Mpanao « Pazzapa » notorian’ny vadiny ho nijangajanga
1. ni81
(
07/07/2009 06:41)
Mpanao « Pazzapa » notorian’ny vadiny ho nijangajanga
Notorian’ny vadiny teny amin’ny Fitsarana ho nijangajanga ny tovovavy iray malaza teo amin’ny «Pazzapa». Voalaza ao anatin’ny fitoriana fa nadiditra io tovovavy io taloha ary efa nanomboka tsy nody an-trano. Hatramin’ny nanaovany «Pazzapa» sy nidirany tao amin’ny «villa Pazzapa» dia nitombo izany ditrany izany ary niaraka tamina tovolahy iray izay niantoka ny laniny rehetra izy. Voalaza ihany koa fa nitonona ho tsy manam-bady ity mpihira malaza ity tany amin’ny «Pazzapa», kanefa izy dia vita mariazy ara-dalàna. Notorian’ilay vady ara-dalàna izy, noho izany, noho ny fandaozana tokantrano, fijangajangana, fivadiham-pitokisana ary fanimbana fananan’olona. Efa niakatra Fitsarana ny raharaha ary nitondra ny porofo rehetra mifandraika amin’izany moa ny mpitory, ka anio no hivoaka eny amin’ny Fitsarana Anosy ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha ity.
midi madagasikara 07/07/09

novalian'i missa ny 07/08/2009 05:22
2. booboo
(
07/07/2009 09:56)
ay ay ay :-D :-D . Tokony mba nambaran'ilay mpanao gazety kosa hoe t@ pazzapa firy zany dia iza no anarany :�) :�) :�) .
4. Papoose
(
08/07/2009 19:04)
mety mba te ho ohatran'ny star avy any oliody zay dia pazzapa no natao tohatra fekarana hay tena niakatra tokoa fa tany @ fitsarana :-D ny aza mba voany ihany e!
5. missa
(
07/08/2009 05:22)
... tantara mampalahelo zany ry namako, betsaka koa ny toejavatra manodidina ny sehatry ny hira, eo ny tsy maintsy atrehina , ny fakampanahy, ny zavadoza miandry raha malaza tampoka, ny fialonana , ny hasarotampiaro sy ny sisa rehetra. Ny olombelona koa anefa nofo sy ra ihany ary koa tsy anjely na oviana na oviana. Ka aoka izay tsy nanota taminareo no hitorabato azy hoy ny soratra masina. Naninona kosa le bandy hoe vadiny anga tsy mba afaka niresaka taminy moba ny vokatsoa sy ny mety ho vokadratsin'ny fidirana amin'ireny sehatra miseho télé ireny? Iza no mahalala raha tao le sipa vao nahatsapa fa hay misy karazana toetran'olona mifanaraka kokoa amin'ny fotopisainany teo amin'ny manodidina azy ka nambabo ny fanahy tampoka? Zay le mahavoa ny tary sasany mihevitra fa toy ny fitaovana ao antrano fotsiny io vady io fa tsy mba mihevitra fa olombelona toa azy koa anie io. Mety leo tamle olona tery saina le ankizy de zara aza misy pazzapa ialana pà fa sempotra loatra. Mino aho fa tsy izy irery no vehivavy mety ho sendra an'izany toejavatra izany. Henoy ny hiran'i Lalatiana misy ilay hoe " Raha tsy ho ahy ho ahy irery ianao fa ho azy koa... Raha tsy ampy anao ny iray fa tianao ny mampiara-droa... " fa mampieritreritra antsika lehilahy ihany io