Mifaly amin'ny fahoriana ve ry légaliste ???

1. xxx ( 09/07/2009 09:52)
Raha ny pro-ravalo dia normal raha toa ka faly be raha jerena ny zava-nitranga tany bruxelles. Fa ireto miseho an'azy ho légaliste no tsy azoko.

Hiaraha-mahalala fa ny vahoaka anie no mijinja voalohany ny tsy fahazahoana vola tahaka izao. Ka inona no mahafaly amin'izany????

Ary nareo ve mieritreritra hoe satria tsy nahazo vola ny HAT dia hiala fotsiny amin'izao, hoe: tsy nahazo vola izay ty ka hiala. lol...
Ny ao an-dohany ny HAT dia efa mazava. Ry zareo dia vonona ny hanao izao tsy fanao rehetra izao, du moment hoe tsy miverina eo intsony ravalo.

Ary tsy any amin'ny EU ihany akory ny ahafahana mahazo vola.

2. hery ( 09/07/2009 10:14)
Aiza izay fahoriana amin'izany?

Tout est OK ve dia hisy fahoriana? lolll
3. locl ( 09/07/2009 11:39)
Efa firy volana moa izay no mbola tsy misy masoandro foana mihiratra ny HAT, tsy mba mino aho hoe hahita vola any ankafa ireo.
Ity andro krizy be ity ve dia iza no firenena adala hanome vola olona tsy reconnu akory au niveau mondial.
Ny olona tsy hanome vola raha tsy misy assurance tsara, asa angamba hamidy daholo ny Malagasy isam-batan'olona.

Izaho tompoko dia legaliste, tsy mahafaly ahy mihintsy ny tsy nazahoana vola, fa ry zareo (HAT)no mila mahatsapa tena hoe tokona miova.
4. bozyboleta ( 09/07/2009 14:41)
Tsy ny tsy fahazoana vola no mahafaly fa ny tsy fahazoana ranondranony. Efa nentina daholo ireto forongo mianakavy hanaovana zesita teknika fa tsy nandaitra e!

Na firenena iza na firenena iza no tsy manaraka ny fenitra demokratika fa manongam-panjakana dia tsy maintsy ho toy izao ny vokany.

Ary tsy maintsy ny vahoaka foana no mizaka ny mafy.

Efa nahazo volabe an-tapitrisany USD kosa tany @ saodiana e.
Fitsidihana 5 ora fotsiny no nataon'ilay printsy dia niraraka ny jackpot ka inona indray.
Izay ange no nataon'i radomelina hoe tsy olana na tsy hanome aza ny tandrefana fa be ireo firenena te-hiara-miasa @ Madagasikara. Dia io noporofoiny io.
Efa nanome PPN @ vidiny morabe ireto saodiana ireto ary efa mitobaka eny an-tsena dakan'ny alika fotsiny ireo entana ireo.
Tsy ho ela dia hamirapiratra i Gasikara kah.
5. reeves ( 09/07/2009 15:16)
Ny mahafaly ahy dia voaporofo izao fa TSY MAINTSY SAHIRANA ary TSY HAHARITRA ELA izay tsy nahazo ny tso-dranom-BAHOAKA tamin`ny FIFIDIANANA kanefa mihevitra ny HAKA FITONDRANA amin`ny alalan`ny BASY !!! Voaporofo tsara izao fa olona tsy mbola mendrika ny hitondra ny TGV sy ireo rehetra miaraka aminy satria raha nisy faharanita-tsaina kely fotsiny dia hahita fa TSY ILAINA NY MIZIRIZIRY AMIN`NY HAMBO-PO DISO TOERANA fa MAMPIJALY VAHOAKA izay efa tena mandray ny kihony mihitsy ankehitriny . Ny mahafaly ahy dia aleo ho tsapan`ny TAFIKA (mutins) tsara fa tsy nahavaha olana ny FAMPIASAN-KERY sy ny basy ary ny fieboeboana eran`ny tanàna !!!
6. xxx ( 09/07/2009 16:03)
reeves:

bravo ! Mankasitraka

Tafika vongany tsy misy ilàna azy : na ny manam-basy na ny manana galona !!!
7. xxx ( 09/07/2009 16:41)
Efa lasa débilités sisa ny resaka eto , tssssss ,mifanipaka ôtran' ny valalan' alika ankarona .Sannaabavy !!!
8. vitamatavy ( 09/07/2009 16:58)
tokony ahatsapa tena hoe miala fa tsy midongy toerana eo fotsiny raha tia ny firenenanao ianao ry hat dia miala miandry fifidianana an,tsy ny legaliste no faly @ izany fa izay no atao hoe regle du jeu ahazoana manampy an'i dago si non rien
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0502