Raha miverina ho neutre ny miaramila, dia ahoana?

1. diloo ( 18/07/2009 11:37)
Raha tsy misy mpanohana amin'ny alalan'ny basy i Andry sy ny HAT, izany hoe miverina ho neutre ny miramila, inona no mety hitranga?
:!: :?:
novalian'i xxx ny 20/07/2009 13:37
2. xxx ( 18/07/2009 11:43)
Ny miaramila dia tsy ho neutre na oviana na oviana!
Any @ izay misy vola no andehanany, ireo gradés tsy mikôzy ireo dia miaro ny intéréts-ny daholo.
Ireo sahisahy toa ireo mutins dia maka risque ka raha mitady hivadika ny rasa dia vao mainka midegany na manjavona tsotra izao.
3. xxx ( 18/07/2009 12:29)
Ka nga kosa moa moramora ny 700 million isaky ny officier nomena tamin'izany?

Na izany na tsy izany faly ery France fa tsy lasa filohan'ny OUA ilay taloha, nga moa tsy izay no tetika tamin'iny?
4. patrick2002 ( 18/07/2009 12:42)
ny miaramila dia efa neutre hatramin`izay fa i Ravalo no nandray azy toy ny cons ,ka izay no nampietsika azy ,aiza koa ,ny mba eritreritry Ravalo ,dia ny hoe tsy misy hilana miaramila fa saady tsy miasa no tsy mamokatra , :roll: :roll: :roll: , Mba mpitondra iza koa no hanana foto- pisainana ohatry ny izany ,hitany tsara izao ny hilana ny miaramila ,zay vao hoe harovy ny voninahitrareo.
Tsy misy miaramila manohana an`i TGV izany ,fanatsatsoana hataony mpiondana izany ,miaro tanindrazana ny miaramila ,fa tsy miaro Gasy mody Tia Tanindrazana.
5. pink ( 18/07/2009 15:00)
patrick2002:

ny miaramila dia efa neutre hatramin`izay fa i Ravalo no nandray azy toy ny cons ,ka izay no nampietsika azy ,aiza koa ,ny mba eritreritry Ravalo ,dia ny hoe tsy misy hilana miaramila fa saady tsy miasa no tsy mamokatra , :roll: :roll: :roll: , Mba mpitondra iza koa no hanana foto- pisainana ohatry ny izany ,hitany tsara izao ny hilana ny miaramila ,zay vao hoe harovy ny voninahitrareo.
Tsy misy miaramila manohana an`i TGV izany ,fanatsatsoana hataony mpiondana izany ,miaro tanindrazana ny miaramila ,fa tsy miaro Gasy mody Tia Tanindrazana.



ianao ity ve mihevitra ny gasy ho dondrona....Jereo ireny video ireny ireny.Mbea jereo ireny filanjana basy ireny...Tsy miaramila rehetra no momba any HAT fa izay mahita tombotsoa izany.Mihevitra ve ianao fa tsy manana havana momba any ra8 ny miaramila sasany....Izaho malagasy tia ny tanindrazako fa kosa tsy tia HAT ary hafarako fara amn-dimby izany..Chacun a son choix fa aza hambanana basy fotsiny ny samy malagasy.
6. bazylou ( 18/07/2009 17:45)
dia zero pointe no azony, looool :-D
7. patrick2002 ( 18/07/2009 17:53)
tsara aloha rehefa miaiky ny mpiondana fa tsy ny kapsaty no momba ny HAT fa ny miaramila
Efa manomboka miova ny language ,maha rangitra mihintsy manko ny maheno taloha teo fa nhy kapsaty no manohana an`i Andry ,
valiako hoe ko tsy hatsona aza ny BANI dia milamina ny tanana.
VIVE LE FOLOALINDAHY MALAGASY .
8. fijo ( 18/07/2009 18:45)
marina ilay voalaza ery ambony hoe ny tafika di amiaro ny tombotsoany fotsiny.ary i dia nanomboka taminn'y andron'i ratsiraka,ka izay no mila fanamboarana be ao an tanana ao
9. pink ( 18/07/2009 19:11)
Mihevitra ve ianao fa homba ny TGV anao daholo ny miaramila sy capsat.Misy victimes betsaka ao fa ny vavabasy no mampangina azy ireo fa tsy hainao ny anatiny sainy.
Ohatra ianao any ampiasan,a,,na tsy faly @ directeur aza dia mitsiky sy manao hoe "oui"foana fa anaty ny saina hompa sy fanozonana...
10. pimaso ( 18/07/2009 19:12)
Mal
Uniformé
Traitre
Indulgent
Nul
Salop
11. fijo ( 18/07/2009 19:37)
pink,marina ireo voalazan'ise ireo,fa amiko dia sarimbavy ireo miaramil arehetra tsy sahy mihetsika ireo.naninona ny capsat no sahy nihetsika nefa ry zalahy vitsy???????
fantatro tsara fa maro kokoa ireo mpanohitra ny hat,ka maninona no tsy sahy mihetsika..valiny tsy sahy fa malemy.
12. ndotofetsy ( 18/07/2009 20:06)
nga moa misy gidra basy no solution koa ary raha toa ka misy zany aoka marina
aleo handeha amizao fa tsy hay indray izay matyao
13. fijo ( 18/07/2009 20:14)
ka izay fisainana izay mihintsy no araraotin'ireo capsat ireo.raha vao nikomy ry zalahy no niteny ny sisa hoe mitandrem aianareo fa tsy mety izao,nilamina io
14. diloo ( 18/07/2009 20:55)
Hoy i Patrick2002:
Tsy misy miaramila manohana an`i TGV izany

Marina tokoa fa tsy misy miaramila manohana an'i TGV izany ny ankamaroan'ny miaramila manaja-tena afa tsy ireo CAPSAT.
Koa raha mivadika ireo CAPSAT(mety tsy mahazo karama be intsony) tsy manome garantie de protection ho an'i Andry, fa mety ho an'i Roidefou na i Ra-Pierrot, na dia mety hisolo azy aza ny miaramilan'i RAMAROSON, dia mety hiverina DJ izany ra-Andry na hitsoakam'ny Force One aty @'ny Reny Malala.
Sa ahoana klebary e?
:wink:
15. patrick2002 ( 19/07/2009 00:57)
Marina tokoa fa tsy misy miaramila manohana an'i TGV izany ny ankamaroan'ny miaramila manaja-tena afa tsy ireo CAPSAT


Andao ary hatao hoe kapsaty ihany no manohana ny TGV eh! ,fa mba iza no manohana GTT emmovaky :-D :-D :-D
16. diloo ( 19/07/2009 09:02)
hoy i RaPa 2002:

Andao ary hatao hoe kapsaty ihany no manohana ny TGV eh!


Misaotra ny fianakam's RaPa2002 manaiky fa tsy misy TGV raha tsy mi-HAT ny kapisaty.

Tandremo anefa fa mety hitodika an'i TGV ny kapisaty, ka mety hanaraka an'i Roidefou na i Ra-Pierrot.

Mety anao revirement à 360° mitovy amin'ny TCR (Tanora Contre Ravalo) tany Mahajanga angaha, koa lasa nivdika ho TCAT(Tanora Contre Andry TGV).

TGV sans les rails CAPSAT risque de dérailler.
17. fijo ( 19/07/2009 19:47)
ka rehefa ny vola no mibahana ny fiarahana dia azo saina daholo ny fivadihana rehetra
18. patrick2002 ( 20/07/2009 04:56)
Tandremo anefa fa mety hitodika an'i TGV ny kapisaty, ka mety hanaraka an'i Roidefou na i Ra-Pierrot.

<
diloo ka manaiky izany rangahy fa raha mbola eo i Andry afaka 1 taona dia hino aminìzay ,fa tsy notambazana vola ny capsat nanao an`irfeny fa fitiavana tanindrazana ireny ,acte patriotique
andao aza wait and see in english.
19. xxx ( 20/07/2009 13:37)
Ny zavatra tokony ho fantatsika dia efa prémédité iny coup d`Etat iny . Efa fantatra mialoha fa omena vola ny mutins (CAPSAT) ( appui financier) , fa azo lazaina koa fa mbola idiran`ny resaka CAUSE COTIERE ao amin`io tafika io , conditions nampiarahan`ireo nandoa vola ( ny fanjakana FRANTSAY ) mba haharesy lahatra ARA-POTO-KEVITRA ireo mutins . Jereo anie hoe karazan`olona avy aiza ireo mutins ireo ? Betsaka amin`ireo no ex-RESEP , betsaka amin`ireo no avy any amin`ny SUD-SUD EST . Nahomby tahaka ny fanaony h@ zay ny tetiky ny Frantsay ny hampiady ny Merina amin`ny Tanindrana ka ao anatin`ny tafika no hanaovany an`izany ankehitriny mba hahafahana manjanaka azy bebe kokoa amin`ny fomba vaovao . Ny dikan`izany dia ho sarotsarotra ny hahita neutralité n`ny miaramila raha tsy hoe angaha manova ny lalàna mifehy azy ireo mihitsy isika . Ny fahaizantsika Malagasy mifidy no vahaolana amin`izany . Ny zava-misy amin`izao fotoana izao dia ohatran`ny ezahin`ny fanjakana Frantsay mihitsy ny hampandohalika tanteraka ny toe-karena Malagasy ( amin`ny alalan`ny fampiasana an`i Andry Rajoelina ) amin`izay tsy maintsy handadilady aminy rehefa vizana tanteraka .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0573