Zaza mandeha rà n'orona matetika

1. xxx ( 06/07/2009 07:48)
Hono ho aho, sao mba misy mahalala hoe inona no antony mampandeha rà n'orona matetika ny zaza sasany ? Ny zanako lahy izao mantsy manao an'io (6 taona), @ izao andro mafàna izao, dia mila mandeha any @ Dr ve sa tsy olana goavana io akory ?
novalian'i do68 ny 14/08/2009 06:21
2. ni81 ( 06/07/2009 07:51)
Hono ho aho, sao mba misy mahalala hoe inona no antony mampandeha rà n'orona matetika ny zaza sasany ? Ny zanako lahy izao mantsy manao an'io (6 taona), @ izao andro mafàna izao, dia mila mandeha any @ Dr ve sa tsy olana goavana io akory ?
raha matetika dia tokony hijery Dr. Nisy namako izay dia mandeha ran'orona foana eo @ in-3 isan-kerinandro eo. Nijery Dr izy ary voalazan'io Dr io t@ fanadihadiana natao fa nisy lalan-drà kely tapaka tanaty orony.
3. niryna ( 20/07/2009 23:04)
xxx:

Hono ho aho, sao mba misy mahalala hoe inona no antony mampandeha rà n'orona matetika ny zaza sasany ? Ny zanako lahy izao mantsy manao an'io (6 taona), @ izao andro mafàna izao, dia mila mandeha any @ Dr ve sa tsy olana goavana io akory ?

Maina ny antony iray mahatonga ny olona mandeha ran'orona.izany no antony anaovana satroka indrindra ny zaza.Rehefa mangatsiaka koa ny andro ka mampiasa chauffage ao an-trano dia maina koa ny orona ary dia mandeha ran'orona ilay olona.
Misy fanafody ocean spray izay ampiasaina rehefa mafana ny andro na isan'andro aza tsy maninona raha mpandeha ran'orona ilay olona fa tonga dia mijanona.
Raha tsy mahita moa dia maka rano mangatsiaka dia ampangotrahana tsara ary dia asiana ranontsira satria ranontsira fotsiny io ocean spray io dia atao ao anatin'ny tavoahangy fasiana fanafody orona ireny fa sasana madio fotsiny ilay tavoahangy





4. do68 ( 14/08/2009 06:21)
Mananjanaka 3 aho samy nanao toy izany avokoa tamin'izy ireo mbola kely.
Antony araka ny fahitako azy dia tsy mahatanty zavona maraina sy hainandro be ka niaro azy tamin'ireo no nataoko.Izany hoe mila harovana foana ny loha amin'ny maraina sy atoandro.
Rehefa voatandriko ireo dia tsy mandeha rà ny orona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1585