FELICITATIONS RAVALOMANANA ET A TOUT LES LEGALISTES

1. pimaso ( 10/08/2009 05:44)
Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Ny voalohan-teny dia fisaorana an’Andriamanitra noho ny fitahiany, ka nahatongavantsika amin’izao tanjona fampihavanam-pirenena izao.

Nandalo fotoan-tsarotra tokoa mantsy ny Tanindrazantsika hatramin’ny voalohan’ny taona nankaty nohon’ny fandrombaham- pahefana.

Voatohina mafy ny andrim-panjakana sy ny firaisam-pirenena.
Nitsitongana ny fiarian-karena sy ny fiaraha-monina, ary niharatsy ny farim-piainan’ny Vahoaka Malagasy.

Zava-dehibe loatra ny fitandrovana ny firaisam-pirenenana sy ny soatoavina malagasy. Koa hamerenana haingana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana, ary hanarenana ny toekarena , dia heveriko fa tonga ny fotoana handraisan’ny mpitarika politika rehetra andraikitra eo anatrehan’ny tantara, ary hametrahana ny tombotsoan’ny Firenena ambonin’ny zava-drehetra, hampitsaharana ny fanaovana takalonaina ny Vahoaka Malagasy.

Ho ahy manokana, dia ambarako amin’ny Vahoaka Malagasy, fa tsy izaho velively no ho sakana amin’ny hahitantsika lalan-kivoahana amin’izao krizy izao.

Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ny tenako, antoky ny firaisan-kinam-pirenena, dia manambara ankitsi-po aho, fa vonona hampangina ny hambompo maha olombelona, hikatsahana ny vahaolana iraisana amin’izao krizy politika mampijaly ny Vahoaka Malagasy izao.

Mba ho fitandrovana ny tombotsoa ambony ny Firenena, dia heveriko fa fahendrena ny tsy handraisako anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita iarahana. Nefa kosa ny «Mouvance Marc RAVALOMANANA», mandala ny ara-dalàna dia handray anjara mavitrika amin’izany.

Hiverina an-tanindrazana tokoa aho, araky ny efa nambarako hatramin’izay, ka matokia ahy ianareo. Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.

Manao antso avo hoan’ny mpitondra politika rehetra aho, hametraka ny tombontsoam-pirenena ambonin’ny zavatra rehetra.

Mangataka amintsika rehetra aho hitandro hatrany ny Fihavanana sy ny firaisan-kina. Andeha isika hanokatra pejy vaovao, ary hifantoka amin’ny hoavy.

Midera tanteraka ny herimpo sy ny fitiavan-Tanindrazana nasehontsika rehetra aho, tamin’ny fiarovana ny Lalampanorenana sy ny ara-dalana.

Misaotra ny Vahoaka Malagasy aho, indrindra ireo mpanohana ahy sy ireo rehetra nametraka tamiko ny fitokisany, ary nitondra ihany koa ny anjara birikiny amin’ny fitadiavana vahaolana iraisana sy milamina amin’izao krizy izao.

Miantso ny tsirairay aho hanao izay tandrifiny azy mba hahatafita ny tetezamita iraisana ho an’i Madagasikara vaovao ;

Mahatoky isika rehetra fa ho raiketin’ny Tantara izao finiavana sy fitiavan-tanindrazana asehontsika izao.

Isaorako ny Vahoaka Malagasy tamin’ny ezaka rehetra izay vitantsika, niasa niaraka tamin’ny fampandrosoana ny Firenena.

Misaotra ny Fianakaviambe iraisam-pirenena, Ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, indrindra ny SADC, ny Vondrona Afrikana, ny OIF, ny Firenena Mikambana ary ireo iraka manokana tamin’ny fandraisana anjara mavitrika, hitadiavana vahaolana amin’izao krizy politika izao.

Manolotra fisaorana manokana hoan’ny Filoha Joaquim Chissano sy ireo mpiara-miasa aminy, tamin’ny ezaka rehetra nataony ny tenako.

Mankasitraka manokana ny Filoha Gebuza sy ny Governementa ary ny Vahoaka Mozambikana aho, izay nanaiky nampiantrano ity fivorianan’ny mpitarika politika efa-tonta ity, ary nahitam-bokatra.

Misaotra ihany koa ireo mpitarika politika telo mirahalahy, miaraka amin’ny delegasiona avy, tonga taty Maputo, Mozambique.

Ho raiketin’ny Tantara ny ezaka sy ny finiavana ary ny fanehoana fitiavan-tanindrazana nitadiavana vahaolana maharitra amin’izao fahasahiranana politika andalovan’ny Firenena izao, hampajakana ny fihavanam-pirenena, sy hananganatsika firenena vanona, Madagasikara vaovao.

Eto am-pamaranana, dia mirary soa ho anareo mpitondra ny tetezamita iraisana ny tenako.

Homba antsika mandrakariva Andriamanitra !
PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE MALGACHE
RAVALOMANANA MARC
Maputo, faha-08 Aogositra 2009
répondu par pimaso le 13/08/2009 05:20
2. vitamatavy ( 10/08/2009 06:45)
3. Noue ( 10/08/2009 07:06)
4. Noue ( 10/08/2009 07:09)
félicitation indrindra ireo LEGALISTES !!! sy ny sagesse Ravalomanana
5. xxx ( 10/08/2009 08:23)
OK é
Ho ela velona ny gasy rehetra fa mahay mitandro fihavanana .
6. kidoropamba ( 10/08/2009 12:14)
Félicitation @ ahoana? F'angaha tsy ilay retour à l'ordre constitutionnel (izany hoe Dada miverina filohampirenena) no nitolomana ary nahatonga ny teny "légaliste"? Ka dia hanaiky ho entin'ity nanao coup d'Etat ity izay lasa filohan'ny Transition?

Dray dray dray! Io ary fa samy famahana lalitra ao ireto GTT ireto. hi hi hi hi hih hi :-D :-D :-D :-D :-D :-D
7. vitamatavy ( 10/08/2009 13:04)
fandeferana lesy no zava dehibe an ,transition anie io e ,hita eo ireo tendakanina be ireo ho tsarain'ny tantara dans 15mois ,miara mijery isika eto ,izahay aloha dia mi souhaiter bonne chance raha tena hampandroso an'i madagasikara e
8. pimaso ( 13/08/2009 05:20)
kidoropamba : ajanony @ izay ny ''pensée de la caverne''
tsy any ny angle : i MADAGASIKARA no hampandrosoana ara toekarena
fa tsy izay karazambadin'ny maman la any no ho tantaraina eto
VITA KABARY
ACTIONS
;-)
;-)
;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0511