Robaina, potehina ny TIKO kay ILAINA ndray hoy tgvendrana

1. penguin ( 15/07/2009 06:24)
Nihaiky volana ny ministry ny vola benja fa miantraika amin'ny toe-karena sy fiaraha-monina ny fijanonan'ny orin'asa TIKO. Koa tsy izany vé no antony hanoanana azy sa ny famotehana sy fandrobana izany no mahasoa ny firenena ? Satria Malagasy malagasy no malaza dia peteo avy eo kay kiankinan'ny zavatra maro indray ary tokony hosokafana vé ry tgvendrana ? Mba misaina alohan'ny hitaritana olona handroba fa tsy faly amin'ny ratsy.
répondu par fijo le 16/07/2009 20:28
2. rakaroka ( 15/07/2009 06:33)
Ny manapotika aloha dia talentan´ny gasy io e: hotel de ville, palais Andafiavaratra, rova,sns .......
ny mihary avy eo anefa tsa hay loatra=> tsy mahagaga raha miha mahantra ny firenena!
3. ari.malala ( 15/07/2009 08:12)
Zà hoa manaiky mintsy hoe ni monopoliser karazana fihariana maro ny TIKO (ohatra ny lafarine, menaka, resaka ronono sy ny momba azy), fa tsy ny fanapotehana ilay orinasa mintsy no vahaolana, satria potika izy iny, aiza daolo no iafaran'ny rehetra ankehitriny? Na izhay tsy nanapotika aza miara mizaka ny vokany @ ireo maivandoha nanapotika azy! Ary ny mampalaelo d ny gasy iany no manapotika ny zava-bitan'ny gasy :-( raha nisaina kely ftsn ireo mpitarika d hoe vohaina hoan'ny oul rehetra ny lalam-pihariana rehetra no tokony natao, d hita eo hoe manao ahoana ny tohiny! mba orinasa 2 ohatra miara mifaninana manao dobera, d hita eo hoe ny an'iza no tsara kokoa, ny an'iza no mora kokoa, toy izany koa ny menaka... fa izao aiza?
4. hery ( 15/07/2009 08:43)
Farafaharatsiny nalain'ny fanjakana dia mitohy ihany ny famokarana.

Amin'izay ny mpiasa tsy very asa, ny vokatra misy hatrany.
5. diloo ( 15/07/2009 10:06)
marina ny an'i Hery :wink:
6. ndyfanie ( 15/07/2009 10:33)
Marina ny anareo, isika malagasy mahay manapotika fa tsy mahay manamboatra. Tsy mahagaga raha tsy ho tafita fa zatra miankina aman'olona foana. Maninona zao raha mba nalain'i Fanjakana dia mitohy foana ny famokarana. za zao zadratsy amin'ity fihinana biba aiza moa za no ahita intsony, raha mahita tsy mioatra ny 100grammes. Mba fanotaniana tiako hapetraka amin'ny tgvendrana sy ny forongony hoe: ianareo ireo ve sahy mianiana fa ny figro sy congelateur tao an-tranonareo dia tsy mbola nidiran'ny produit tiko. mampalahelo, ilay olona no tsy tiana dia ny fananany no potehina.
Isika malagasy raha vao misy tafita na ita fa lasalasa kely dia finganina amin'ny atsony playboys hoe zao isika malagasy rehefa mitondra kely dia sabotena :lol: :lol: :lol:
7. bozyboleta ( 15/07/2009 11:04)
Efa ho 6 volana izao no nanapotehina ny TIKO.
Mbola tsisy solony aloha hatramin'izao nefa @ izao maha-eo ny fat izao no tokony hihazakazaka hamokatra daholo ireo milaza azy ho mpandraharaha nosimbain'i TIKO t@ izany fotoana izany.
Tsetsatsetra tsy aritra kely, iza marina moa izany ireo mpandraharaha nosimbain'i TIKO ireo???
Tsy mahafantatra mantsy aho mpanao vokatra ronono ankoatra ny smpl sy ny romanor na ny lati na ny la hutte canadienne. Nefa efa ela ireo no namokatra ary mbola tsy ben'ny tanàna akory aza Ravalomanana t@ izany dia efa nitsipozipozy foana ireo fa tsy nahasedra ny famatsiana eraky Madagasikara.
Ny lafarina indray dia teo ny kobama fa moa ve ny fidiran'ny Mana no nahafaty ny kobama??? Mbola tsy nisy akory ny Mana no efa nikatona ny kobama.
Ny menaka indray nisy ny fanodinana menaka "huile de palme" mbola t@ andron-dratsiraka fa nandeha ara-dalàna ve io orinasa io ary oviana no nanomboka tsy re intsony???

8. xxx ( 15/07/2009 11:36)
bozyboleta:

Efa ho 6 volana izao no nanapotehina ny TIKO.
Mbola tsisy solony aloha hatramin'izao nefa @ izao maha-eo ny fat izao no tokony hihazakazaka hamokatra daholo ireo milaza azy ho mpandraharaha nosimbain'i TIKO t@ izany fotoana izany.
Tsetsatsetra tsy aritra kely, iza marina moa izany ireo mpandraharaha nosimbain'i TIKO ireo???
Tsy mahafantatra mantsy aho mpanao vokatra ronono ankoatra ny smpl sy ny romanor na ny lati na ny la hutte canadienne. Nefa efa ela ireo no namokatra ary mbola tsy ben'ny tanàna akory aza Ravalomanana t@ izany dia efa nitsipozipozy foana ireo fa tsy nahasedra ny famatsiana eraky Madagasikara.
Ny lafarina indray dia teo ny kobama fa moa ve ny fidiran'ny Mana no nahafaty ny kobama??? Mbola tsy nisy akory ny Mana no efa nikatona ny kobama.
Ny menaka indray nisy ny fanodinana menaka "huile de palme" mbola t@ andron-dratsiraka fa nandeha ara-dalàna ve io orinasa io ary oviana no nanomboka tsy re intsony???





Tena izany mihintsy ry bozy a, efa nisy talohan'ny TIKO ireo rehetra ireo fa tsy nisy tafita, hisy hilaza mantsy hoe ka ra8 anie Maire sy Prezidà e, fa efa talohan'ny naha Maire azy ny nisian'ireo La Hutte sy ny karazany ireo fa toa tsary namokatra akory

Raha fetsy izao ry LaHutte dia manararaotra mividy ronono any Antsirabe dia mba manenjika production ho an'ny vahoaka, fa toa mihanahana koa !!!
9. Onjakeli ( 15/07/2009 16:37)
"rafaharatsiny nalain'ny fanjakana dia mitohy ihany ny famokarana.

Amin'izay ny mpiasa tsy very asa, ny vokatra misy hatrany" hoy i Hery

Tsy hainy izany sady tsy fantany sady nosaininy. Ny hameno paosy sy hitady seza no tao an-tsainy fa adalan'ireo nanaiky ho nataony fitaovana fa rehefa azony io de ampiasainy amzay ny mahajilahimboto
10. pink ( 15/07/2009 18:06)
hery:

Farafaharatsiny nalain'ny fanjakana dia mitohy ihany ny famokarana.

Amin'izay ny mpiasa tsy very asa, ny vokatra misy hatrany.



Tsy efa mandroba io ve ry zareo e..Ny firenena rehetra ary mahita izany sa nareo tsy mahatadidy indray
11. xxx ( 15/07/2009 21:55)
havereno aloha ny tompony d mihodina tsara io!
12. fijo ( 15/07/2009 22:02)
hoadaray,nareo ve hiady hevitra aminn'y tgv e;malaky manimba fa mihisatra manamboatra izay ny azy.izao naik anosakanana koa ilay mpanao labiera vaovao,fa toa tafavoak aihany.efa tsy anasa ny vahoaka tsy izay ampa be ny asa no atao fa sakana atsy sy eroa indray.nefa ny tena efa mandroba vao misy vola
13. penguin ( 16/07/2009 05:55)
Tsy mila tgvendrana hatramin'ny farany izahay ka habaribarinay ho tsapan'ny rehetra ny vokatry ny nataony. Efa hiainan'ny rehetra izany saingy haletika tsara mba hitsakotsakoana ny tokony hatao rehefa taritin'ny olona hanimba ny efa misy.
14. max2 ( 16/07/2009 15:18)
Vaovao avy amin'ny Tiko Group
FANAMBARANA

Mitohy hatrany ny antsojay atao amin’ny orinasa Tiko Group. Taorian’ny fanodinana an-keriny ny ozinina mpamokatra lafarina, dia nidirana an-keriny indray ny ozinina mpanodina menaka, ny Toamasina Oil Plant na TOP 2, ao Toamasina ny fiandohan’ny tolakandro ny alakamisy 09 jolay 2009 lasa teo. Miaramila sy polisy mirongo basy, iraka avy amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita no nanapitsoka ny magazay rehetra misy ny akora. Terena hiodina ity ozinina mpanodina menaka ity. Araka izany, dia tsy tompon’andraikitra amin’izay mety ho vokatr’izany ny orinasa Tiko Group.

Ankoatra izay dia nopoirina ireo miaramila, milaza ho iraka avy amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita koa ny vavahadin’ny toerana fipetrahan’ny fananan’ny ALMA eny Imerikasinina ny tolakandron’ny zoma 10 jolay 2009. Lasan’izy ireo tamin’izany ny fiarakodia Volkswagen mitondra ny laharana 4177TAF. Ankoatry ny fiara dia nalain’izy ireo koa ny gasoil rehetra tao anatin’ireo fiara hafa nipetraka teo an-tokontany.
15. tsimatimanota ( 16/07/2009 17:24)
TIKO TO LIVE FOREVER
RA8 ALSO
16. fijo ( 16/07/2009 20:28)
aza dia fanatika loatra koa fa manimba io an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1219