Daka voude hoa no ahazo an'ity TGV ity

1. kidoropamba ( 17/07/2009 11:43)
VAOVAO MISONGADINA

http://www.taratramada.com

FIANARANTSOA, MAHAJANGA…

Manery mafy ireo mpitaky amnistia


FIANARANTSOA, MAHAJANGA…

Manery mafy ireo mpitaky amnistia

Manoloana ny fihenahenan’ny Fahefana avon’ny tetezamita amin’ny fanomezana ny famafan-keloka faobe dia manao be fiavy ireo tsy mankasitraka izany. Manomboka mijoro ny komitim-paritra ho an’ny fampihavanam-pirenena hanerena ny mpitondra hamoaka izany.

Tsy mipetra-potsiny ankehitriny ireo antoko politika sy fikambanana mitaky ny famoahana ny famafan-keloka faobe. Miseho lany ary mihamiakatra ny hafanana politika aterak’izany, indrindra amin’izao vanim-potoana mahaseriny ny fanjakana hikiry hanao fifidianana izao.

Nijoro tao Fianarantsoa, afakomaly, ny komitim-paritra ho an’ny fampihavanam-pirenena. Antoko sy fikambanana politika 21 no mivondrona ao anatin’izany izay ahitana solontenan’ny Komity mpanohana ny demokrasia sy Tgv vitsivitsy, araka ny nambaran’Atoa Randrianarikoto Benjamin, filoha lefitra. Handinika ny famoahana ny famafan-keloka faobe amin’ny fomba rehetra izy ireo. Izany dia ho fampiharana ny didy hitsivolana 2009/396 mifandraika indrindra amin’ny fikaonandoham-pirenena natao ny volana avrily lasa teo.

Atoa Andriamora Paul Bernard no filoha vonjimaika hitarika ny komity ho an’ny fampihavanam-pirenena ao Fianarantsoa.

Hentitra ny ao Mahajanga

Efa tafapetraka ihany koa ny rafitra hiady ho an’ny fampihavanam-pirenena sy mitaky ny fampiharana ny amnistia faobe any Mahajanga. Namoaka fanambarana navoakan’izy ireo omaly, tamin’ny alalan’ny sampan’ny Komity ho an’ny fampihavanam-pirenena (CRN) izay mitaky ny fanohizana ny dinika amin’ny vondrona efatra ry zareo any Mahajanga. Hentitra ny votoatin’ny fanambarana izay milaza fa tsy maintsy avoaka tsy misy fepetra sy tsy misy hatak’andro ny didy famoahana ny famafan-keloka. Tsy mitombina ny filazana fa tsy afaka ny hanao izany ny Filohan’ny tetezamita ankehitriny. Mitaona ny vahoaka malagasy rehetra hijoro izy ireo ankehitriny mba tena hisy ny fanovana izay nimatimatesana. Tsy mankasitraka ny fanaovana fifidianana mialohan’ny faran’ny taona sy ny filatsahan’ny Filohan’ny Fat, Andry Rajoelina hofidiana ihany koa ny ao an-drenivohitr’i Boeny satria mainka mampitombo olana sy disadisa tena saro-bahana izany, hoy ihany ny fanambarana.

Tsy milamina…

Tsy mbola milamina ny tontolo politika eto amintsika ary mampanahy be ihany ny mety ho fiafarany. Miseho lany sy mipoitra tsikelikely ny hery fanoherana ity fanjakana vao nijoro dimy volana lasa izay ity. Mivadi-belirano tamin’ny toky nifanomezana ny nahazo fahefana ka heverin’ny mpiara-nitolona sasany ho nitsipa-doha laka-nitana. Efa mikononkonona ihany koa ny ao Sava sy Sofia noho ny fanovana ankitsirano sy an-tery ny votoatin’ny fehin-kevitra noraisina nandritra ny fikaonandoham-paritra farany teo. Ny eto an-drenivohitra, mitohy ny an-dry zareo eny amin’ny Magro na somary mihavitsy olona aza.

Andrasana izay ho fivoaran’ny raharaha, fa raha mitohy izao disadisa marolafy izao dia mbola ho ela vao hilaminana ny firenena.

Riana Raymond


Politique
Transition
http://www.midi-madagasikara.mg/midi/index.php?option=com_content&task=view&id=15965


La HAT contredit son Président
La HAT a adopté en séance plénière, une proposition d'ordonnance portant modification de la dénomination, de l'organisation, du fonctionnement et des attributions des Collectivités territoriales décentralisées (CTD). Force est de constater que la HAT a ou s'arroge (c'est selon) un pouvoir législatif, alors que son président Andry Rajoelina a soutenu le contraire au cours de l'interview diffusée récemment sur les différentes chaînes de télévision. Et ce, pour dire qu'en l'absence de pouvoir législatif, il n'est pas habilité à prendre des ordonnances dans les matières relevant du domaine de la loi telle l'amnistie.
Parallélisme. Or, l'article 89 de la Constitution – toujours en vigueur – dispose en son paragraphe 15 que « la loi fixe les règles concernant l'organisation et le fonctionnement des Collectivités territoriales décentralisées ». D'ailleurs, c'est la loi n°94-008 du 26 avril 1995 qui fixe les règles relatives à l'organisation, au fonctionnement et aux attributions des CTD. C'est dire que la HAT n'a pas respecté le parallélisme des formes et le principe de la hiérarchie des textes, en modifiant une loi par une ordonance.
Initiative. On est du reste en droit de (se) demander qui a eu l'initiative de cette proposition d'ordonnance puisque la HAT n'est pas composée de groupes parlementaires comme l'étaient les deux Chambres du Parlement actuellement suspendues. En tout cas, en adoptant cette proposition d'ordonnance, la HAT contredit (dans quel but ?) son Président. Qui plus est, Andry Rajoelina a annoncé que les élections auront lieu avant la fin de l'année, autrement dit, la Transition sera écourtée. Se pose alors la question de l'opportunité du changement des dénominations des Régions et des Communes, à moins que certains n'aient pas HAT de voir la Transition prendre fin.

R. O



http://www.lexpressmada.com/display.php?p=display&id=28075
Brèves
A chaud


Virage à 360° pour le TCR. La formation «Tanora contre Ravalomanana» à Mahajanga devient depuis hier «Tanora contre Rajoelina», d'après la déclaration de son président, Gérard Faouzy, à l'issue de la réunion de ses dirigeants. La décision a été prise pour dénoncer l'attitude du président de la Haute autorité de la transition (HAT) concernant l'amnistie. Un comité de coordination des manifestations et de revendication pour l'amnistie sera prochainement mis en place, explique Gérard Faouzy.


novalian'i emma22 ny 19/07/2009 12:39
2. pikatti ( 17/07/2009 13:25)
hin hin hin ,vonoy any daholo lesy ireo bandy reo ry kidoro ,aza misy hanana hantra any fa be loatra ny ràMalagasy latsaka zay ;-)
3. fijo ( 17/07/2009 20:15)
ny tena mampiomehy dia ny TCR(tanora contre ravalo )lasa TCR(tanora contre rajoelina)hihihihih politika aby io zanako
4. ndotofetsy ( 18/07/2009 08:42)
8O 8O
5. emma22 ( 19/07/2009 12:39)
aleo hihinana any mits, fa bandy keliloha mits rah io tgv io,ny tena kely kou mba miseho maneno, vo aiza ny hanjo ataon'ny goaika antitra akana toerana fotsiny, hihihi :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4741