Vadin'ny mpirahalahy

21. ni81 ( 07/08/2009 12:29)
raha mbola entre mpnamana na mpi vosine voisin tsy de rarahako fa lay mpihavana mitsy no mampa alerjika ahy
raha namana na mpifanolo-bodiridrina dia azo ialana sy ariana, fa ilay havana tena manahirana be ilay manary azy :?
22. Papoose ( 07/08/2009 15:00)
ari.malala:

Lay zaobavy ndray ny fahitako anazy d saropiaro @ anadahiny, ts haiko alou e! fa zà @ maha vavy tokana anà d efa nteny t@ zandriko lah za hoe raha manambady elà d aza sipa miavonavona alaina fa zay vadinlà za no ho solon drahavaviko, k asa... zà rahateo ts sarotra ihavanana. Fa lay fosafosa mits ko no ts zakako e!

ny fahasarotampiaro misy ary hisy foana!!

dia le resaka fosa io anjarandry no tsy miaroaro be @ zaobavindry,...tsara ny mifandray fa tsy atao matetika na rehefa hanomboka hitarika fosa izy dia tenenina fotsiny hoe za tsy confortable miresaka an'izany na hoe tsy tiko!!
misy mantsy le olona tsy maharitra fa ampiresahina dia miresaka dia raha pasoara ny bavindry dia eo ndry no raisina fa voatatitra daholo ny tt et tt, ny fampitomboana sy fanovana resaka tsy ferana!!

ndry ihany no mahita hoe rehefa karazan'ol ohatr'ity dia hatreto ihany ny hilimiteko ny relationship-ko aminy,(dia atao hoe ol en general, fa tsy hoe satria baviko izy dia tsy manin raha mba mifosafosa kely na milaza info kely mi-insinuer fosa fa dia hidiran'ny rivotra eo a la fin)

hevitro io!

23. niryna ( 08/08/2009 18:12)
ari.malala:

Fa misy @ izy ireny mahay mifankahazo fa ny tena ifankahazoany d ny hifosa ilay havam-badiny ko! misy oul hitako tena ohatr'izany mints! mifankahazo b iz roa d ny rafozany, ny zaobaviny, eny fa na d ny vadiny aza fosain'izy roa! mahagaga! d ts tahotra tsy henatra zareo mifosa eo imason'ny nièce ny eo, (zana-drahalahin'ireo oul fosaina)
aleo aloha aho :lol: kely

misy fahamarinany izany ka na iza na izay dia mahay miaraka rehefa misy itovizany ilay zavatra
matetika ny fialonana no mahatonga ny olona tsy hiaraka na iza io na iza ,eritreritro ny ahy io an

24. niryna ( 08/08/2009 18:14)
fahamarinana:

hoy aho manokana foana an ( he he !..),ilay toetra no mitondra azy angambany satria ny tsirairay samy manana ny toetrany na tsara na ratsy io !
Hevitro monja io an :-P (l)
mitovy izany koa aho ary eritreritro manokana koa io hi,hi

25. niryna ( 08/08/2009 18:25)
tess:

, lay atao hoe vavy matoa tsy laitra fa te ho chef foana de tena mi domine be

ary misy tokoa aza anie mahasahy miteny hoe raha nisakana aho tsy nisy hary hianareo e ? efa naheno olona niteny izany ve nareo?
Isaoraka aloha fa tsy misy olana ny ahy no sady izaho koa moa mahay mifandray amin'ny olona dia toa tsy mahita olana firy no lavitra koa dia tsy nahita firy izany olana izany.
26. nana171 ( 08/08/2009 19:36)
za indray dia isany nijaly teo am vadiny mpirahalahy amiko.
Zay zandry zareo no zoky.
Zareo roa tsy dia taitra am fiainana zany fa dia miankidoha am RAD.
Ny RAD zareo nanana ny maha izy azy nanampiana ny zanany lahy zoky.
Zahay roa indray efa atram vao niaraka dia efa zatra ny miavotra ho an tenanay,
tsy dia tianay loatra ilay miankidoha am RAD.
Nandé ny taona nandé ny volana, invalide tampoka ny Raindrizareo ary ts maintsy niala tam asany ny Renindrizareo.
Izahay roa nahary ho anay, ary niezaka ny nanampy ny RAD zareo, zareo roa lehibé refa nahazo ny haren'izy mivady dia nolanian'izy roa fa tsy mba nanampy ny RAD.
Inona hoy nareo ny nataon'ny vadiny mpirahaly amiko, nakahalany izahay ary zé tous les moyens ka hahafany mi gaffe anay sy zé zvtr retra itany fa handavo ny fiainanay dia nitadiavany hevitra.
Zareo rehefa nivady dia tsy dia nakansitraka ny mariazy zany, zay indray dia anisan'ireny mba naniry ny mba hanao mariazy.
Dia nifofotra tam fiainanay zahay ary taterakay zany dia vaomaika nanampitrotraka ny tsy nitiavy anaha ilay izy fa zahay kou hoy izy tam zany tokony hanaraka ny nataondrizareo tsy manao mariazy.
Ny feeling nay kou tsy mitovy mihintsy é,
zareo parasite be am RAD,zahay indray efa zatra ny miary ho anay.
Zareo refa manana tsy ankizara am RAD na am anabavidrizareo, zahay mivady indray refa misy ny olana dia manavotra ny RAD sy anabavindrizareo.
Dé tsy revé ny mihintsy zahay.
amataonany maro izy nanao zvtr bdb andavoana anaha sy nandrafesana anaha fa ny tena nahasosotra azy za tsy nampaly na tezitra dia vaomaika romotra izy.
Fa naita tena naita mihintsy raha za zay ary ny tena loza dia voatariny tsy hitia an ilay zandriny lahy lé vadiny.

27. Ratoa ( 09/08/2009 23:24)
Izaho dia tena tsy tia fosafosa.
Fony kely aho naheno ireo cousine mifosafosa dia niataka. Dia ny vavan-dry zareo dia hoe: manao azy ho zavatra.
Nony lehibe indray aho dia tsapako fa izay mifosa mahatsiaro tena ho latsaka (complexe d’infériorité no mampivohy azy) ka mody mitady namana. Ny tena zava-kinendriny anefa dia ny amantatra ny kileman’ilay miara mifosafosa mba amelezana azy an-kolaka. Tsy mamely mivantana izy.
Izaho indray tsy manana vadin’ny mpirahalahy fa zaobavy, anabavin’ny vadiko sy vadin’ny anadahiko. Ny anavin-drams nitady handididy tamin’ny voalohany fa notoheriko mafy satria mitady hitsabaka ny tokatranoko. Ny zandriny moa dia nasehoko azy am-pahabehimaso fa ny zandry mihaino, mankato sy mandefitra . Ilay zokin’drams indray entiko amin’ny maha zoky azy raha resaka fianakaviana fa tsy omeko bahana mihitsy raha mikasika ny tokatranoko.

Izaho tsy manavaka fa ny vadin’ny anadahiko indray dia ataoko zandriko daholo, tsy misy avakavaka, satria izay ny fantatro sy nitazaina ahy. Tsy manitsakitsaka aho fa dia tena mibedy sy mitazona ny toerana maha zoky ahy. Izaho koa tsy mitsabaka amin’ny tokatranon-dreo. Malaza ho masiaka hatramin’ny fahazazako aho (fito lahy ny anadahiko sady zandriko). Fantatro anefa fa tsapan’izy ireo, izy fito lahy sy ny vadiny avy, fa manao ny mety amin’izy ireo aho. Tsy fantatro ny vadin’dry zareo na mifampifosa na tsia, na tena mifankatia na tsia fa hatrizao aloha dia miseho ho miray hina ry zareo. Satria izahay valo mianadahy dia solidaires be. Raha vao misy iray sahirana na mila fanampiana dia mirotsaka daholo ny sisa. Efa ohatra izay foana hatramin’ny fahazazanay.
Izahay koa taloha rehefa miady dia tonga dia «boxe». Vita ny «boxe» dia miombona indray . Izaho amin’izany ilay zokiny mampisaraka sy mampiombona. Dia rehefa miombona dia veleziko daholo indray

Araky ny resaka no vakiako etsy ambony sy ny zavatra ihainako dia miankina amin’ny fifampitondran’ny mpianakavy ny fietsiky ny vinanto, na lahy izy na vavy. Izy fito mirahavavy aloha dia miray hina. Izay tena any ambadika no tsy fantatro. Noho ny toerana misy ahy dia misy zavatra na fietsika tsy azoko atao.
28. Ratoa ( 09/08/2009 23:28)

29. ari.malala ( 10/08/2009 06:22)
Izahay koa taloha rehefa miady dia tonga dia «boxe». Vita ny «boxe» dia miombona indray . Izaho amin’izany ilay zokiny mampisaraka sy mampiombona. Dia rehefa miombona dia veleziko daholo indray
:-D :-D :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2567