voankazo lo anaty harona ny HAT ka manimba ny rehetra

1. milamm ( 31/07/2009 00:16)
\"Kabary zato ,teny arivo fa iray ihany no marina\"
Hoy ny hai-teny ilay olo-malaza \"Meloka andrian-dava vero\" Andrianampoinimerina
Ireo mpitondra teo aloha rehetra dia samy nanana ny hadisoany nefa nofidiam-bahoaka izy ireny na dia niharihary toy ny vay an-kandrina aza asa ratsiny dia natao lesoka ho an\'ny tsirairay hiatrika ny fanomanana fifidianana
manaraka.
-Itpkl.Tsiranana(rainy fahaleovan-tena) sy ny governemantany Resampa dia sady niray tsikombakomba t@ frantsay(1960-1972)izy no oh.voalohany nangorona harena marobe tao amitsika,raha tsy ho tanisaina ireo halatra ampihimamba nataony nividianany trano lafatra indrindra tany cote d\'Azure izay namidiny zanany vavy taty aorina,sy nampiasainy toekarena malagasy ho fitaovana nampitomboany fananany manokana,nefa tsy nisy ny kere na maty noana t@ izany,tompon\'andraikitra ny tifitra sy vono ireo mpianatra 1972
-Tao ilay kapiteni-tsambo namotika ny firenena iray manotolo ratsy iraka (1975.1991/1976.2001)taorinany fanonganam-panjakana voalohany 1975 izay namono ny zanak\'Imerina be indrindra,tsy ny harem-pirenena ihany na ny hare-tsaina fa ny maha-malagasy antsika rehetra no nopotehiny,novereziny ny zo-ny malagasy marobe t@ didy jadona ,nitombo ny fahantrana be ny maty noana nefa tany midadasika lonaka sy afa-mamokatra ao amintsika
-Tao koa ilay kapiteniny indostria goavana indrindra erany Afrika Ravalomanana izay nitsi-padoha laka-nitana ka nameno ny paosiny,nefa tsy mbola nadatsak\'aina ny malagasy(marihiko fa na ireny tifitra teny Ambohitsirohitra ireny aza dia tsy ny G.P no nahavanona ireny fa ny CAPSAT ihany izay efa tara ny fahalalany Ravalomanana azy ka na ny foloalin-dahy sy tafika ary ny fitsarana mbony aza nivadika taminy,teo anivony fiaraha-monina nefa dia tsy tambo isaina ireo nahazo soa mivantana taminy tetik\'asa nataony
-i Andry mpampandihy efa ben\'ny tanana nefa tanana aza tsy voadiony fa miravaka fako nampitombo ny fahoriana sy fahantrana ary tsy mitsahatra manondrana ireo hazo,harena ankibony tany antsokosoko any atsimo Ehoala
tsy voafidy fa nampiasa basy sy vata-miaramila ary tosika avy aminy frantsay
Ka hoy aho hoe aleo ihany ilay voafidy ara-dalana no hiverina raha toy izao satria efa niaiky ny hadisoany izy ary vonona ny hanarina izany raha tsy izany dia andihizany ireo andian-jiolahy mpangalatra ankarihary ireto ny vahoaka malagasy tsy misy mpiaro ,ary ny hevitrao?
novalian'i fijo ny 31/07/2009 20:12
2. xxx ( 31/07/2009 03:19)
Nga Ehoela irery fa hatrany Maroantsetra Antalaha

http://abcnews.go.com/search?searchtext=Madagascar
3. michouh ( 31/07/2009 11:22)

Ianao manoratra io dia hita mihitsy hoe TIM iringiriny na tena pro-Ravalo be fa rehefa samy ratsy dia ratsy fa tsy ny sasany enjehina ohatry ny inona moa ny sasany mody sarontsaronana.
4. milamm ( 31/07/2009 11:32)
izaho nanoratra dia tsy TIM hatrizay niainako no tsy pro Ravalomanana fa mijery tsy miangatra ,ary ianao mamaly ito dia tsy mahay mamaky teny fa miverena mianatra ,aiza no tsy mora hambaikainy olona ,araho tsara izay nolazaiko hatrany amimboalohany fa tsy nisy nosaromako tao samy "nanana ny hadisoany izy rehetra"
5. fijo ( 31/07/2009 20:12)
voalohany aloha,dia aza hafangaro ny momba ny aradalana sy ny TIM,
izahay koa dia momba ny aradalana,fa tsy miray antoka aminn'y tim.nisy tsy nety ny nataon'ny tim matoa isika toa izao,aza hadino koa izay.
fa eto aloha,dia ny aradalana no takiana fa efa ita izoa ny vokatry ny zavatra tsy manaraka lalana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0509