marina ve

1. rtcflora ( 11/07/2009 19:51)
marina ve fa mahamainty zaza ny misotro coca,de fady manao colier koa hono
de inona koa ny mbola mety ho fady ny olona bevoka fa za nilazanolona ireo de lasa somary nataotra kely .mba lazao zay mbola mahafantatra misaotra antsika sahady
novalian'i mirana5 ny 25/07/2009 19:38
2. booboo ( 11/07/2009 20:36)
gné ? dia mba nazavain'ilay olona ve hoe inona no antony maha-fady an'ireo sa dia faly nampitahotra anao fotsiny ? Raha manam-potoana rtcflora dia mijere sites momba ny fitondrana vohoka sns au lieu de hatahotra ny @ zay bla² ataon'ny olona any nefa tsisy fanazavana mitombona omen-dreo akory !!!

Ny fantatro : fady mifoka sigara satria feno poizina ho an'ilay zaza ao am-bohoka ny setroka sigara. Fady ny taoka satria direct any @ rà n'ilay zaza ny alcool misy ao @ taoka ka manimba ny ao anatiny.

3. ni81 ( 11/07/2009 20:46)
Maro be ny finoanoam-poana voalaza fa tsy azo atao rehefa bevohoka: ohatra iray koa ilay hoe manao cache nez @ na foulard @ tenda ireny, dia ilay misikina lambahoany koa aza dia voalaza fa mampisaringotra tadim-poitra :roll: tsy hitako izay hifandraisana izany rehetra izany.
Fa ilay sasany dia fampitandremana.
Ohatra hoe: aza mandika famaky: satria raha sendra voahitsaka iny dia hitsimbadika dia ho eny @ kibonao misy ilay zaza.
Fa ny tena marina tsy azo lavina dia ireo voalazan'i booboo ireo hoe: sigara sy toaka dia tena misy fiantraikany be dia be @ zaza mihitsy. Dia tandremo koa ny sira be loatra @ sakafo.
4. rtcflora ( 11/07/2009 21:14)
misaotra @nareo efa namaly de le mbola hamaly koa de ny psera rht
5. endrika01 ( 14/07/2009 06:10)
Hoany sasany marina,hoany sasany finoanoam-poana. Samy manana ny fandraisany azy.Misy miteny,tandremo ny manao sakamalao am-paosy fa lasa maha maro rantsana ny zaza.Dia nisy tsy nino hoatry ny zaobaviko,dia nataony fanahinina asiany sakamalao foana tany am-paosy! =)) tsy mimeme loza aho! Ny ratsa-tongotra ny zanany 6 ny tongotra havia izy zay,ny havanana ,mitambatra ny ankihibe sy ny fanondro tsy hita ny fihavahany ,ny ratsana telo sisa dia mitambatra tsy misy hoho fa sanatry hotry le olona monga ireny,mampirotsaka ranomaso refa lay mividy kiraro hoanle zaza ka manatsofoka ny tongotrany ao anaty kiraro iny izy,tsy marin-drano t@rehetra fa somary nisabaka nitsivalana sary somary kely lay ratsana faha 6,ny ankihibe tanany koa nisy,fa nihodidininy renibeny volo dia tapaka hoazy teny refa ela ny ela. Ka andramo e,refa mahita ianao mino! Aminireny honohono ireny,fa ilay mifapitsaratsara mako tsy mety :-P
6. ni81 ( 14/07/2009 07:09)
Rehefa inoana ilay zavatra iray dia mandaitra eo @ fiainana matetika
7. endrika01 ( 14/07/2009 13:08)
ni81:
Rehefa inoana ilay zavatra iray dia mandaitra eo @ fiainana matetika
Tena marina ve :-P ,zah io mako zao,manomboka mihinana ireny voankazo misy kambana ireny,akondro,manga,ananas,pibasy,kaky,katsaka...Fa hoe lasa kambana hono ny zanaka refa miteraka,raha vo mihinana anireny :-P ,sa vi finoanoam-poana,hi hi,cousine-nay mba nomeko akondro kambana fa sendra mba niantsena zah,fa natsipiny hoatrireny fako ireny tao anaty daba-pako, :-D:-D:-D matahotra ny hiteraka kambana hono izyi,matahotra ny hitaiza kambana !:-P
8. mirana5 ( 14/07/2009 16:14)
Mba lalina koa zany resaka ato zany!

ka rehefa rarana zany dia aiza atao sao mahita angano eo é, io zavatra io koa ange aleo tsy mahalalala, dia mizotra ho azy toa zay HUMMMMM! MANGARONA BIBY AN DAVAKA EO DIA ....... MANENINA AVY EO E

Sa ahoana? :roll: :roll: :roll:
9. Papoose ( 14/07/2009 16:42)
ny fahitako azy dia zvt tsy nahitam-baliny na tsy hay ny valiny ara-tsiantifika dia lasa nivadika finoanoam-poana....mety marina le izy fa ny fandraisana azy angamba no samy manana ny azy ka dia lasa miteraka confusion...le izy rahateo koa ny miseho @ sasany mety tsy hiseho @ hafa dia vao maika manahirana!
10. soanja ( 15/07/2009 05:08)
rtcflora:

marina ve fa mahamainty zaza ny misotro coca,de fady manao colier koa hono
de inona koa ny mbola mety ho fady ny olona bevoka fa za nilazanolona ireo de lasa somary nataotra kely .mba lazao zay mbola mahafantatra misaotra antsika sahady


Ireo Fady ho an’ny Vehivavy mitondra vohoka: Finoana Malagasy

- Tsy azon’ny mpitondra vohoka ny mihinana sakamalao satria mitovy toy ny felatanana na tongotra ny sakamalao rehefa alaina eny an-tanimboly ary mibilobiloka sy mondromomdro tokoa ka sao manahaka an’izany ny an’ilay zaza ambohoka.
- Toy izany koa ny ovy be loha na maro loha, ny foza orana izay betsaka tongony loatra
- Amin’ny Sakalava sy ny foko Vakinakaratra taloha dia fady ny vehivavy mitondra vohoka ny trondro fa sao misy kirany ny zaza mivoaka avy ao.
- Ny Vezo vavy kosa dia fady horita na squid satria manana tanana valo sady mpitsentsitra no malebolebo io bibin-drano io.
- Fady ny vehivavy bevohoka Antanosy ny mihinana betron-kena na ati-dohankena satria mamparary ilay zaza ao ambohoka hono. Mavesatra ny mandevona ny atidohan-kena ao anaty vavony ka manjary reraka hono ny zaza.
- Fady ny vehivavy koa ny mihinana sokina satria be tsilo loatra io ary maharatsy ny hodi-jaza vao teraka.
- Fady ny vehivavy Antanosy koa ny mihinana vorona antsoina hoe «Kibo» na kibobo satria mitondra zava-dratsy ho an’ny vohoka ny fitovizan’ny anarana.
- Tsy tokony hodinihin’ny olona ny olona bevohoka , fa ho resy masony, ka amahafty ny zaza mbola tsy teraka.
- Fadin’ny bevohoka ny misotro rano amin’ny vilany be molotra (be vava fisokafany) satria lasa be tata-bava ny zaza.
- Fady amin’ny bevohoka ny mihinan-kenan’ny zanakomby maty am-piterahana fa maha teraka ny zaza tsy tongavolana ka mahafaty ny zaza.
- Ny vehivavy Betsimisaraka sy Tanala dia mifady amalona raha te hiteraka satria mety hibolisatra ny zaza ambohoka ka tsy tra-drano.
- Ny Betsileo Avaratra kosa dia fady mijery olona mamono akoho na misotro ran’akoho satria mampahita ra alohan’ny fotoana izany.
- Fady ny vehivavy koa ny mihinana lamoakan’atody fa handamoaka ny zaza ao an-kibo.
- Tsy azon’ny bevohoka ny misatroka satria lasa saro-piterahana izy.
- Tsy azon’ny bevohoka koa ny manasampy lamba eo an-tsoroka fa lasa mifandipatra na misadika ny tadi-potran-jaza.

Sns sns… miisa 57 ny fadin’ny vehivavy bevohoka raha totaliana ny finoan’ny foko rehetra ao Madagasikara.




11. xxx ( 15/07/2009 09:59)
Maro mare izy izany ...
12. soanja ( 15/07/2009 22:41)
Tena maro tokoa ary tsy araka raha arahina fa dia io no nisy araky ny zavanisy tamin'izany, koa miankina amintsika avaizo ny haka fanapahan-kevitra hoe rehefa salama aho dia ho salama ny zanako satria ho koloiko ny momba ahy ho salama soa. Na hoe ny fiarahamonina no handidy ny fomba hitondranao ny vohoka ao anatinao.

Ahavitan-javatra maro ny fitiavan-janaka saingy ilaina jerena akaiky lalandava hoe inona no mahasalama ilay reney mitondra vohoka satria miankina amin'izay ny zaza hivoaka. Ny hazo no vanon-ko lakana hono ny tany naniriany no tsara.

Mahereza hatrany!
13. ravonjison ( 16/07/2009 09:44)

Ilay voalazan' i Papoose etsy ambony no hamehezako ny hevitro : misy tokoa ireo zavatra tsy nahitana valiny taloha fa @ izao fotoana izao dia efa fantatra ny zavatra sasany fa marina na tsy marina. Ny mifanohitra @ ireo fady mihitsy aza no zava-misy , satria ireo voalaza fa fady taloha dia au contraire, ahitana soa izy @ izao fotoana izao . Noho izany ireo finoanoam-poana sasany dia tokony avela @ izay . Ohatra :

1- Fady hoa an' ny bevohoka ny mihinana sakamalao... : @ izao fotoana izao dia fantatra fa ny sakamalao dia mahatsatra taovam-pandevonankanina, noho izany tokony hoanina. Rehefa malonilony ambavafo iny ny vehivavy bevohoka ny maraina dia afaka manao dite avy @ sakamalao, fa manala lonilony izany.Sotroina in-telo isan' andro.

2- Fady ho an' ny vevohoka ny mihinana trondro....: ny vehivavy bevohoka dia tokony hihinana trondro mihitsy , ilainy izany.

.....
Dia tokony ho jerena "cas par cas " toy izany ilay izy satria ny fady sasany dia mety misy fanazavana mitombina ihany.

Hoan' i rtcflora : ny vehivavy be vohoka atý misotro coca nefa tsy nihamainty izany ny zanak' izy ireo.
Ny sigara sy ny toaka kosa dia elao fa tena zava-dratsy ho an' ny zaza mihitsy.
14. xxx ( 16/07/2009 10:16)
ravonjison:


1- Fady hoa an' ny bevohoka ny mihinana sakamalao... : @ izao fotoana izao dia fantatra fa ny sakamalao dia mahatsatra taovam-pandevonankanina, noho izany tokony hoanina. Rehefa malonilony ambavafo iny ny vehivavy bevohoka ny maraina dia afaka manao dite avy @ sakamalao, fa manala lonilony izany.Sotroina in-telo isan' andro.




Sao dia mampisy contractions avant terme kosa ?

Ny mipasoka koa tsy azo atao satria lasa mafana ilay tandrifin'ny kibo dia tsy tsara
15. ravonjison ( 16/07/2009 10:35)
xxx:

ravonjison:


1- Fady hoa an' ny bevohoka ny mihinana sakamalao... : @ izao fotoana izao dia fantatra fa ny sakamalao dia mahatsatra taovam-pandevonankanina, noho izany tokony hoanina. Rehefa malonilony ambavafo iny ny vehivavy bevohoka ny maraina dia afaka manao dite avy @ sakamalao, fa manala lonilony izany.Sotroina in-telo isan' andro.




Sao dia mampisy contractions avant terme kosa ?

Ny mipasoka koa tsy azo atao satria lasa mafana ilay tandrifin'ny kibo dia tsy tsara



Ny vehivavy bevohoka atý misotro dite avy @ sakamalao fa tsy misy olana e . Possible fotsiny ny fandoavana satria rehefa bevohoka ny vehivavy dia miova aminy ny tsironkanina. Io dia miankina @ tsirairay, fa ny sakamalao dia tsy manana " effets secondaires " @ vehivavy bevohoka na @ zaza ao ankibo.

" Ny mipasoka koa tsy azo atao satria lasa mafana ilay tandrifin'ny kibo dia tsy tsara "

Io dia zava-marina fa tsy finoana. Rehefa mipasoka koa mantsy ny vehivavy sasany dia mitsangana ela loatra, izany anefa dia mahatonga faharerahana haingana dia haingana.
16. mirana5 ( 25/07/2009 19:38)
Ary inona no tena tokony ho atao mba haha TONGA LAFATRA AN TSAKANY SY AN DAVANY NY OLONA BEVOHOKA ARY! :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5458