amin'ny fitenenana é . Aza misy tezitra fa izao no demokrasia aminy.

marina fa nandefitra i Andry nanaiky ny hizarana ny fanjakana @ mpiray tanindrazana aminy satria TIANY NY TANINDRAZANY ka d nampandefereiny ny ambo-po fa kosa tsy navotsony ny heviny dia ny tsy fiverenan'i Ravalomanana dans l'immédiat eto an-tanindrazana izay aloha d efa zava-dehibe satria gaigy be raha toa ka tonga d niverina teo i Ravalomanana!

Tsy misy tsiny @ ilay fitenenana satria hita fa léger otran'ilay heviny ihany ilay mpandefa :-D :-D :-D :-D


14. Noue ( 10/08/2009 09:27)
xxx:
Ny olona very tombon-tsoa no mankahala an-dRavalomanana ka raha feno fankahalàna azy izay tsy tia azy de nanao zava-maizina ka tsy tia ny fitondràny.
Na izany na tsy izany, i ANDRY no NILEFITRA satria fantany fa tsy ho lasa lavitra intsony ny didohany.
tena marina io


15. essera ( 10/08/2009 09:45)
Ny olona very tombon-tsoa tam dada no mankahala an'Andry ka raha feno fankahalàna azy izay tsy tia azy de nanao zava-maizina ka tsy tia ny fitondràny.
Na izany na tsy izany, i Ravalomanana no NILEFITRA satria fantany fa tsy ho lasa lavitra intsony ny didohany.

Azo atao an'izao ange io e, qlq modifications suffisent.
16. bozyboleta ( 10/08/2009 09:51)
marina fa nandefitra i Andry nanaiky ny hizarana ny fanjakana @ mpiray tanindrazana aminy satria TIANY NY TANINDRAZANY ka d nampandefereiny ny ambo-po fa kosa tsy navotsony ny heviny dia ny tsy fiverenan'i Ravalomanana dans l'immédiat eto an-tanindrazana izay aloha d efa zava-dehibe satria gaigy be raha toa ka tonga d niverina teo i Ravalomanana!

Mapme be. :-D :-D :-D :-D
17. xxx ( 10/08/2009 11:01)
:-D :-D :-D :-D :-D mapmé i androui :-D :-D :-D :-D mampiteniteny foana marina rehefa tena mankahala loatra ka :-D :-D :-D :-D de na A aza de lazaina fa B rehefa izay no mampafalifaly ny sainy :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0406