Valahara sy vakiantatra

1. ikaretsaka ( 28/07/2009 15:33)
fomba fiteny matetika ny hoe TSY valahara sy TSY vaky antatra.. toa zavatra ratsy matetika no lazaina amin"ireo

raha foanana izany ilay TSY
dia ny valahara sy ny vaky antatra izany milaza zavatra tsara raha raisina @ lojika...
Nefa inona no dikany?
saomisy mahalala?
novalian'i soanja ny 06/08/2009 22:49
2. xxx ( 02/08/2009 08:51)
Ilay valahara tsy haiko koa ! Ilay atatra dia ilay fahatsiarovana menatra iny. Ohatra an-dry Adama sy Eva izao tamin'ny tao Edena voalohany tsy mbola nahatsiaro tena hoe niboridana ... Izay ilay tsy vaky atatra hi hi hi :-D :-D :-D

Fa toa tsy ampiasaina misaraka ireo, fa tonga dia ilay fomba fiteny foana. Tsy haiko aloha fa izaho koa tsy mbola naheno olona niteny hoe atatra fotsiny, fa tsy hoe tsy vaky atatra hi hi.
3. soanja ( 06/08/2009 22:49)
Resaka mifandraika amin'ny natiora na ny fambolena izany ry Ika.
Ny lahara dia midika hoe handrina amin'ny tenim-paritra. Ny antatra kosa dia avy amin'ny zavamaniry. Ka ny voa tsy mety vaky nefa efa fotoana mahamatoy azy toy izany dia simba ny ao anatiny ary tsy tsara. Tsaraina amin'ny voany ny zavamaniry ary ny endriny sy ny fifandraisana aminy no voalohany ahitana ny hatsarany sy ny haratsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3492