TSY METY TONGA SAINA VE NY GASY ?
1. rajy
(
08/07/2009 12:48)
Tokony mba ampy ny gasy amzay izao poizina nomen'Ileandry azy zao,isika no tsy mahita fa efa misy am gasy ankehitriny no tsy mahita atokona intsony fa in-1 mande isan'andro no misakafo, de hadisoany ve izany fa na ny orinasa kely niasany aza tsy mihodina intsony noho ny halafosan'ny devise. Mahonena ny mieritreritra izany ry namana,raha ireo mpitolona teo am 13 mai na ireo mpahazo tombontsoa tamin'ny fotoanandrony no voan'izany de tsy mba nampalahelo fa de olona tsotra tsy nanao n'inon'inona akory. Antenaina fa ho tafarina tsy ho ela izao fahavoazana izao noho ny ezaka sy fitiava-tanindrazana misy ao am ileandry fa mahonena loatra ireto mpiray tanindrazana mijaly noho ny poizina nafafiny.
novalian'i xxx ny 08/07/2009 13:35
2. xxx
(
08/07/2009 12:54)
rajy:

Ka inona ary ny vaha-olana harosonao. Mora be mantsy ilay mimenomenona eny amin'ny sisiny fotsiny. Ny fiverenan-dravalo koa aloha dia efa tsipahiko avy hatrany satria rà mandrika no haterak'izany.
3. xxx
(
08/07/2009 13:35)
Maro be ny mametraka prealable , fa ny fiverenan-dRa8 dia midika ho rà mandriaka , korontana ..sns . Fanatsatsoana dieny mialoha ny mety ho fiverenan-dRa8 izay fomba fijery izay nohon`ny tahotra azy sy izay mbola mety ho cote de popularité-ny izay tsy dia niova be loatra araka ny niheverana azy na dia teo aza ny fanapotehana sy ny fanaratsiana samihafa . Tadidio , fa na inona na inona dia mbola Ra8 no Filoham-pirenena lanim-bahoaka , fa nohon`ny toe-javatra izay misy dia voatery miditra amin`ny tetezamita izany fitondrana izany ka tsy hoe tetezamita n`importe quoi toy izay hita ankehitriny fa TETEZAMITA CONSENSUELLE & INCLUSIVE , izany hoe tsy misy azo ailikilika fa tafiditra ao daholo na Ra8 aza . Raha atao ny , fifidianana , mbola manan-jo hanao izany Ra8 , satria ilaina mihitsy izay mba hahitana marina raha naloan`ny vahoaka izy na tsia . Ary izay no tokony nataon`ny TGV , nanala an-dRa8 tamin`ny alalan`ny fifidianana fa tsy hevitra taingina jiolahim-boto sy coup d`Etat tahaka ity ka izao sady tsy eken`izao tontolo izao no mbola mampijaly ny vahoaka eo aminy . Tokony hisy ihany revolte ataon`ny Malagasy manoloana ny fizirizirian`ny HAT tsy hamaha ny olana misy fa manao sain-jaza enti-po amin`ny valifaty amin`olon-tokana ka tsy mahita intsony ny fijalian`ny vahoakany . Izay no midika fa resabe sy sinema fotsiny ny fitiavan-tanindrazana , demokrasia , ..sns dradradradrain`ity TGV ity fa rehefa jerena dia olona fangoloka tsy fanao ianao .