Ny VINTANA ( Finoana Malagasy- Soanja)

21. soanja ( 11/08/2009 14:00)
andry44:

Amiko, ny zavatra toy itony de tsara ho fantatra fa raha io no harahianao isan'andro² de lasa sakana indray izy.



Voalazanao ilay izy. Tsara amin'ny Malagasy ny mahafantatra ny momban'i Malagasy saingy tsy voatery hinoana akory izay nisy tamin'izy ireo satria tontolo iainana samihafa no iainantsika rehetra nifandimby teto an-tany sy izay mbola miaina aza. Ny zavatra hitako. tsapako, iainako aty anaty alan' i Amerika aty izao dia tsy hitovy velively amin'ny zavatra iainan'i Rakoto ao ambanivohitr'i Japon ary i Bozy ao Ambalakindresy.

Mazotoa lalandava anefa mikatsaka ny momba anao satria ny an'ny hafa asesiny eo anoloanao isanandro vaky ka na tsy vonona handray aza ny sainao dia efa anjakany ny momba anao.


22. rzakarivola ( 12/08/2009 08:41)
soanja:

Namaky ilay lohahevitra napetrako Ny Zanahary ve i rzakarivola? Hotohizako tokoa iny rehefa malalaka aho manazava akaiky hoe nahoana no nantsoina hoe Andriamanitra Ny Zanahary taty aoriana ary inona ny fifandraisan'izany tamin'ny fiarahamonina. Rehefa avy miresaka ny Fady aho dia hanazava misimisy izany fifandraisana Fady, Tsiny, Tody sns... Misaotra nanome hevitra.

==> Mety resaka sy lohahevitra mahaliana tokoa izany aloha e.
Nahita ity vintana noresahinao ity aho dia izao no tena fanontaniana tonga tao an-tsaiko hoe : raha tsara vintana ny olona iray (na tsara voa-janahary io na tsara ilay atao hoe namboarina), mahafa-tsiny azy eo anatrehan' Andriamanitra noho ny fahotany rehetra ve izany ?
23. rzakarivola ( 12/08/2009 09:15)
soanja:

Tantaraiko zavatra i Tsikikely. Indray andro izay raha nitsidika doany iray ... Nony lasa ireo mpitondra ilay vazaha dia niteny tamiko ilay olona teo fa FADY MERINA ilay doany.

==> Zafady fa nisy zavatra tsy aritro. Misy tonton -nay anakiray izay nilaza hoe niara-niaina betsaka t@ dadabeny, izay nitantara taminy ny zava-nitranga teto Madagasikara niampy ny fizaran-tany, dia izao hono no nambaran'ilay dadabeny : "hatrizay leiroa tsy niady izany ny Malagasy, iny faritra ... iny antsika daholo, nifanila t@ tany Andrefana. Fa rehefa tonga ny vazaha dia nampiadiany ny Malagasy". Tsy nino aho t@ voalohany hoy ilay dadatoanay, fa rehefa nahita tao @ archives ny kadasitry ny tany teto Mada aho dia nino hoe marina kay le tenin'i dadabe.
Nianaranay t@ tantara koa fa rehefa nahita ny vazaha fa sarotra ny handresena ny Malagasy noho ny rafi-piarahamonina nanahirana be (ho azy ireo), dia nampidiriny teto amin'izay ny resaka firazanana (merina, côtier) ... dia nino ny gasy ka mora ho azy ireo no nandrava.

Izaho tsy niaina tany aloha mba hahafantarako na marina na tsy marina fa ny vazaha no nampiditra ny fifankahalan'ny samy Malagasy teto, na ny samy Malagasy no nifankahala na dia nanana karazam-pahendrena toy ny "fihavanana" aza.

Iray no zavatra inoako, dia Jesoa Kristy tonga hampihavana. Ary ny mpianatr'i Kristy dia mifankatia, koa raha @ samy kristiana no misy tsififankahazoana toy izany satria ny sasany protestant, ny sasany katolika, ny sasany sekta ... dia aoka hanontany tena izy hoe "mpianatr'i Kristy marina ve?".


soanja:

Amiko anefa dia nahalala an'i Jesoa aho ... Raha nisy tahotra teo aminy dia niserana satria nofo aman-dra koa izy.

==> Manahirana be ahy ny hitelina ity fanambaranao iray ity. I Jesoa mantsy niteny tamin'ireo mpianany foana hoe "aza matahotra, minoa". Ary Izy na dia olombelona aza dia tsy mpanota ka milaza zavatra tsy tanterahiny, fa Izy no YAVEH Mpamonjy.


soanja:
Ny tahotra no nanenika ahy ... Ny fahalalana ihany anefa no hanome fahazavana.

==> Hoy izy hoe "Ny fatahorana an'i JEHOVAH no fiandoham-pahalalana", tsy hazava mihitsy izany ianao raha tsy manomboka @ tahotra an'i YAHVEH. I Jesoa koa niteny ireo mpianany mba hatahotra an' Andriamanitra (izay manana fahefana hanary any @ farihy mirehitra afo), ary tsy hatahotra afa-tsy Izy irery ihany.

soanja:

Toy izay koa ... mba ho mora kokoa amiko ny HITIA sy HANDROBONA IZANY FITIAVANA IZANY HO AN'NY HAFA ...

==> Hoy i Jesoa hoe "Ny hazo ratsy tsy mamoa voa tsara, ary ny hazo tsara tsy mamoa voa ratsy".
Indray mandeha Jesoa nandalo teo @ aviavy anakiray izay nandrobona dia nandrobona tokoa, nefa tsy nahitany voa na iray aza, ka nozoniNy io hazo io mba tsy hamoa intsony.

soanja:

Tsy nataoko hakana vola na harena ny fahaizako eto fa hozaraiko fotsiny ka raha mangidy dia aloavy fa raha mamy kosa dia atelemo satria mandalo fotsiny aho eto fa I JESOA kosa dia mitoetra lalandava mandrakizay ary ho modely hatrany amin'ny Fahamarinana.

==> Mahatsiaro tenin'i Jesoa tamin'i Jodasy aho "Ny mahantra dia ho eo aminareo mandrakariva, fa izaho kosa tsy ho eo aminareo mandrakariva"

24. rzakarivola ( 12/08/2009 11:22)
andry44:

Amiko, ny zavatra toy itony de tsara ho fantatra fa raha io no harahianao isan'andro² de lasa sakana indray izy.

==> Mangataka fanazavana amin'i andry44 aho @ilay hoe "tsara ho fantatra". Ny tenin' Andriamanitra voarakitra ao @ Baiboly mantsy dia tena mandrara mihitsy mba tsy hamantarana an'ireny.
25. rzakarivola ( 12/08/2009 11:41)
rijadolly:
Iza marina moa no tena nahay nanompo an'Andriamanitra,ny Malagasy taloha ve sa isika ankehitriny izay efa nomena,nampafantarina sy nitorina an'Jesoa Kristy?

==> Izao ngamba no hevitr'ity fanontaniana ity hoe : "Iza no nahatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra, ny Malagasy taloha sa ny ankehitriny" ? Izao no ambaran'ny Baiboly : "Tsy misy marina na iray aza, fa samy efa nivily daholo". Fa hoe koa : "tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy" ... ka raha miteny ianao hoe Malagasy ... Malagasy ve ilay iray ao @ Kristy Jesosy io?

rijadolly:

Noho izay fahatsapako ny fahendren'Malagasy na dia mbola tsy nanana, tsy nahafantatra an'Jesoa izay no maha liana ahy sy hitiavko ny fandinihana ny fomba sy ny Finoana malagasy tena marina.

==> Tena ilaina tokoa ny fahafantarana ny finoan-drazana, indrindra fa raha ho vavolombelon'i Kristy eto Madagasikara ianao. Raha ampy nahavonjy ny fahendrena Malagasy dia tsy ho nila nandefa momba an'i Jesoa taty Madagasikara Izy.


rijadolly:

Tena nopotehin'vahiny marina v ny Finoan'Malagasy mba ahazoany toerana teto mba hampadohalika azy araka ny teninao sa tsy Andriamanitra ilay Nahary izao rehetra izao ny tompohin' Malagasy taloha?

==> Mety ho marina izay, mety ho marina koa fa ny fahatongavan'ny vahiny teto dia fitaovan' Andriamanitra nampisehoana mibaribary izay toetra miafintsika Malagasy. Tena tsara ary ambaran'ny Baiboly fa ny fahendrena Malagasy dia avy amin' Andriamanitra. Rehefa tonga kosa ny vazaha dia niseho miariary fa tsy nahay nanatanteraka ilay fahendrena tsara ny Malagasy, raha nahay mantsy izy dia tsy ho nisaraka mihitsy ary tsy ho niady sy nifankahala toy izay hitantsika @ resaka fifankahalana @ resaka firazanana toy izao.
26. soanja ( 13/08/2009 02:40)
rzakarivola:

soanja:

Tantaraiko zavatra i Tsikikely. Indray andro izay raha nitsidika doany iray ... Nony lasa ireo mpitondra ilay vazaha dia niteny tamiko ilay olona teo fa FADY MERINA ilay doany.


==> Zafady fa nisy zavatra tsy aritro. Misy tonton -nay anakiray izay nilaza hoe niara-niaina betsaka t@ dadabeny, izay nitantara taminy ny zava-nitranga teto Madagasikara niampy ny fizaran-tany, dia izao hono no nambaran'ilay dadabeny : "hatrizay leiroa tsy niady izany ny Malagasy, iny faritra ... iny antsika daholo, nifanila t@ tany Andrefana. Fa rehefa tonga ny vazaha dia nampiadiany ny Malagasy". Tsy nino aho t@ voalohany hoy ilay dadatoanay, fa rehefa nahita tao @ archives ny kadasitry ny tany teto Mada aho dia nino hoe marina kay le tenin'i dadabe.
Nianaranay t@ tantara koa fa rehefa nahita ny vazaha fa sarotra ny handresena ny Malagasy noho ny rafi-piarahamonina nanahirana be (ho azy ireo), dia nampidiriny teto amin'izay ny resaka firazanana (merina, côtier) ... dia nino ny gasy ka mora ho azy ireo no nandrava.

Izaho tsy niaina tany aloha mba hahafantarako na marina na tsy marina fa ny vazaha no nampiditra ny fifankahalan'ny samy Malagasy teto, na ny samy Malagasy no nifankahala na dia nanana karazam-pahendrena toy ny "fihavanana" aza.




Miala tsiny fa tena tsy naharaka loatra ny tantaran'i Madagasikara ilay dadabean'ny dadatoanao satria I RADAMA I dia nandeha nanafika tany Avaratra mba hanantanteraka ny fikasan-drainy dia ny hampitombo ny fanjakan'Andrianampoinimerina dia ny hoe " Ny ranomasina no valaparihiko" . Koa tsy voatery izay vaolazan'ny antitra akory na izao te ho be resaka rehetra izao dia marina avokoa fa izay no handraisana kilasy sy hamakiana boky ary hivelaran'ny saina hijery sy hamantatra ny tantara MARINA efa lasa fa tsy hoe hono hono araky dadabe sy bebe sns akory velively....

Ny tsy fahafantarana indrindra no isian'izao hevitra omeko izao mba hanitaranao raha ilainao ny fahalalana any aminao. Raha tsy mety moa izany dia tsy manahy koa. Raha mizara aho dia ho adidiko amin'ny taranaka Malagasy ka asakasak'izay hahalala azy na tsia.

Tadidio lalandava anefa fa raha manazava an'ireo aho dia tsy natao hahatonga anao ho hino na hi-preach anao hino ny finoana Malagasy fa natao ahitanao mahiratra hoe nahoana ny Malagasy no manana foto-pisainana isan-karazany mampiavaka azy amin'ny maro hafa.

Ny tantaran'i Gasikara tamin'ny fahaMpanjaka dia niompana be dia be tokoa tamin'ny ady sy fakana fanjakana teo amin'ny faritra sy foko sns... , Ianaro ny tantaran'ny firenenao.
27. rzakarivola ( 13/08/2009 07:19)
Soanja:
Miala tsiny fa tena tsy naharaka loatra ny tantaran'i Madagasikara ilay dadabean'ny dadatoanao satria I RADAMA I dia nandeha nanafika tany Avaratra mba hanantanteraka ny fikasan-drainy dia ny hampitombo ny fanjakan'Andrianampoinimerina

==> Nianaranay tao @ le tantara hoe "fahiny ny rafitra teto MAdagasikara dia ny Andriana sy hova ary andevo, izay resy no lasa andevo ary izay naharesy dia nanao ny tenany ho andriana". Efa nisy ny fifanafihana hoy ilay mpampianatra tantara fa ny resaka hoe "merina, ..." ho nahatonga ady sy fisarahana teo @ Malagasy dia zavatra vao nentin'ny vazaha.
Izaho aloha ry Soanja tsy niaina t@ andron'ireo fa tantara no henoko ka tsy haiko na marina na tsia. Na dia ny tantaranao hoe nitondra vazaha tany Diego ... sns aza dia tantara no henoko, ny finoako anao kosa no hahafahako hino ny tantaranao! Satria ianao mijoro vavolombelona fa tena niaina ilay zavatra, inoako kokoa ianao mijoro vavolombelona noho ny archives izay fikarohana tsy hay tsy hay hoe avy aiza.
Tahaka izany no inoako ny ambaran'ny Baiboly momba an'i Jesoa, satria Izy no reko ary inoako.
28. rakapy ( 13/08/2009 07:49)
Hoy Rzakarivola
ny finoako anao kosa no hahafahako hino ny tantaranao! Satria ianao mijoro vavolombelona fa tena niaina ilay zavatra, inoako kokoa ianao mijoro vavolombelona noho ny archives izay fikarohana tsy hay tsy hay hoe avy aiza.
Tahaka izany no inoako ny ambaran'ny Baiboly momba an'i Jesoa, satria Izy no reko ary inoako

Mbo mahagaga koa ny fomba fi-raison -nevanao izany marina. Archives tsy hinonao ny fahamariny fa izay mijoro ho vavolombelona no inoanao?
Ny baiboly dia an'isan'ny archives nefa dia mino ianao. Ilay hoe niteny taminao i jesosy dia mety hiisy fahamarinany ihany nefa tsarovy fa afaka ny hiteny sy hilaza toa anao avikoa ny olona rehetra fa niteny taminy i jesosy na A/tra na dia tsy marina aza izany.
29. soanja ( 13/08/2009 14:36)
rzakarivola:

Soanja:
Miala tsiny fa tena tsy naharaka loatra ny tantaran'i Madagasikara ilay dadabean'ny dadatoanao satria I RADAMA I dia nandeha nanafika tany Avaratra mba hanantanteraka ny fikasan-drainy dia ny hampitombo ny fanjakan'Andrianampoinimerina

==> Nianaranay tao @ le tantara hoe "fahiny ny rafitra teto MAdagasikara dia ny Andriana sy hova ary andevo, izay resy no lasa andevo ary izay naharesy dia nanao ny tenany ho andriana". Efa nisy ny fifanafihana hoy ilay mpampianatra tantara fa ny resaka hoe "merina, ..." ho nahatonga ady sy fisarahana teo @ Malagasy dia zavatra vao nentin'ny vazaha.
Izaho aloha ry Soanja tsy niaina t@ andron'ireo fa tantara no henoko ka tsy haiko na marina na tsia. Na dia ny tantaranao hoe nitondra vazaha tany Diego ... sns aza dia tantara no henoko, ny finoako anao kosa no hahafahako hino ny tantaranao! Satria ianao mijoro vavolombelona fa tena niaina ilay zavatra, inoako kokoa ianao mijoro vavolombelona noho ny archives izay fikarohana tsy hay tsy hay hoe avy aiza.
Tahaka izany no inoako ny ambaran'ny Baiboly momba an'i Jesoa, satria Izy no reko ary inoako.


Mampihomehy ahy ianao ka! "Tsaratsara amintsika misaraka eto ooooo!!!!" Hoy ny hiran'i Feonala.

Raiso mora Letsy io baiboly io a.


:-* :-* :-* :-*
30. famoho17az ( 20/01/2020 14:06)
Miarahaba tompoko,zao aho vao mahita ity forum ato ity ary tena mahaliana ahy tanteraka satria toa tsapako misy idirako .
Famoho no anarako ;17 Novembre aho no teraka andro talata fa tsy haiko ny ora fa toa efa niteny ihany ireo ray amandreniko hoe atoandro aho no teraka .Notezaina tamin'ny fomba malagasy aho fony fahakely saingy nialana izany taty aoriana ka tsy dia nisy niresaka na niaina tamzany intsony .Toa misy manahirana ahy anefa ankehitriny rehefa tonga saina aho toa te hamantatra ny tenako zany aho ,nopetahana hoe "Zoro "ny anarana niantsona ahy t@zany ary mbola anarna entiko hatramin'izao izany fa vitsy ireo tena manonona ny tena anarako hoe Famoho .Te hafantatra aho ary miangavy hoan'izay mahalala na afaka mamaly ahy hoe inona zany no dikan'io Zoro anarana hiantsoana ahy io?Dia tokony hitondra inona eo @ fiainako?Misy zavatra tian'ilay mpitaiza ve na tanjona na faminaniana ho ahy no nametahany anzany ,ohatra hoe tsinjony ho ataoko rehefa lehibe aho?Tena liana aho fa tsy mahita hoe aiza no alehako mba hitadiavako ny momba an'izany sy hamantarako hoe iza marina aho .
Misaotra ho anareo mamaky
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0521