raha Ravalo moa no ......any Maputo

1. ravatorano ( 06/08/2009 06:59)
Vao nanomboka ny dinika tany Maputo dia efa niakatra Ravalomanana fa izy ihany aloha izao no filohan'i repoblikan'i madagasikara hatramin'izao ary namaly i Andry rajoelina hoe efa tsisy an izany intsony any fa efa ny filohan'ny HAT izao no tompon'ny fahefana mahefa any !
Io HAT io nefa dia tsy eken'ny firaisambe afrikanina ary hatrany amin'ny vondrona eropeanina sy ny zamerikanina ihany koa .

Raha sanatria moa ka izao no ho tapaka any Maputo :
- i Ravalomanana dia mijanona ho filoham-pirenena mandrapahatongavan'ny fifidianana manaraka izay atao atsy ho atsy ary ny fahefanana omena azy dia tahaka ny tamin'ny taona 1991 teny amin'ny panorama ireny ihany
- i andry Rajoelina dia mijanona ho filohan'ny HAT
- iarahana mitondra ny governemanta ary hanana solotena ao avy ny firehana efatra ka ry zareo no hifidy ny praiminisitra na koa hoe ajanona ho praiministra ihany i Monja roindefo
-atsangana ny CRES ka i Zafy albert sy Ratsiraka no atao filohany ary mbola zaraina koa ny seza rehetra amin 'io !
Mahazo famotsoran keloka avokoa izay tratry ny raharaha politika rehetra nanomboka tamin'ny 1990 no makaty !

dia ho asa angamba
fa aoka fotsiny

za aloha dia manaiky ilay fiverenana amin'ny ara dalana na ilay ordre constitutionnel fa tsy hoe i Ravalomanana no avy dia atao filoha fa endrasana hisy fifidianana
za koa dia manaiky raha avela milatsaka daholo izay te hilatsaka na iza izy na iza hatramin 'i ratsiraka,pierrot rajaonarivelo sns ka hatreny amin 'i Ravalomanana dia ho hita eo izay tena manan-danja ka tian'ny vahoaka
ny faniriako dia mba ho vita haingana izany fifidianana izany mba hilaminan'ny tanana fa tena henja kle tena henjana ilay fiainana e !
2. rakapy ( 06/08/2009 07:19)
Tsara ilay hevitra hoe avela hilatska izay te hilatsaka sy ilay famelan-keloka fa ny zavatra mety hitranga dia ny tension entre ny mpifanandrina sy ny mpomba azy ireo. Sami mbola mambo ra daholo mantsy ny mpanara-dia azy ireo @ izao fotoana izao. Ary ireo anarana voalaza( Ratsiraka,Zafy,Ravalomanana,Rajoelina) dia samy manana ny mpomba azy no sady mafana fo ka mety ho ratsy ny fandehan'ny tantara eto @ firenena indrindra eo @ fampielezan-kevitra.
3. kidoropamba ( 06/08/2009 08:51)
Aza manao sary gaigy sy manao hafetsen'ambaniandro eo enao ravatorano a. Tsory raha Ravalo no tianao hiverina eo fa aza miafinafina aorian'ny "légalité" sy ny forogony izany.

Aza manonofy e! Hiverina haninona eo @ fitondrana ravalo? Mbola tsy ampy anareo foana ve iny lesona t@ coup d'Etat iny? Tsy mba mandinika na dia kely bolitika ve nareo fa matoa nandositra Ravalo dia satria nisy loza nataony tao? Mbola tsy takatry ny sainareo ihany ve fa matoa ny CI no hianteheran-dra8 fa TSY NY VAHOAKA dia satria misy antony ao? Matoa ny miaramila tsy mila azy dia noho ny antony maro? Matoa tsy nihenjana ny CI hanarahana ny adal'ny SADC fa ity SADC ity no nilefitra ary nanaraka an'i CI dia satria tsy mitombina intsony izany fiverenana @ Ravalo eo @ fitondrana irery izany?

Ampiasao kely ny loha azafady fa aza manao hafetsefetsena eto.

Izay tsy faly mibontsina fa ny marina ihany no lazaiko.
4. harybe ( 06/08/2009 09:50)
oh ry ramosé ravatorano an!! dia hanaiky izany vr i nartsimba kely???
5. Noue ( 06/08/2009 16:49)
harybe:

oh ry ramosé ravatorano an!! dia hanaiky izany vr i nartsimba kely???



:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
6. fijo ( 06/08/2009 21:05)
raha ny fahendrena ,dia io hevitra io no shema tsara indrindra sy tokony ho izy,rah amisaina ry zareo.samy mahazo toerana eo.fa saingy "raha"misaina wa
7. ravatorano ( 07/08/2009 09:19)
kidoropamba < tsy azoko ilay hoe miafina sy ilay hoe hafetsen'ambaniandro !
:-D :-D :-D ianao kle ! marina e ! tsy niditra na niserana tao antsaiko akory izany fa io aloha zay no hevitrao d tazony hatramin'ny farany !
Aza hadino wa fa ny vahoaka no hifidy ka na ambaniandro na amboniandro toa anareo dia izay tiany ihany no ho lany sy hitondra ny tany sy ny fanjakana eo fa samia mahay miandry an'izay e !
ireo voalazako teo ambony ange ka ohatran'ny hoe ''saritsariny'' fotsiny ihany fa tsy hoe tsy maintsy e !
noe
8. fijo ( 07/08/2009 22:12)
ka izay fanekena ny hevitry ny maro izay no tsy misy sy mila hianarana ry ravato.
aiza ry naritsimba ko hoe "raha ravalo no miverina eo dia handray basy"???raha lanimbahoaka izy dia mangina aloha no fahendrena fa tsy hanao loana tsy haiko izay hilazana azy ,mba tsy hitenenako foana eto
amiko rah ai andry no lany,dia mangina aloha ny tim rehetra dia mihezaka amin'ny manaraka indray.rah aravalo moa no lany ,dia mangina alohany tgv fa aminn'y manaraka indray,raha i pierrot dia samy milefitra daholo fa avelao aloha ry rossy hitondra indray
9. ravonjison ( 08/08/2009 11:20)
fijo:

ka izay fanekena ny hevitry ny maro izay no tsy misy sy mila hianarana ry ravato.
aiza ry naritsimba ko hoe "raha ravalo no miverina eo dia handray basy"???raha lanimbahoaka izy dia mangina aloha no fahendrena fa tsy hanao loana tsy haiko izay hilazana azy ,mba tsy hitenenako foana eto
amiko rah ai andry no lany,dia mangina aloha ny tim rehetra dia mihezaka amin'ny manaraka indray.rah aravalo moa no lany ,dia mangina alohany tgv fa aminn'y manaraka indray,raha i pierrot dia samy milefitra daholo fa avelao aloha ry rossy hitondra indray




Marina dia marina sy mifono zavatra lalina ny voalazanao. Saingy tsy fantatro raha azon' ny sasany ilay izy. Ny sasany ato mantsy toa foy fisainana sy manao valy boraingina fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1655