MBA LAZAO HOE NY HEVITRAO AMINITY TRANGA ITY !

1. endrika01 ( 20/07/2009 16:55)
Tsy haiko hoe,tokony hoany aminy dinika Fiaraha-monina sa Politika no nametrahako ity resaka tsy haiko novaliana ity,fa indro arosoko eto mba iadian-kevitra. tafaresaka tamina-namana iray aho;renim-pianakaviana,mipetraka any ivelany izy io,manan-janaka telo mianadahy,mbola kely avy,tena tsy itako mintsy zay navaly taminy fanotaniana napetrany tamiko,dia arosoko eto,mba itadiavako sopapa avy aminy namana. toy izao ary lay fanontaniana napetrany tamiko : Hono ho aho akia,raha 1200 Euro ve akia,mety ho ampy anay 5mianaka isam-bolana,raha mody any Madagascar ? mba omeo sopapa e!tsy nahita havaly azy aho.Mcei :P
novalian'i endrika01 ny 01/08/2009 07:07
2. desirelyaime ( 20/07/2009 18:55)
Anontanio izy aloha hoe:
hanofatrano ve? aiza no hipetraka? Tanà sa toeran-kafa? Tsara hofantarina ny hipetrahany satria raha any Tanà izy no hipetraka mety ho hafa ny fiaingany, raha any ambanivohitra mety ho hafa koa. Ny jirama tena mihinana raha antanàn-dehibe. Amiko aloha , raha sakafo sy saram-pianarana io de mety ho ampy fa raha mbola miampy fandaniana hafa de ahiko tsy ho ampy .
Tsy mahafampo ny valin-teniko saingy mety mba hanome hevitra ihany.
3. nathie86 ( 22/07/2009 06:53)
Arakaran'ny fomba fiainanany eh, zatra niafy v izy, sô snob snob, fa ny olona aza 1 000 000fmg ny salaire efatra zareo fa veloma fôna. ka arakarak'ilay def ny oe velona sy miaina @ :)
4. endrika01 ( 24/07/2009 06:55)
Toa efa manana trano ry zareo kah. marina mitsy le we raha snob mety tsy ho tafa aminio vola io.Misy namako zay,nipetraka tany Tulear ry zareo,voatendry hiasa any Bira ny vadiny,cadre amna orinasa iray ao Antsirabe ao, ny hofatranon-dry zareo isam-bolana no efa 3milio latsaka kely,io toerana io aza tsy amoron-dalana fa 2eme plan,tsy azo ampidirana kamio,fa juste fiara 1 sy ny posiposy-ny 20 eo ho eo,2ny zanany,mianatra amna College fa tsy Lycee frantsay,ny gardien itambarany,manana mpiasa manampy anle sipakely mivarotra,manana fidiram-bola 3 ry zareo,ny fandaniana ozizy tamiko mahatratra 7milio/mois ,ndraindray aza mahery,zany aza samy any Dago iany,ka vao maika fa avy an-dafy hiditra Dago,raha hanao vacance aloa,mety tsy koi.Na ohatra we efa zatra niafy koa de tsy koi,na manana vadin asa de tsy koi iany koa,mazana anie ny fiainana ao i Dago ao,amzao krizy politika zao e,ny mahitahita lalana iany zao no tsy mahare,fangirifirina :-P
5. rova30 ( 29/07/2009 23:43)
Raha hoe olona zatra fiainana aty andafy, aleo tsy mitonantonana angamba?

Mazana anie ny Saran'ny fitsaboana ao Mada ao izay e! Ny fianarana mbola tsy lazaina.

Raha olona zatra mikarataka any indray , hafa indray iny!

TRANGA efa hitako maso mihintsy mantsy ity!

Couple efa misotro ronono, namidy ny fiara, nampanofaina ny trano, dia lasa miaraka amin'ny calculatrice.

Tratran'ny cyclone indray mandeha fotsiny, fa dia leo! Nody.
tsy manakivy aho fa tsaratsara angamba manao vacance aloha izy tenany, mety ahitany hoe handoso sa hanao vacance fotsiny! :idea:
6. endrika01 ( 01/08/2009 07:07)
Marina doly izany,ka teo indrindra no tsy nahitako valinteny nomena azy,satry sanganehana aho,tonga amle oha-pitenenana izay manao hoe handroso maty raibe,hihemotra maty renibe tsy tadidiko tsara izy zay,fa mbo ahitsio raha diso,hi hi,angamba ozizy we,vena kely kou i E...zany de tsy hay valiana. :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2837