Réligion=fanatisme, mila mandinika fa tsy manaraka anjambany

1. hanjaris ( 31/07/2009 06:26)
Amiko alou ny réligion reetra d olombelona no namorona azy e! Noho izany tokony tsy ny fombafomba ara-pinoana no ilofosana fa ny ny votoatin'ny finoana: Andriamanitra fitiavana. Refa mahavita mi dépasser an'ireo fombafombam-pivavahana nampianarina ireo ny olona iray ka mandeha mifidy ny hoe ny foko sy ny fomba fiainako no hatsaraiko mba ifanaraka amin'ny Andriamanitra d izay ilay tena hoe manampinoana!!!
Andriamanitra alou amiko d zay nampisy ny reetra fotsiny e!!! tsy haiko na otran'ny rano na afo izy na bôgosy na tsia fa Fitiavana fotsiny izy d zay!!! sa v za diso hevitra!!!
novalian'i cutie ny 25/08/2009 19:34
2. rijadolly ( 31/07/2009 19:50)
Andriamanitra alou amiko d zay nampisy ny reetra fotsiny e!!!
oh ts azoazoko ilay hevitra azonao azavaina v ny tianao tenenina eo? misaotra mialoha
3. niryna ( 01/08/2009 05:07)
hanjaris:


Andriamanitra alou amiko d zay nampisy ny reetra fotsiny e!!! tsy haiko na otran'ny rano na afo izy na bôgosy na tsia fa Fitiavana fotsiny izy d zay!!! sa v za diso hevitra!!!

tsy dia mazava tsara ny tianao ho tenenina
Raha resaka Atra aho dia
Ataoko ohatra ny rano sady solide io no liquide ary lasa gaz koa fa rano ihany no anarany.Atra koa dia toa izany telo izay iray izy.Atra ray .Atra zanaka Atra fanahy tsy misaraka fa mifameno.tsy mbola nisy nahita an'Atra isika fa ny fantatro fotsiny dia ny fiainako misy azy no azo itarafana ny fisiany ato amiko,ka na iza mino ny fisiana na tsy mino dia tsy midika izany fa tsy misy izy.


Ny hoe bogosy izy dia ie mino aho fa tena bogosy,isika rehetra dia tsara avokoa eo anatrehan'Atra ary isika dia namboariny mitovy endrika aminy ka amin'ny maha isika antsika izany dia nanana fifiandraisana taminy isika,masina koa isika teo anatrehany ,misy maso isika,misy sofina ,misaina,afaka manamboatra zavatra maro araka ny saintsika.Mino koa aho fa Atra izay nisaina nanao ny zavatra rehetra dia manana maso sofina tanana ,izay misy amintsika dia avy aminy avokoa ary kristy no natao ohatra tamin'ilay Atra nidina tety an-tany satria hoy izy hoe izay mahita ahy dia efa mahita ilay raiko ihany koa.Tsy mitovy ny biby izany siika fa nataoany ambony indrindra aminy zavatra rehetra izay nohariany ary nanana fahefana nitantana ireo rehetra noharaiana tety an-tany
Ny fanarahana anjambany dia efa tsy mety ka ,ampiharo amin'ny fiaiananao ilay fitiavana fa Atra fitiavana izy.Mitia olona ,manampy olona ,mizara izay mba kely nomeny ,mitia ny fahavalo,mampahafantatra ireo izay mbola tsy mahalala an'ilay Atra be fitiavana azy ireo,inona no nahatonga anao nino azy,inona no nitranga tamin'ny fiainanao ka nahatonga anao sahy nijoro vavolombelona nizara ny tenin'Atra.Tsy mitaky diploma izany fa fahasoavana izay nomeny antsika ka afaka zaraintsika ihany koa
Mitaky antsika mba anaraka ny didiny sy anaiky ny didy ary hino izany ihany koa saingy tsy mora ka izany no mahatonga antsika mitady ny fitiavany andro aman'alina, mivavaka mba tsy ahatohitra ny fakampanahy maro samihafa izay manangeja ny rehetra .Fahasoana izay nomeny antsika maimaimpoana ka zarao ho an'izay mangehateha fa andray izao omena azy tokoa izy ireo raha Atra no manokatra ny fony ary raha manaiky ny ho sokafan'Atra koa ny fony
Tompo o ovay ny foko mba ho mora anarina
4. xxx ( 01/08/2009 06:50)
Hajaris fa misy karazany firy moa ny religion misy eto antany
5. niryna ( 01/08/2009 14:08)
xxx:

Hajaris fa misy karazany firy moa ny religion misy eto antany

bobaka be mihitsy ary samy manana ny filazany avokoa ny momba ny hoe inona Atra amin'ilay finoana) Atra velona ve ,ita maso ve ,zavatra namboarin'Atra ve ilay hivavahany sa inona ,inona no tantara nitranga ka nahatonga azy ireo nino izany ,iza no namorina ilay finoana,tamin'ny taona firy no nanomboka ilay izy ary iza no nitarika azy,aminy iza kristy,aminy mino ny fanahy masina ve izy ireo ,ny tantaran'ny finoany,iza no nitarika azy,maninona izy no mino an'iny.Mino ny fiainana aorian'ny fahafatesana ve ireo,mino ny helo sy ny paradisa ve.Aminy inona izany famonjena izany> moa ve any amin' i kristy irery ihany no misy ny famonjena,moa ve mino an'i kristy ho mpanelanelana antsika amin'Atra izy
Ireo no karazany mba fantatro kely aloha

6. soanja ( 25/08/2009 04:04)
hanjaris:

Amiko alou ny réligion reetra d olombelona no namorona azy e! Noho izany tokony tsy ny fombafomba ara-pinoana no ilofosana fa ny ny votoatin'ny finoana: Andriamanitra fitiavana. Refa mahavita mi dépasser an'ireo fombafombam-pivavahana nampianarina ireo ny olona iray ka mandeha mifidy ny hoe ny foko sy ny fomba fiainako no hatsaraiko mba ifanaraka amin'ny Andriamanitra d izay ilay tena hoe manampinoana!!!
Andriamanitra alou amiko d zay nampisy ny reetra fotsiny e!!! tsy haiko na otran'ny rano na afo izy na bôgosy na tsia fa Fitiavana fotsiny izy d zay!!! sa v za diso hevitra!!!


Voalazanao tokoa ny tena izy. Tsy diso ianao fa Andriamanitra tokoa dia fitiavana.


7. cutie ( 25/08/2009 19:34)
Andriamanitra alou amiko d zay nampisy ny reetra fotsiny e!!! tsy haiko na otran'ny rano na afo izy na bôgosy na tsia fa Fitiavana fotsiny izy d zay!!! sa v za diso hevitra!!!

tsy diso ka :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1976