raha toa ka hiala tanteraka amin'ny dinika ny HAT

1. ravatorano ( 08/08/2009 07:42)
Malaza zany zao fa hiala amin'ny dinika ny HAT raha toa ka mbola miziriziry ihany ny rehetra momba ny fiverenan'i Ravalomanana ty MLadagasikara na dia "tsy ho filoha intsony aza izy".
Raha miala amin'izany dinika izany tokoa ry zareo satria izany no "ligne politique" efa nentiny tany ary iarahan'izy ireo manaiky sy tohanany dia inona no mety hiseho eto amin'ny firenena.
Tsy hisy fifanarahana ho voasonia tokoa ve any raha tsy tafiditra ao ny momba an'i Ravalomanana io !
Raha izany no ho izy dia ho avy tokoa ve ny "famaizana" avy amin'ireo firenena miara-dalana amin'i Madagasikara hatramin'izay sa mba hisy fileferana ihany !
Raha tena hisy marina izany famaizana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izany dia inona no ho vokatr'izany ? Ny vahoaka no hijaly fa ny manana mety hanana ihany sa tsy hisy mpanana intsony efa fa ho lasa mahantra avokoa ?
Raha tsisy izany ny fanaovan-tsonia izany dia inona no antony nandehanana tany ary iza no tena miziriziry satria tsy hitako izay atahorana amin'ny fiverenan'i Ravalomanan eto gasikara rehefa voafehin'ny mpitondra ao amin'ny HAT ny fanjakana izay entiny !
Ka reefa izany tokoa moa dia aleo amin'izao e dia hiaraha mahita eo tokoa hoe afaka misedra izay vokatra azo avy amin'ny tsy fahavitan'ny fanaovana sonia any Maputo ve ny malagasy rehetra manontolo manontolo !
Tsy olona iray mantsy no hibaby izay vokany eo na ratsy io na tsara fa ny rehetra mihitsy ka dia samy ho hitan'ny havany eto avokoa isika !
novalian'i xxx ny 08/08/2009 20:39
2. Noue ( 08/08/2009 07:57)
tsy hay zay tena marina oe niala sa tsy niala t@ dinika ny FAT(Y) ee ! toa samy milaza zay tiany daholo ny etsy sy eroa koo
3. Mirananirina ( 08/08/2009 08:22)
Be mokondoha ireo ve hiala raha tsy hoe voatery angaha.Tsara tokoa ireo fanontaniana ireo ravatorano,nefa iza moa no afaka hamaly atsika izany.Miandry dia miandry,izay angamba sisa .
4. xxx ( 08/08/2009 08:47)
raha miziriziry i HAT ny aminy tsy hiverenandravalo dia zavapoana ny nandehanana tany, satria tsy ho aradalana mihitsy eo anivony vondrona iraisampirenena, tsy hisy ny fanampiana, hiady antrano ny HAT, hihamafy ny grevy satria betsaka ny tsy handray vola ny mpiasa, dia hitsoaka i andry satria matahotra ny fitsarambahoaka
5. ndotofetsy ( 08/08/2009 10:12)
rehefa te hiala izy ravato dia miala fa angaha misy hifampiterena izy io aaaa oadray samy mitady izay mahasoasoa azy ihany io
6. xxx ( 08/08/2009 14:03)
ôtr'izao ny sationany sanction hahazo an'i Mcar rehefa tsisy vokany maputo:
Si cet accord est bloqué par une mouvance en particulier, elle portera les responsabilités des sanctions prévues par la communauté internationale : fin des visas, blocages des avoirs extérieurs, fin de l'Agoa, blocage des fonds européens de developpement ect...
7. bazylou ( 08/08/2009 16:36)
maputo midona poto, vive tgv :-D :-D
8. xxx ( 08/08/2009 20:39)
miditra indray ry tsisy loha fa lo ny lohany voan'ny poto,ah ah!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2575